Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tokantranomaso?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tokantranomaso?

Valiny ara-baiboly

 Milaza ny Baiboly fa tian’Andriamanitra ‘hifady ny fijangajangana’ ny olona. (1 Tesalonianina 4:3) Rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “fijangajangana” ny Baiboly, dia tafiditra amin’izany ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ary ny firaisana ataon’ny olona tsy mpivady.

 Nahoana no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny hoe mpivady ara-dalàna ny olon-droa sa tsia?

  •   Andriamanitra no namorona ny fanambadiana. Nanao an’izany izy rehefa nanambatra an’i Adama sy Eva ho mpivady. (Genesisy 2:22-24) Tsy fikasan’Andriamanitra ny hoe hiara-hipetraka ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray nefa tsy mpivady.

  •   Fantatr’Andriamanitra izay tena mahasoa ny olombelona. Rehefa namorona ny fanambadiana izy, dia tiany haharitra izy io mba handray soa sy ho voaro ny fianakaviana. Diniho ity ohatra iray ity: Rehefa mividy fanaka isika indraindray, dia misy toromarika avy amin’ilay mpanamboatra azy miaraka aminy, ary manoro antsika hoe ahoana no fomba anakambanana azy. Manome toromarika antsika koa Andriamanitra hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana. Mandray soa foana izay manaraka ny fitsipiny.—Isaia 48:17, 18.

    Manoro anao ny fomba anakambanana fanaka iray ny toromarika avy amin’ilay mpanamboatra azy. Ny toromarika avy amin’Andriamanitra koa no manoro antsika hoe ahoana no hahasambatra ny tokantrano

  •   Mety hisy vokany ratsy ny firaisana ataon’ny olona tsy mpivady. Anisan’izany ny vohoka tsy nirina, aretina azo avy amin’ny firaisana, ary ratram-po. a

  •   Fandaharana nataon’Andriamanitra ny firaisana mba hahafahan’ny mpivady hiteraka. Amin’Andriamanitra dia masina ny aina, ary fanomezana sarobidy ny hoe afaka miteraka. Tian’Andriamanitra hanaja an’io fanomezana io isika ka tsy hanao tsinontsinona ny fanambadiana.—Hebreo 13:4.

 Mety ve ny hoe manao tokantranomaso aloha mba hahitana raha mifanentana na tsia?

 Tsy hoe mila miray trano mandritra ny fotoana elaela akory ny olona roa tsy mpivady ara-dalàna, vao ho sambatra ny tokantranony. Vao mainka kosa izy ireo hifankatia raha samy manaja ny voadim-panambadiany sady miara-mitady vahaolana rehefa miatrika zava-tsarotra. b Tsy hieritreritra ny hisaraka mihitsy izy ireo amin’izay.—Matio 19:6.

 Ahoana no hahamafy orina ny fanambadiana?

 Tsy misy fanambadiana tonga lafatra. Afaka ny ho sambatra anefa ny mpivady raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Ireto ny sasany amin’izany:

b Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Aza Mieritreritra ny Hisaraka”, ao amin’ny Mifohaza! 2018 No. 2.