Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Olana Manjo ny Vehivavy efa Lehibe?

Inona ny Olana Manjo ny Vehivavy efa Lehibe?

“Tsisy n’inona n’inona akory dia malahelo be tampoka aho. Nitomany aho sady natahotra hoe lasa adala ve izaho ity e!”—Rondro, * 50 taona.

“Vao mifoha ianao amin’ny maraina dia hoatran’ny mikorontana be izany ny trano. Tsy hitanao hoe aiza daholo no nampirimanao ny entanao. Tsy hainao izay antony, fa lasa sarotra daholo na dia ny manao ny zavatra tsotra kely taloha aza.”—Hanta, 55 taona.

ZAVATRA ara-dalàna no mahazo an’i Rondro sy Hanta fa tsy hoe aretina. Miova mantsy ny toe-batany. Rehefa mihalehibe ny vehivavy, dia manomboka tsy tonga intsony ny fotoanany, ka tsy ho afaka hiteraka intsony izy. Raha vehivavy ianao, izany koa ve no mahazo anao? Na mbola tsy manjo anao aza izany, dia mila mahay tsara momba izany ianao sy ny fianakavianao, amin’izay fantatrareo izay tokony hatao ka tsy hijaly be ianao.

Ahoana no fisehon’ilay izy?

Raha vao manomboka tsy ho tonga intsony ny fotoanan’ny vehivavy dia efa mijaly izy, mandra-pijanon’ilay izy tanteraka, ary mety mbola hitohy kely aza aorian’izay. *

Vao 40 taona ny vehivavy sasany dia efa manomboka tsy tonga fotoana intsony, fa ny hafa kosa 60 taona any ho any. Marina fa misy ihany ny hoe mijanona tampoka ny fadimbolany, dia tsy tonga intsony. Matetika anefa no mijanona tsikelikely ilay izy. Indraindray ilay izy tsy tonga ela be, na tonga tampoka, na mandeha be. Miovaova mantsy ny habetsaky ny hormonina ao amin’ny vatany.

Hoy ny boky iray: ‘Tsy mitovy daholo  ny manjo ny vehivavy. Maro anefa no mahatsapa fa miakatra be ny hafanany sady tsemboka be izy.’ Misy koa avy eo mangatsiaka tampoka. Lasa tsy matory tsara izy sady reraka be. Maharitra ve izany? Hoy ilay boky hoe Torohevitra ho An’ny Vehivavy Tsy Tonga Fotoana Intsony (anglisy): “Herintaona na roa taona fotsiny ny vehivavy sasany dia efa tsy maninona intsony. Misy anefa an-taonany maro mihitsy. Ary misy vitsivitsy aza mbola miakatra be foana ny hafanany, na dia efa mijanona tanteraka aza ny fadimbolany.” *

Misy vokany koa rehefa miaka-midina be ny hormonina ao amin’ny vehivavy. Lasa mora kivy, ohatra, izy na malahelo tampoka ka mitomany ho azy eo. Misy koa tsy mahavita mifantoka, na very tadidy indraindray. Manome toky anefa ilay boky hoe Torohevitra ho An’ny Vehivavy Tsy Tonga Fotoana Intsony fa “tsy voatery hoe izany rehetra izany no hahazo ny vehivavy iray.” Mety ho vitsivitsy amin’ireo ihany no hitranga aminy, ary mety tsy haninona mihitsy aza izy.

Inona no azo atao?

Misy zavatra sasany azonao ovana amin’ny fiainanao andavanandro. Raha miala amin’ny sigara, ohatra, ny vehivavy mpifoka, dia mety ho tsindraindray vao hiakatra be ny hafanany. Maro koa no nahatsapa hoe tsy maninona loatra izy rehefa tsy nisotro zavatra misy alkaola na kafeinina, ary tsy dia nihinana sakafo masiatsiaka na mamy be. Na izany aza, dia tena ilaina ny mihinana sakafo ampy tsara sy isan-karazany.

Tena tsara koa ny manao fanatanjahan-tena. Mahasalama izany ary manamafy ny taolana. Sady hahita tory kokoa ianao no tsy ho kizitina loatra. *

Aza misalasala miresaka

Hoy i Rondro, ilay voalaza terỳ aloha: “Tsy tsara ny miaritra irery an’ilay izy. Miresaha amin’ny ao an-tranonao na ny namanao, dia tsy hanahy be loatra ry zareo hoe inona no manjo anao.” Tsy ho sosotra aminao koa izy ireo satria tsapany ny mahazo anao. Hoy mantsy ny 1 Korintianina 13:4: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.”

Maro koa no nahatsapa fa nanampy azy ny vavaka. Manome toky antsika ny Baiboly hoe ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra Andriamanitra.’ (2 Korintianina 1:4) Tadidio koa fa mandalo ihany io olana io. Raha mikarakara fahasalamana tsara mantsy ianao dia ho falifaly sy havitribitrika foana indray.

^ feh. 2 Novana ireo anarana.

^ feh. 6 Milaza ny dokotera fa raha tsy tonga fotoana mandritra ny 12 volana ny vehivavy iray, dia efa tsy miteraka intsony izy.

^ feh. 8 Misy fanafody mampiakatra be ny hafanana, ary toy izany koa ny aretina toy ny tiroida. Tsara ho fantatra izany, satria tsy voatery foana hoe efa tsy ho tonga fotoana intsony ny vehivavy matoa miakatra ny hafanany.

^ feh. 12 Misy vehivavy asain’ny dokotera mihinana fanafody misy hormonina, fanafody mampitony, vitaminina, na ny toy izany. Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana anefa ny Mifohaza!