Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 5

Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?

Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?

Arzantina

Sierra Leone

Belzika

Malezia

Olona maro no tsy miangona intsony, satria tsy tena manampy azy eo amin’ny fiainany ny zavatra ampianarin’ny fivavahany sady tsy mampahery azy. Inona anefa ny soa horaisinao raha manatrika ny fivorianay Vavolombelon’i Jehovah ianao?

Hahita olona tena tia anao ianao any. Mahafinaritra ny fivorianay satria manahaka ny Kristianina voalohany izahay. Nozaraina ho fiangonana maromaro izy ireo. Niara-nivory ny fiangonana tsirairay mba hanompo an’Andriamanitra sy hianatra ny Soratra Masina ary hifampahery. (Hebreo 10:24, 25) Tena nahafinaritra ny fivorian’izy ireo, satria mpinamana be toy ny mpiray tam-po mihitsy ry zareo.—2 Tesalonianina 1:3; 3 Jaona 14.

Hianatra hampihatra ny torohevitry ny Baiboly ianao any. Toy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, dia miara-mivory daholo izahay na ny lehilahy na ny vehivavy na ny ankizy. Misy olona efa mahay Baiboly any mampianatra hoe ahoana no hampiharana ny torohevitry ny Soratra Masina eo amin’ny fiainana. (Deoteronomia 31:12; Nehemia 8:8) Afaka miresaka ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra ny mpanatrika rehefa misy fiaraha-midinika. Miara-mihira koa ny rehetra.—Hebreo 10:23.

Vao mainka ianao hino an’Andriamanitra raha mankany. Rehefa miaraka matetika amin’ny mpiray finoana aminao ianao, dia lasa manam-pinoana bebe kokoa. Vao mainka koa ianao hankatò foana izay lazain’ny Baiboly. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonana iray fahiny: ‘Maniry mafy hahita anareo aho mba hisy fifampaherezana eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.’—Romanina 1:11, 12.

Tongava àry manatrika fivoriana amin’ny manaraka e! Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa marina daholo izay voalaza teo. Horaisinay tsara ianao. Tsy misy vidim-pidirana sy fanantazan-drakitra any.

  • Mivory izahay satria manahaka an’iza?

  • Inona no soa horaisinao raha manatrika fivoriana ianao?