Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 03

Azonao Itokisana ve ny Baiboly?

Azonao Itokisana ve ny Baiboly?

Misy fampanantenana sy torohevitra be dia be ao amin’ny Baiboly. Azo inoana fa te hahafantatra an’izay ampianariny ianao. Mety hoe sarotra aminao koa anefa ny matoky azy io. Azo itokisana ve ny fampanantenana sy ny torohevitra ao amin’io boky efa ela io? Tena marina ve ilay lazain’ny Baiboly hoe afaka ny ho sambatra isika dieny izao sy amin’ny hoavy? Olona an-tapitrisany no mino an’izany. Andao hojerentsika hoe nahoana ianao no afaka matoky ny Baiboly.

1. Tena marina ve ny zavatra tantarain’ny Baiboly?

Ny Baiboly mihitsy no milaza hoe “teny marina tsara tsy misy diso” no voasoratra ao. (Mpitoriteny 12:10) Tantara tena nitranga sy olona tena nisy no resahiny. (Vakio ny Lioka 1:3; 3:1, 2.) Na ny mpahay tantara na ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany dia samy manaporofo hoe marina ny daty, ny olona, ny toerana, ary ny zava-nitranga miavaka tantarain’ny Baiboly.

2. Nahoana no azo itokisana ny Baiboly na dia boky efa ela aza?

Efa ela ny zavatra sasany no voaresaka ao amin’ny Baiboly, nefa tatỳ aoriana vao fantatry ny olona. Mbola tsy nino an’ireny zavatra ireny ny ankamaroan’ny olona, tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Voaporofon’ny manam-pahaizana anefa tatỳ aoriana hoe marina ny lazain’ny Baiboly. Hita hoe “azo ianteherana foana” izy io, “amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.”​—Salamo 111:8.

3. Nahoana isika no afaka matoky an’izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy?

Misy faminaniana * be dia be ao amin’ny Baiboly, ary milaza mialoha “ny zavatra mbola tsy natao” izy ireny. (Isaia 46:10) Betsaka ny zava-nitranga miavaka efa nolazainy mialoha be. Noresahiny tamin’ny an-tsipiriany koa ny zavatra iainantsika amin’izao. Handinika faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly isika ato amin’ity lesona ity. Mahavariana fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izy ireny!

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika ireto: Ahoana no ahitana hoe mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, izany hoe mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny manam-pahaizana? Tena tanteraka ve ny faminaniana voalaza ao?

4. Mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly

Nino ny ankamaroan’ny olona taloha hoe misy zavatra ipetrahany ny tany. Alefaso ilay VIDEO.

Jereo hoe inona no nolazain’ny bokin’i Joba, 3 500 taona teo ho eo izay. Vakio ny Joba 26:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no mahavariana hoe tamin’izany ny Baiboly dia efa nilaza fa mihantona “eo amin’ny tsy misy” ny tany?

Teo anelanelan’ny taona 1800 sy 1900 vao nazava tsara tamin’ny olona hoe avy aiza ny ranonorana. Jereo anefa ny zavatra nolazain’ny Baiboly, an’arivony taona lasa izay. Vakio ny Joba 36:27, 28 sy ny Mpitoriteny 1:7, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no mahavariana ny fanazavan’ny Baiboly momba ny ranonorana?

  • Vao mainka ve ianao matoky ny Baiboly rehefa avy namaky an’ireo andinin-teny ireo?

5. Zava-nitranga miavaka efa nolazain’ny Baiboly mialoha

Vakio ny Isaia 44:27–45:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny tsipiriany nolazain’ny Baiboly, 200 taona talohan’ny naharesy an’i Babylona?

Asehon’ny tantara fa i Kyrosy mpanjakan’i Persa sy ny miaramilany no nandresy an’i Babylona tamin’ny 539 T.K. * Navilin’izy ireo ny renirano niaro an’ilay tanàna. Nivoha koa ny vavahady, ka tsy nila niady ry zareo fa tonga dia afaka niditra. Tanàna ravarava sisa izao i Babylona, 2 500 taona mahery atỳ aoriana. Jereo izay nolazain’ny Baiboly momba an’izany.

Vakio ny Isaia 13:19, 20, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

Tanànan’i Babylona efa ravarava, any Irak

6. Efa nolazain’ny Baiboly mialoha ny zavatra iainantsika

Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao fotoana iainantsika izao. (2 Timoty 3:1) Jereo hoe inona no efa nolazain’ny Baiboly momba an’io fotoana io.

Vakio ny Matio 24:6, 7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no nolazain’ny Baiboly hoe hitranga amin’ny andro farany?

Vakio ny 2 Timoty 3:1-5, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona avy ny toetran’ny olona amin’ny andro farany, araka ny nolazain’ny Baiboly?

  • Iza amin’ireo toetra ireo izao no efa hitanao?

MISY MITENY HOE: “Tantara noforonin’ny olona fotsiny no ao amin’ny Baiboly.”

  • Inona no tena mandresy lahatra anao hoe azo itokisana ny Baiboly?

FAMINTINANA

Tena azo itokisana ny Baiboly rehefa jerena ny tantara, ny zavatra hitan’ny manam-pahaizana, ary ny faminaniana.

Famerenana

  • Tena marina ve ny zavatra tantarain’ny Baiboly?

  • Ahoana no ahitana hoe mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly?

  • Afaka milaza ny hoavy ve ny Baiboly, araka ny hevitrao? Nahoana ianao no milaza an’izany?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy hevitra tsy mifanaraka amin’ny siansa ve ao amin’ny Baiboly?

“Mifanaraka Amin’ny Siansa ve ny Baiboly?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no hitranga amin’ny “andro farany”?

“Faminaniana 6 efa Tanteraka” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2011)

Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly momba ny Fanjakan’i Gresy?

Manatanjaka Antsika “ny Teny Faminaniana” (5:22)

Nahoana no niova ny fiheveran’ny lehilahy iray ny Baiboly rehefa namaky ny faminaniana ao izy?

“Tsy Nisy Izany Andriamanitra Izany Tamiko” (Ny Tilikambo Fiambenana No. 5 2017)

^ Zavatra lazain’Andriamanitra fa hitranga amin’ny hoavy no atao hoe faminaniana.

^ Ny T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny A.K. hoe “Aorian’i Kristy.”