Hijery ny anatiny

Efa Nisy Nahita An’Andriamanitra Ve?

Efa Nisy Nahita An’Andriamanitra Ve?

Valiny ara-baiboly

 Mbola tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra ara-bakiteny mihitsy. (Eksodosy 33:20; Jaona 1:18; 1 Jaona 4:12) Milaza mantsy ny Baiboly fa “Andriamanitra dia Fanahy”, izany hoe tsy hita maso izy.​—Jaona 4:24; 1 Timoty 1:17.

 Afaka mahita an’Andriamanitra mivantana anefa ny anjely, satria fanahy izy ireo. (Matio 18:10) Hisy olona hahita an’Andriamanitra koa, satria ho any an-danitra izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty ary ho lasa fanahy.​—Filipianina 3:20, 21; 1 Jaona 3:2.

Inona no atao raha te “hahita” an’Andriamanitra?

 Matetika ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe mahita rehefa te hilaza hoe mazava amin’ny olona ny zavatra iray. (Isaia 6:10; Jeremia 5:21; Jaona 9:39-41) Afaka mahita an’Andriamanitra amin’ny ‘mason’ny fony’ ny olona iray raha manam-pinoana. (Efesianina 1:18) Hanampy azy hahafantatra an’Andriamanitra sy ho tia ny toetrany izany. Ireto misy zavatra vitsivitsy tokony hatao raha te hanana an’izany finoana izany ianao:

  •   Diniho ny zavatra noforonin’Andriamanitra, dia ho fantatrao ny toetrany. (Romanina 1:20) Ho hitanao fa be fitiavana izy, malala-tanana, hendry, ary mahery. Rehefa noresahina tamin’i Joba, lehilahy iray nanam-pinoana, ireo zavatra noforonin’Andriamanitra, dia nilaza izy hoe hoatran’ny nahita an’Andriamanitra mihitsy.—Joba 42:5.

  •   Ianaro ny Baiboly mba hahafantaranao an’Andriamanitra. Manome toky ny Baiboly fa “raha mitady [an’Andriamanitra] ianao, dia hataony izay hahitanao azy.”​—1 Tantara 28:9; Salamo 119:2; Jaona 17:3.

  •   Diniho ny tantaran’i Jesosy mba hahafantaranao an’Andriamanitra. Nanahaka tanteraka ny toetran’i Jehovah Rainy i Jesosy, ka afaka niteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”​—Jaona 14:9.

  •   Manaova zavatra mampifaly an’Andriamanitra, ary diniho hoe inona avy ny zavatra ataony ho anao. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” Hitantsika terỳ aloha fa hatsangana ho any an-danitra ny olona sasany mampifaly an’Andriamanitra ka “hahita” azy.​—Matio 5:8; Salamo 11:7.

Tena nahita an’Andriamanitra tokoa ve ry Mosesy sy Abrahama ary ny olon-kafa?

 Misy tantara ao amin’ny Baiboly toa milaza fa nisy olona tena nahita an’Andriamanitra ara-bakiteny. Asehon’ny teny manodidina anefa fa naniraka anjely Andriamanitra mba hisolo tena azy, na niseho tamin’ny alalan’ny fahitana.

Anjely:

Naniraka anjely tetỳ an-tany Andriamanitra taloha mba hisolo tena azy sy hampita hafatra avy aminy. (Salamo 103:20) Nisy fotoana, ohatra, Andriamanitra niresaka tamin’i Mosesy avy tao anaty voaroy nirehitra. Milaza ny Baiboly fa “notakonan’i Mosesy ny tarehiny, satria natahotra hijery an’Andriamanitra izy.” (Eksodosy 3:4, 6) Tsy Andriamanitra anefa no hitany, raha jerena ny teny manodidina, fa “anjelin’i Jehovah.”​—Eksodosy 3:2.

 Milaza koa ny Baiboly fa “niresaka nifanatrika tamin’i Mosesy” Andriamanitra. (Eksodosy 4:10, 11; 33:11) Inona no dikan’izany? Toy ny hoe niresaka tamin’ny namany Andriamanitra rehefa niresaka tamin’i Mosesy. Tsy hoe tena nahita ny tarehin’Andriamanitra akory i Mosesy, satria nampitain’Andriamanitra “tamin’ny alalan’ny anjely” ny zavatra tiany holazaina taminy. (Galatianina 3:19; Asan’ny Apostoly 7:53) Na izany aza, dia tena natanjaka ny finoan’i Mosesy an’Andriamanitra, ka ‘toy ny nahita an’Ilay tsy hita’ izy.​—Hebreo 11:27.

 Nampiasa anjely koa Andriamanitra rehefa niresaka tamin’i Abrahama, toy ny nataony tamin’i Mosesy. Raha vakina maimaika ilay tantara, dia hoatran’ny hoe tena nahita an’Andriamanitra mihitsy i Abrahama. (Genesisy 18:1, 33) Milaza anefa ny teny manodidina fa anjely nirahin’Andriamanitra ireo “telo lahy” tonga tany amin’i Abrahama. Fantatr’i Abrahama fa solontenan’Andriamanitra izy ireo. Rehefa niresaka tamin’izy ireo àry izy, dia nataony hoatran’ny hoe niresaka mivantana tamin’i Jehovah mihitsy.​—Genesisy 18:2, 3, 22, 32; 19:1.

Fahitana:

Niseho tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny fahitana koa Andriamanitra indraindray. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa ‘nahita ny Andriamanitry ny Israely’ i Mosesy sy ny Israelita sasany. Raha ny marina, dia “nahazo fahitana an’Andriamanitra” izy ireo tamin’izay. (Eksodosy 24:9-11) Milaza koa ny Baiboly indraindray fa nisy mpaminany “nahita an’i Jehovah.” (Isaia 6:1; Daniela 7:9; Amosa 9:1) Raha jerena ny teny manodidina, dia nahazo fahitana izy ireo fa tsy hoe nahita mivantana an’Andriamanitra akory.​—Isaia 1:1; Daniela 7:2; Amosa 1:1.