Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana Marina no Namoronana Izao Rehetra Izao?

Ahoana Marina no Namoronana Izao Rehetra Izao?

OLONA an’arivony tapitrisa no efa namaky na naheno an’ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ny niandohan’izao rehetra izao. Efa 3 500 taona izay no nanoratana azy io, ary izao no teny voalohany ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”

Misy mpitondra fivavahana sy olona sasany anefa nandika vilana an’io lazain’ny Baiboly io. Manaiky izy ireo fa nisy namorona izao rehetra izao, saingy novan’izy ireo ilay tantara ka lasa toy ny angano. Mifanipaka tanteraka amin’ny siansa koa ny fanazavan’izy ireo, sady tsy hita ao amin’ny Baiboly akory. Inona ny vokatr’izany? Maro no lasa mihevitra fa angano fotsiny ilay famoronana tantarain’ny Baiboly.

Mampalahelo fa maro ny olona tsy mahalala ny marina lazain’ny Baiboly momba ny famoronana. Mitombina tsara sy azo itokisana anefa ilay izy, sady mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny siansa. Ho gaga angamba ianao satria tena mahaliana ny fanazavan’ny Baiboly!

ILAY MPAMORONA TSY NISY NAMORONA

Ny tena asongadin’ny Baiboly dia hoe: Misy Andriamanitra Mahery Indrindra namorona an’izao rehetra izao. Iza anefa izany? Ary hoatran’ny ahoana izy? Tsy mitovy amin’ireo andriamanitra ivavahan’ny olona maro izy, raha ny Baiboly no jerena. Izy no Mpamorona ny zava-drehetra, nefa kely ihany ny zavatra fantatry ny ankamaroan’ny olona momba azy.

  • Tsy hery akory Andriamanitra, ka hoe mivezivezy eny rehetra eny. Tena manana saina sy fihetseham-po kosa izy, ary manana ny fikasany.

  • Tsy manam-petra ny herin’Andriamanitra sy ny fahendreny. Izany no nahavitany zavaboary isan-karazany izay samy manana ny endriny avokoa sady be pitsiny.

  • Tsy vita amin’ny zavatra hita maso ny vatan’Andriamanitra. Izy ihany tsinona no namorona an’ireny. Tsy hita maso kosa izy satria fanahy.

  • Efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay, ary mbola hisy mandrakizay. Tsy nisy namorona àry izy.

  • Manana ny anarany manokana Andriamanitra, dia hoe Jehovah. Miverina im-7000 mahery izy io ao amin’ny Baiboly.

  • Tia sy miahy ny olona i Jehovah.

 HAFIRIANA NO NAMORONANY AN’IZAO REHETRA IZAO?

Milaza fotsiny ny Baiboly hoe: “Namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Tsy voalaza àry hoe firy taona no namitany an’izao rehetra izao, na koa hoe ahoana no namoronany azy. Misy anefa mihevitra fa vita tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny, misy 24 ora avy, ny zava-drehetra. Marina ve izany? Tsy mitombina izany raha ny siansa no jerena. Tsy miteny an’izany mihitsy koa ny Baiboly. Fa inona kosa no lazainy?

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe enina andro misy 24 ora avy ny famoronana

  • Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe enina andro misy 24 ora avy ny famoronana.

  • Tsy voatery ho ara-bakiteny foana ny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly. Tsy voafaritra indraindray ny faharetan’ilay izy. Toy izany, ohatra, ireo andro famoronana resahin’ny Genesisy.

  • Mety ho naharitra an’arivony taona maro ny andro famoronana tsirairay tantarain’ny Baiboly.

  • Efa avy namorona ny lanitra sy ny planeta tany Andriamanitra, vao nanomboka ny andro voalohany tamin’ny famoronana.

  • Naharitra ela ireo andro enina namoronana, satria nandritra izany Andriamanitra no nanomana ny tany mba honenan’ny olona.

  • Efa nanao kajy ny mpahay siansa hoe firy taona no nisian’izao rehetra izao. Tsy manohitra ny valiny omen’izy ireo ny Baiboly.

NAMPIASA NY EVOLISIONA VE ANDRIAMANITRA?

Maro amin’ireo olona tsy mino ny Baiboly no mino ny evolisiona na fiovana miandalana. Lazainy fa zavatra simika kely tsy nisy aina no nivoatra ho azy teo ka lasa zavamananaina. Toy ny bakteria, hono, ilay izy tamin’ny voalohany, ary nitombo tsikelikely ka nanome an’izao biby sy zavamaniry isan-karazany izao. Te hilaza ry zareo fa avy amin’ny bakteria isika olombelona, izay zavamananaina faran’izay miavaka.

Maro amin’ireo olona mino ny Baiboly koa anefa no manaiky ny evolisiona. Namorona zavatra bitika kely sady manana aina, hono, Andriamanitra, ka iny fotsiny avy eo no nataony niova miandalana. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly.

Voaporofon’ny siansa fa rehefa mifanambady ny zavamananaina, dia manome taranaka samihafa nefa mbola iray tarika ihany. Tsy manohitra an’izany ny Baiboly

  • Milaza ny Baiboly fa i Jehovah mihitsy no namorona ireo karazana biby sy zavamaniry rehetra. Noforoniny koa ny lehilahy sy ny vehivavy, ka nataony lavorary sy mahatsapa tena, sady afaka mitia, maneho fahendrena, ary manao ny rariny.

  • Namorona karazana biby sy zavamaniry Andriamanitra, nefa rehefa nanan-taranaka izy ireny, dia lasa nisy endriny isan-karazany ny taranany. Samy hafa be ny bikan’izy ireo indraindray, na dia iray tarika aza.

  • Voaporofon’ny siansa fa rehefa mifanambady ny zavamananaina, dia manome taranaka samihafa nefa mbola iray tarika ihany. Tsy manohitra an’izany fanazavana izany ny Baiboly.

 NY ZAVABOARY NO MANAPOROFO AZY

Nanohana ny hevitr’i Charles Darwin momba ny evolisiona i Alfred Wallace, manam-pahaizana anglisy, tamin’ny 1850 tany ho any. Na izy aza anefa niteny hoe: ‘Raha olona afaka mijery sy mieritreritra tsara dia tokony hahita fa manaraka lamina maty paika sady nosainina tsara izao rehetra izao. Ahitana izany na ny sela bitika indrindra, na ny ra, na ny tany manontolo, eny fa na dia ny kintana maro be aza. Raha tsorina dia hoe nisy Saina matsilo be izay vao nisy izao rehetra izao.’

Efa ho roa arivo taona talohan’i Wallace anefa ny Baiboly no nilaza hoe: ‘Ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’ (Romanina 1:20) Tsy mba tianao àry ve ny handinika ny zavaboary mahavariana? Mety ho ny ahi-maitso fotsiny izany, na koa ny kintana maro be. Ho hitanao amin’ny zavaboary fa tena misy ny Mpamorona.

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Raha misy tokoa ny Mpamorona be fitiavana, nahoana isika no avelany hijaly? Tsy raharahainy intsony ve ny zavaboariny? Ary mba hanao ahoana ny hoavy?’ Mbola betsaka ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Tsy fantatry ny olona anefa izy ireny, satria hafa mihitsy no ampianarin’ny manam-pahaizana sasany sy ny mpitondra fivavahana. Ny Vavolombelon’i Jehovah izay mpamoaka ity gazety ity kosa, te hanampy anao hahalala izay tena lazain’ny Baiboly. Ho fantatrao kokoa amin’izay ny Mpamorona sy ny hoavin’ny olombelona.