Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampio ny Zanakao Raha Mampijaly ny Tenany

Ampio ny Zanakao Raha Mampijaly ny Tenany

OLANA

Fantatrao, indray andro, fa nanao fanahy iniana nampijaly ny tenany ny zanakao. Inona no tsapanao tamin’izay? Natahotra be angamba ianao sao dia hamono tena izy.

Tsy voatery hoe te hamono tena izy. Na izany aza, dia tena mila ampiana izy. Inona anefa no azonao atao? Fantaro aloha hoe nahoana ny tanora sasany no mampijaly tena. *

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Fanaon’ny tanora fotsiny ve? Marina fa misy ankizy mampijaly tena satria hoe manao an’izany ny hafa. Tsy izay loatra anefa no mahatonga ny ankamaroan’izy ireny hampijaly tena, satria matetika aza ilay izy no afeniny sady mahamenatra azy. Hoy i Miangola, * 20 taona: ‘Tena tsy tiako hisy hahalala ilay izy. Afeniko be mihitsy hoe nisy naratra ny tenako.’

Mba te hisy hiraharaha fotsiny ve? Misy ihany aloha izany. Ny ankamaroany anefa tsy hoe mampiseho ny ratrany mba hahatonga ny olona hanambitamby azy. Ilay izy aza afeniny. Na izany aza anefa, dia izao ny tenin’ny tovovavy iray nampijaly tena taloha: ‘Marina fa nafeniko ilay izy nefa tiako ihany raha mba nisy nahafantatra izay nataoko, amin’izay aho mba nisy nanampy dia tsy nijaly ela be.’

Inona àry ny tena antony? Sarotra ny milaza hoe inona marina ny anton’ilay izy, fa ny azo antoka dia hoe misy zavatra mankarary ny fon’ilay tanora ao, fa tsy hainy ny milaza azy. Hoy i Steven Levenkron, manam-pahaizana momba ny saina: ‘Mampijaly tena ny olona iray, satria mihevitra izy fa rehefa manaintaina ny vatany, dia mba tsy marary loatra ny fony.’

Misy zavatra mankarary ny fony ao, fa tsy hainy ny milaza azy, dia aleony mampijaly tena

Misy fahadisoanao ve? Aza mifantoka amin’ny hoe: ‘Fa inona no tsy nety nataoko no dia manao an’izao ny zanako?’ Eritrereto kosa hoe: ‘Inona no tokony hataoko mba tsy hampijaly tena intsony izy?’

 INONA NO AZONAO ATAO?

Miresaha aminy ka asaivo tantarainy aminao izay mampalahelo azy. Ireto misy soso-kevitra:

Tambatambazo izy. Aza tonga dia taitra be na entim-po, raha miteny aminao ny zanakao hoe mampijaly tena izy. Tokony ho tony kosa ianao, ary miezaha ho tsara fanahy.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Tesalonianina 5:14.

Anontanio izy nefa aza masiaka. Ohatra hoe: “Hitako indraindray hoe kivikivy ianao. Fa inona kay no tena mampalahelo anao?” Na hoe: “Inona no mba tianao hataoko rehefa malahelo ianao na kivy?” Na koa hoe: “Inona no eritreretinao hoe tokony hataoko mba hahatonga antsika ho mpinamana be?” Henoy tsara izy, ary aza tapahina ny teniny.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 1:19.

Ampio izy mba hatoky tena. Matetika ny ankizy mampijaly tena no tsy mieritreritra afa-tsy izay tsy nety nataony. Ampio àry ny zanakao hahita ny toetra tsarany. Anontanio izy hoe inona avy ny toetrany mba hitany hoe tsara. Asaivo mitanisa telo izy, ohatra. Tsara raha soratany mihitsy ilay izy. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Riana: “Nosoratako izay mba zavatra tsara vitako. Lasa tsapako hoe hay mba misy tsara ihany amiko.” *

Ampirisiho izy hivavaka amin’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Petera 5:7) Hoy i Harena, 17 taona: ‘Amin’ilay izaho te hampijaly tena iny mihitsy no mivavaka, dia teneniko an’i Jehovah daholo izay ao am-poko, na dia tsy mora amiko aza. Tapa-kevitra be aho avy eo hoe tsy hampijaly tena intsony.’—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Tesalonianina 5:17.

^ feh. 5 Inona no ataon’ny ankizy mampijaly tena? Didididiany, ohatra, ny tenany na kapohiny ka lasa maratra na mangana.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 15 Misy tanora kivy foana ary efa aretina mihitsy ilay izy, ka izay no mahatonga azy hampijaly tena. Mila dokotera izy raha izay. Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Mila mitandrina anefa ny Kristianina mba tsy hifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.