Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Hoatran’ny hoe Nahazo An’izay Rehetra Niriko Aho!”

“Hoatran’ny hoe Nahazo An’izay Rehetra Niriko Aho!”
  • TERAKA: 1962

  • FIRENENA: Kanada

  • FIAINANY TALOHA: Ratsy fitondran-tena

NY FIAINAKO TALOHA

 Teraka tany Montréal aho. Io no tanàna ngeza indrindra atỳ amin’ny provansin’i Québec. Efatra mianadahy izahay, ary tsara fanahy be ny dadanay sy mamanay. Tao Rosemont izahay no nipetraka. Nahafinaritra be ilay toerana. Izahay mianakavy koa nifankatia be.

 Tia namaky Baiboly aho tamin’ny mbola kelikely. Tadidiko tamin’izaho 12 taona namaky ny tantaran’i Jesosy tao amin’ny Testamenta Vaovao. Tiako be mihitsy ilay izy, indrindra fa ilay izy be fitiavana sy nangoraka, ka lasa te hoatran’azy koa aho. Niova anefa aho rehefa lehibebe, satria ninamana tamin’ny ankizy maditra.

 Mpitsoka saksaofaonina ny dadanay. Tia mozika be izy ka lasa tia mozika koa aho. Nomeny an’ahy mihitsy ny saksaofaoniny. Lasa fiainako ny mozika tatỳ aoriana, ary nianatra nitendry gitara koa aho. Namorona tarika mpanao rock mihitsy àry izahay sy namako, dia nanao fampisehoana matetika. Tena nahay izahay, ka nisy mpandraharaha malaza amin’ny tontolon’ny mozika nangataka anay mba hiara-hiasa taminy. Nanaiky hiara-hiasa tamin’ny orinasa lehibe mpamokatra hira aho. Lasa nalaza ny hirako, ary matetika no nandeha tamin’ny radio tatỳ Québec.

 Hoatran’ny hoe nahazo an’izay rehetra niriko aho! Tanora mantsy aho sady nalaza. Sady tiako ny mozika no nahazoako vola be. Izao fotsiny no ataoko tontolo andro: Mikotrana dia miresadresaka amin’ny mpanao gazety, dia manao sonia ho an’ny mpankafỳ ny hirako, dia miseho tele. Rehefa alina indray aho manao fampisehoana sy manao fety. Natahotra niseho vahoaka anefa aho, ka mba hanalana tahotra dia lasa nisotro toaka aho, dia avy eo nifoka rongony. Ratsy fitondran-tena koa aho, sady tsy nivaky loha mihitsy ny amin’ny vokatr’izay nataoko.

 Nitsiriritra an’ahy ny olona sasany, satria hoatran’ny hoe sambatra be aho. Tao anatiko tao anefa aho nahatsapa hoe hoatran’ny misy banga izany ny fiainako. Rehefa ilay izaho irery iny no tena nahatsapa hoatr’izany. Kivy be aho dia nitebiteby. Tamin’izaho nalaza be koa, dia matin’ny SIDA ny mpiara-miasa taminay anankiroa. Hoatran’ny nilatsaham-baratra aho tamin’izay! Tena tiako be mihitsy ny mozika, fa ilay fomba fiaina tao no naharikoriko an’ahy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO

 Nanankarena be aho, kanefa hitako ihany hoe be dia be ny tsy rariny eto an-tany! Nieritreritra aho hoe: ‘Fa inona loatra àry no mahatonga an’izany? Dia maninona Andriamanitra no mijery fotsiny?’ Nivavaka momba an’izany foana aho. Indray mandeha tamin’izaho ilay nijanona tao an-trano tsy nanao fampisehoana iny, dia namaky Baiboly indray aho. Tsy tena azoko ny ankamaroan’ny zavatra novakiako, kanefa lasa fantatro hoe efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.

 Hitako tamin’izaho namaky Baiboly hoe nisy fotoana i Jesosy nifady hanina 40 andro, tamin’izy tany an-tany efitra. (Matio 4:1, 2) Dia nieritreritra aho hoe: ‘Raha manao hoatr’izany koa angamba aho, dia holazain’Andriamanitra amiko hoe iza marina izy!’ Tapa-kevitra àry aho fa hifady hanina. Tapa-bolana talohan’ilay daty noeritreretiko hifadiana hanina anefa, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah anankiroa nandondòna tao aminay. Tonga dia nampandrosoiko ry zareo. Jacques no anaran’ilay anankiray. Nojereko tsara izy sady nanontaniako hoe: “Fa ahoana no ahalalantsika hoe andro farany izao?” Novakiany àry ny 2 Timoty 3:1-5. Nototofako fanontaniana izy roa lahy avy eo, nefa gaga aho fa tena nitombina sady nahafa-po be ny valin-teniny, ary avy tao amin’ny Baiboly daholo. Niverimberina tao amiko ry zareo, dia avy eo aho tonga saina hoe tsy mila mifady hanina indray.

 Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho avy eo. Notapahiko ilay voloko lava be rehefa nandeha ny fotoana, ary nivory tsy tapaka tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho. Noraisin’ny olona tsara aho tany, ka vao mainka resy lahatra hoe nahita ny marina.

 Nila nanao fanovana be aho mba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy maintsy niala tamin’ny rongony aloha aho, dia tsy nijangajanga intsony. Niezaka ny tsy ho tia tena be intsony koa aho, fa mba niahy ny olon-kafa. Izaho irery no nitaiza ny zanako mianadahy, dia nila nianatra nampiseho tamin-dry zareo aho hoe tiako ry zareo. Niezaka nanampy an-dry zareo hifandray amin’Andriamanitra koa aho. Tsy nanao mozika intsony àry aho, fa niasa tany amin’izay orinasa iray izay, na dia kely karama aza ilay izy.

 Tsy mora tamiko aloha ilay niova e! Nahatsapa ho tsy dia metimety mantsy aho rehefa niala tamin’ny rongony, ary indraindray aza tafaverina tamin’ilay fahazaran-dratsy indray. (Romanina 7:19, 21-24) Fa ilay niezaka ho tsara fitondran-tena no tena mafy. Nandreraka be koa ny asako vaovao. Nahakivy ilay izy satria kely karama. Telo volana be izao mantsy aho, vao nahazo ny vola azoko tao anatin’ny adiny roa monja tamin’izaho mbola nihira.

 Ny vavaka no tena nanampy ahy tsy hanaiky ho resy mihitsy. Namaky Baiboly foana koa aho. Tena nampahery ahy ny andinin-teny sasany, ohatra hoe ilay 2 Korintianina 7:1 hoe: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.” Ilay Filipianina 4:13 koa nanome toky ahy hoe afaka miala amin’ny fahazaran-dratsiko aho. Resahiny ao mantsy hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah Andriamanitra rehefa nandeha ny fotoana, ka nampiany aho hahazo tsara ny fahamarinana sy hampihatra an’ilay izy. Nanokan-tena ho azy àry aho. (1 Petera 4:1, 2) Natao batisa aho tamin’ny 1997, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO

 Mino aho fa raha tsy niova aho dia efa maty hoatr’izay! Izao anefa aho tena sambatra! Tena fitahiana avy amin’i Jehovah koa i Elvie vadiko. Mpitory manontolo andro izahay mivady, ka mampianatra Baiboly. Izany no mahafaly sy mahasambatra ahy. Misaotsaotra an’i Jehovah aho izao satria notaominy hanatona azy.—Jaona 6:44.