Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hino ve Ianao hoe Telo Izay Iray Andriamanitra?

Tokony Hino ve Ianao hoe Telo Izay Iray Andriamanitra?

Roa arivo tapitrisa mahery ny olona milaza fa Kristianina. Mino ny ankamaroan’izy ireo hoe telo izay iray Andriamanitra, dia ny Ray, Zanaka, ary fanahy masina. Oviana io hevitra io no lasa anisan’ny fampianaran’ny fivavahana maro? Ary tena avy ao amin’ny Baiboly ve izy io?

TAMIN’NY taona 98 no vita ny Baiboly manontolo. Roanjato taona mahery taorian’izay anefa vao navoaka ireo fampianarana niavian’ilay hoe Andriamanitra tokana olona telo. Nisy fanekem-pinoana nolanina mantsy tamin’ny taona 325, tamin’ny fivoriana iray natao tany Nicée, any Azia Minora (Iznik, any Torkia ankehitriny). Hazavain’ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy), fa tamin’izay vao notapahina hoe inona avy no hampidirina ao amin’ny fampianaran’ny Eglizy. Nasiana famaritana avokoa ireo foto-pinoana isan-karazany, anisan’izany ny hoe iza moa Andriamanitra sy Kristy. Fa nahoana izany no nila nohazavaina indray, nefa efa ela be no vita ny Baiboly? Tsy efa mazava ve izay voalaza ao?

ANDRIAMANITRA VE I JESOSY?

Ny Mpanjaka Constantin irery no nifehy ny Fanjakana Romanina tamin’izany. Tsy nitovy hevitra anefa ireo fivavahana hoe Andriamanitra ve i Jesosy sa noforonin’Andriamanitra. Novorin’i Constantin tany Nicée àry ny eveka rehetra. Tsy tiany hiady mantsy ny fivavahana, ka hampizara ny fanjakany.

“Iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray.”—1 Korintianina 8:6, Fandikan-teny Katolika

Tonga ireo eveka an-jatony, ka nasain’i Constantin nitady marimaritra iraisana. Tsy nety nitovy hevitra mihitsy anefa izy ireo. Nilaza àry izy fa aleo tapahina hoe “miray (homoousios) amin’ny Ray amin’ny zavatra rehetra” ny Zanaka. Teny grika fampiasa amin’ny filozofia izy io ka saro-takarina, sady tsy hita ao amin’ny Baiboly. Io anefa no niandohan’ilay hoe Andriamanitra tokana olona telo, ary lasa anisan’ny fampianaran’ny Eglizy. Tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra vao nampianarina hoe Andriamanitra ihany koa ny fanahy masina.

TADIAVO NY MARINA

Nilaza i Jesosy fa tokony ‘hivavaka amin’ny Ray araka ny fahamarinana ny tena mpivavaka.’ (Jaona 4:23) Ao amin’ny Baiboly no misy ny fahamarinana. (Jaona 17:17) Ampianarina ao ve fa Andriamanitra tokana olona telo ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina?

 Voalohany, dia tsy misy teny hoe “Telo Izay Iray” na “Trinite” ao amin’ny Baiboly. Faharoa, tsy niteny mihitsy i Jesosy hoe mitovy amin’Andriamanitra izy. Izy aza nivavaka tamin’ny Rainy. (Lioka 22:41-44) Fahatelo, nantsoin’i Jesosy hoe ‘rahalahiny’ ny mpianany, kanefa tsy ho rahalahin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mihitsy izy ireo. (Matio 28:10) Ny marina kosa dia hoe: Satria i Kristy no Zanak’Andriamanitra lahimatoa, dia lasa zanaky ny Ray ireo mpianany noho izy ireo nino an’i Kristy. (Galatianina 3:26) Jereo àry ilay Fanekem-pinoana Tany Nicée eto ambany, ary ampitahao amin’izay lazain’ny Soratra Masina.

Fanekem-pinoana Tany Nicée:

“Isika mino ... an’i Jesoa Kristy Tompo iray, ... ny Mazava avy amin’ny Mazava, Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra, nateraka fa tsy natao, miray amin’ny Ray amin’ny zavatra rehetra.”

Izay lazain’ny Baiboly:

  • “Lehibe noho izaho [Jeso] ny Ray.”—Jaona 14:28. *

  • “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.”—Jaona 20:17.

  • “Iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray.”—1 Korintianina 8:6.

  • “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jeso-Kristy.”—1 Petera 1:3.

  • “Izao no lazain’ny Amena [Jeso], ... Fototry ny zava-boarin’Andriamanitra.”Apokalypsy 3:14. *

^ feh. 13 Nalaina tao amin’ny Fandikan-teny Katolika ireto andinin-teny rehetra ireto. Izahay no manao sora-mandry.

^ feh. 17 Ahitana toko hoe “Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?” sy hoe “Iza i Jesosy Kristy?”, ao amin’ilay boky fianarana Baiboly hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Afaka mangataka an’io boky io amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, na koa mijery ny www.pr418.com/mg raha hamaky azy io.