Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Niova Aho Rehefa Fantatro hoe ho Lasa Paradisa ny Tany”

“Niova Aho Rehefa Fantatro hoe ho Lasa Paradisa ny Tany”
  • TERAKA: 1974

  • FIRENENA: LETONIA

  • FIAINANY TALOHA: MPANAO FIFANINANANA MAMPIDI-DOZA

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tao Riga, renivohitr’i Letonia, aho. I Neny no nitaiza anay mianadahy. Katolika izy nefa rehefa fety ihany izahay vao nandeha niangona. Nino foana aho hoe misy Andriamanitra. Zavatra hafa anefa no nahavariana ahy tamin’izaho mbola tanora.

Hitan’i Neny hoe lasa tiako ny mandravarava zavatra sy mamerina izany amin’ny laoniny. Tsy tiany havela irery tao an-trano aho, satria betsaka ny zavatra azo noravaravana tao. Nividianany kilalao azo amboarina sy ravana àry aho, ary tena tiako ilay izy. Tiako koa anefa ny nilalao môtô, ka nampandraisin’i Neny anjara tamin’ny fifaninanana mitaingina môtô azo voizina aho. Nanomboka nifaninana tamin’izy io aho, ary nampiasa môtô tena izy tatỳ aoriana.

Mora mahay aho, ka tsy ela dia nahita fahombiazana tamin’io fanatanjahan-tena mampidi-doza io. Intelo aho no lasa tompon-daka teto Letonia, ary indroa tamin’ny fifanintsanana niarahan’i Letonia sy Estonia ary Litoania.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Tamin’ilay izaho nalaza be iny mihitsy no nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Evija, ilay olon-tiako. Nahita gazetin’izy ireo izy, ary nisy tapakila azo nofenoina tamin’ilay izy. Te hianatra Baiboly izy ka nameno azy io. Tsy ela dia nisy Vavolombelona roa tonga nitsidika azy, ary nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo izy. Tsy nampaninona ahy izany, nefa tsy liana tamin’ny fivavahana aho tamin’izany.

Nasain’ireo Vavolombelona hanatrika ny fianaran’i Evija aho, tatỳ aoriana. Nanaiky aho ary tiako ny zavatra reko. Tena nanohina ny foko ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe ho lasa paradisa ny tany. Nasehon’izy ireo ahy, ohatra, ny Salamo 37:10, 11 manao hoe: “Rehefa afaka kelikely,  dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” Tena nahaliana ahy izany.

Nanjary te hifandray kokoa tamin’Andriamanitra aho. Lasa fantatro hoe be dia be ny lainga ampianarin’ny fivavahana. Hitako kosa anefa hoe mitombina tsara sady mazava ny fampianaran’ny Baiboly.

Hitako rehefa nitohy ny fianarako, fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny aina. (Salamo 36:9) Nisy vokany tamin’ny fifaninanana nataoko izany, satria lasa tsy te hisetra loza intsony aho. Tiako hampiasaina hanomezam-boninahitra an’i Jehovah ny fiainako. Lasa tsy sarobidy tamiko intsony ny laza sy ny voninahitra ary ny fientanam-po azo avy tamin’ny fifaninanana.

Hitako hoe manana adidy amin’ilay Mpanome aina aho

Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tallinn, any Estonia, aho tamin’ny 1996. Tsy lavitra an’ilay kianja fanaovako fifaninanana no nanaovana azy io. Nisy olona samy hafa fiaviana tao, nefa niray saina sy nifanaraka tsara izy ireo. Very, ohatra, ny poketran’ny Vavolombelona iray, ka nihevitra aho fa tsy ho hitany intsony ilay izy. Tsy ela anefa dia nisy Vavolombelona hafa nahita an’ilay izy, ary namerina izany nefa tsy nisy very ny tao anatiny. Gaga be aho! Takatro tamin’izay fa tena mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly ny Vavolombelona. Nianatra foana izahay sy Evija, ary natao batisa tamin’ny 1997.

NY SOA NORAISIKO:

Azo inoana fa ny fianarako Baiboly no niaro ny aiko. Hitako mantsy hoe manana adidy amin’i Jehovah, ilay Mpanome aina, aho. Ny namako sasany kosa maty tamin’ny fifaninanana mitaingina môtô.

Nanana tombontsoa hanompo manontolo andro tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Riga izahay mivady, nandritra ny efa-taona. Faly kosa izahay izao mitaiza an’i Alise, zanakay vavy, ary manampy azy ho tia an’i Jehovah. Afaka manompo indray mandeha isan-kerinandro ao amin’ny biraon’ny fandikan-teny koa aho. Manamboatra fiara sy zavatra simba hafa no ataoko ao. Faly aho mampiasa ny fahaizana azoko tamin’ny mbola kely. Mbola mandravarava zavatra sy mamerina izany amin’ny laoniny aho hatramin’izao.

Tena sarobidy amiko ny tombontsoa miresaka amin’ny hafa momba an’ilay hany Andriamanitra marina, miaraka amin’ny ankohonako. Ny fianarana Baiboly no nahatonga izany. Niova tokoa aho rehefa fantatro hoe ho lasa paradisa ny tany!