Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 02

Manome Fanantenana ny Baiboly

Manome Fanantenana ny Baiboly

Betsaka no manana olana, ka lasa malahelo sy miady saina ary mijaly mihitsy aza. Efa nahatsapa hoatr’izany koa ve ianao? Mijaly angamba ianao satria marary, na nisy havanao na namanao maty. Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Mba hihatsara ihany ve ny fiainana?’ Mampahery ny valiny omen’ny Baiboly momba an’io fanontaniana io.

1. Nahoana no lazaina hoe manome fanantenana ny Baiboly?

Hazavain’ny Baiboly hoe nahoana no be dia be ny olana mahazo antsika. Resahiny koa anefa hoe kely sisa dia tsy hisy intsony ireny olana ireny. Lasa ‘manana hoavy tsara sy fanantenana’ isika rehefa fantatsika ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly. (Vakio ny Jeremia 29:11, 12.) Manampy antsika hiatrika olana sy ho falifaly izany. Lasa matoky koa isika hoe ho sambatra mandrakizay.

2. Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy, araka ny lazain’ny Baiboly?

Milaza ny Baiboly fa amin’ny hoavy dia “tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Vakio ny Apokalypsy 21:4.) Ho foana daholo ny olana mampijaly antsika, anisan’izany ny fahantrana, ny tsy rariny, ny aretina, ary ny fahafatesana. Mampanantena ny Baiboly fa ho lasa paradisa ny tany, ary ho afaka hankafy fiainana foana ny olona mandrakizay.

3. Inona no hanampy anao hatoky hoe ho tanteraka izay ampanantenain’ny Baiboly?

Betsaka ny zavatra tsara antenain’ny olona, nefa tsy azony antoka hoe ho tanteraka ilay izy. Ny fampanantenan’ny Baiboly kosa tena ho tanteraka. Hatoky an’izay lazain’ny Baiboly isika raha ‘mandinika tsara ny Soratra Masina.’ (Asan’ny Apostoly 17:11) Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia ianao mihitsy no hahita hoe azo inoana ve izay lazainy momba ny hoavy sa tsia.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona ny zavatra sasany ampanantenain’ny Baiboly, ary nahoana izy ireny no mahasoa antsika dieny izao.

4. Mampanantena ny Baiboly fa ho afaka hiaina mandrakizay isika sady tsy hijaly intsony

Misy zavatra vitsivitsy ampanantenain’ny Baiboly etsy ambany. Iza amin’ireo no tena tianao? Nahoana?

Vakio ny andinin-teny, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Manome fanantenana ve ireo andinin-teny ireo, araka ny hevitrao? Mety hahasoa ny fianakavianao sy ny namanao koa ve ny mahafantatra an’izay lazain’ireo andininy ireo?

Saintsaino hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana rehefa...

TSY HISY INTSONY IRETO:

HO TANTERAKA IRETO:

  • Olona mijaly, na mihantitra, na maty.​—Isaia 25:8.

  • Ho velona indray ny havantsika na namantsika efa maty.​—Jaona 5:28, 29.

  • Mieritreritra na mahatsiaro zavatra mahakivy.​—Isaia 65:17.

  • Hiaina mandrakizay isika sady tsy hijaly intsony.​—Salamo 37:29.

5. Mahasoa antsika ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly

Betsaka no kivy na tezitra rehefa mahita ny olana mitranga amin’izao fotoana izao. Miezaka mafy ny olona sasany mba hamaha an’ireny olana ireny, nefa tsy mahita vahaolana. Mampanantena anefa ny Baiboly fa mbola hihatsara ny fiainana. Nahoana no mahasoa ny mahafantatra an’izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona ny tsy rariny nampiady saina an’ilay vehivavy tao amin’ilay video?

  • Ahoana no nanampian’ny Baiboly azy, na dia mbola eo foana aza ilay tsy rariny?

Manampy antsika tsy ho kivy ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly, na dia eo aza ny olana. Vakio ny Ohabolana 17:22 sy ny Romanina 12:12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Afaka manatsara ny fiainanao dieny izao ve ny fampanantenan’ny Baiboly? Nahoana?

MISY MITENY HOE: “Sarotra inoana ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly.”

  • Nahoana no ilaina ny mitady porofo hoe tena ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly?

FAMINTINANA

Mampanantena ny Baiboly fa ho tsara be ny fiainana amin’ny hoavy. Manome fanantenana antsika izany sady manampy antsika hiatrika olana.

Famerenana

  • Nahoana ny olona no mila fanantenana?

  • Inona no lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny hoavy?

  • Nahoana no mahasoa anao dieny izao ny hoe manana fanantenana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no zava-dehibe ny hoe manana fanantenana?

“Ahoana no Hananana Fanantenana?” (Mifohaza! 8 Mey 2004)

Ho hitanao ato hoe manampy ny olona manana aretina mitaiza ny fampanantenan’ny Baiboly.

“Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Alefaso ity hira ity, dia alao sary an-tsaina hoe miaina ao amin’ilay Paradisa ampanantenain’ny Baiboly ianao sy ny fianakavianao.

Alao Sary An-tsaina (3:37)

Nahoana no niova ny fiainan’ny mpitolona nafana fo iray rehefa nahalala ny fampanantenan’ny Baiboly izy?

“Tsy Mieritreritra ny Hanova An’izao Tontolo Izao Intsony Aho” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2013)