Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny Lohovava Mpirenireny: Misidina Nefa Tsy Mikopaka Elatra

Ny Lohovava Mpirenireny: Misidina Nefa Tsy Mikopaka Elatra

MISY vorona afaka miriorio eny amin’ny habakabaka, nefa tsy mikopaka elatra akory. Miavaka amin’izany ny lohovava mpirenireny. Mahatratra 3,4 metatra ny elany raha mivelatra, ary efa ho 8,5 kilao ny lanjany. Mahavita an’arivony kilaometatra io vorona io, nefa tsy reraka mihitsy! Fa nahoana? Satria hafakely ny elany sy ny fomba fanidinany.

Diniho izao: Rehefa misidina ny lohovava, dia misy karazana hozatra mitazona ny elany mba hitsotra foana, amin’izay izy tsy reraka. Hainy tsara koa ny manaraka ny rivotra eny ambony ranomasina, ka afaka misidina mandritra ny ora maro izy.

Miakatra aloha izy, dia somary mihodina, ary midina be indray avy eo. Maka bahana tsara izy amin’izay ka mahazo hery handehanana lavidavitra indray. Averimberiny foana izany, ka tsy voatery mikopaka elatra izy. Vao haingana izay, dia nampiasa fitaovana arifomba sy ordinatera misy programa manokana ireo mpikaroka, mba handinihana ny lohovava. Hitany àry fa mahazo hery ireo vorona ireo rehefa midina manaraka ny fitsokan’ny rivotra. Na dia voatohitry ny rivotra aza izy rehefa miakatra, dia somary mihodina izy avy eo mba haka bahana indray. ‘Tsy miova mihitsy izany sady misosasosa erỳ, ka mahazo hery foana izy.’ Afaka manidina ela be àry io vorona io, nefa tsy mikopaka elatra na dia indray mandeha aza!

Mety hanampy ny manam-pahaizana izany fikarohana izany, mba hamoronana fiaramanidina tsy mandany solika, na tsy misy maotera mihitsy.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny lohovava mpirenireny sy ny elany hafakely? Sa nisy namorona?