Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | HATANJAHO NY SAINA RAHA MISY LOZA TAMPOKA

Raha Maty Tampoka ny Fianakavianao

Raha Maty Tampoka ny Fianakavianao

Voan’ny lozam-piarakodia i Ronaldo, any Brezila. Maty tamin’izany ny ray aman-dreniny sy ny rahalahiny roa ary ny nenitoany. Hoy izy: “Efa tany amin’ny hopitaly roa volana aho vao nahafantatra hoe maty daholo izy dimy mianaka.”

“Tsy nino mihitsy aho tamin’ny voalohany hoe dia maty daholo ve ry zareo. Saika lasa adala aho! Hoatran’ny tsisy dikany ny fiainana raha tsy eo intsony izy ireo. Tsy mbola nalahelo hoatr’izany mihitsy aho, ka nitomany foana isan’andro nandritra ny volana maromaro. Nanamelo-tena koa aho, hoe tahaka izay mba izaho no nitondra fiara tamin’iny fa tsy olon-kafa. Hoatr’izay ry zareo mbola velona.”

“Efa 16 taona izay no lasa ary efa mba miverina amin’ny laoniny ny fiainako. Na izany aza, dia malahelo be an-dry zareo foana aho, ary tsapako hoe misy banga ny fiainako.”

SOSO-KEVITRA HANAMPY ANAO

Aza tazonina ny alahelonao. “Misy fotoana itomaniana”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 3:1, 4) “Tonga dia mitomany aho rehefa te hitomany”, hoy i Ronaldo. “Sady ilay izy koa moa tsy voatanako. Mba maivamaivana aho avy eo.” Tsy mitovy anefa ny olona. Raha tsy mitomany àry ianao, dia tsy midika akory izany hoe afeninao ny alahelonao. Tsy voatery hamorona ranomaso mantsy ianao.

Aza mitokantokana. (Ohabolana 18:1) Hoy i Ronaldo: “Niezaka nifandray tamin’olona aho, na dia tsy tena nazoto aza. Ny olona koa namangy ahy ka noraisiko tsara. Nolazaiko tamin’ny vadiko sy ny namako ny fihetseham-poko.”

Aza tezitra na dia misy manao teny mankarary ny fonao aza. Mety hisy hiteny, ohatra, hoe: “Izay angamba no mahasoa e.” Hoy ihany i Ronaldo: “Misy olona te hampahery, nefa vao mainka mamendrofendro.” Aza eritreretina be anefa izany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona.”—Mpitoriteny 7:21.

Fantaro hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Hoy i Ronaldo: “Voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 9:5 fa tsy mijaly ny maty, ary tena nampahery ahy izany. Milaza koa ny Baiboly fa mbola hatsangana ny maty, ka ho velona indray. (Asan’ny Apostoly 24:15) Ataoko hoatran’ny hoe nandeha lavitra be àry ireo fianakaviako maty, fa mbola hiverina ihany.”

Fantatrao ve? Mampanantena ny Baiboly fa mbola ‘hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.’ *Isaia 25:8.

^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?