Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-12

Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra

Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra
  • Inona no tokony hataonao raha te ho naman’Andriamanitra ianao?

  • Nahoana no mahakasika anao koa ny fiampangan’i Satana?

  • Fitondran-tena manao ahoana no tsy mampifaly an’i Jehovah?

  • Ahoana no ampifalianao an’Andriamanitra?

1, 2. Milazà olona sasany tena naman’i Jehovah.

OLONA manao ahoana no tianao hatao namana? Azo antoka fa olona mitovy hevitra aminao sy liana amin’ny zavatra mahaliana anao ary manaja an’izay zava-dehibe aminao. Mahafinaritra anao koa angamba ny olona tsara toetra, ohatra hoe manao ny marina sy tsara fanahy.

2 Nifidy olona sasany ho namany akaiky i Jehovah. Nantsoiny hoe namany, ohatra, i Abrahama. (Vakio ny Isaia 41:8; Jakoba 2:23.) Nilaza koa izy fa ‘lehilahy sitraky ny fony’ i Davida, satria tiany ny toetrany. (Asan’ny Apostoly 13:22) ‘Tena tiany’ koa i Daniela mpaminany.—Daniela 9:23.

3. Nahoana ny olona sasany no lasa naman’i Jehovah?

3 Nahoana i Jehovah no nandray an’i Abrahama sy Davida ary Daniela ho namana? Hoy izy tamin’i Abrahama: “Nihaino ny teniko ianao.” (Genesisy 22:18) Izay olona manetry tena sy manao an’izay takiny àry no ataon’i Jehovah namana. Hoy izy tamin’ny Israelita: “Ankatoavy ny teniko, dia ho Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho oloko.” (Jeremia 7:23) Ho lasa naman’i Jehovah koa ianao, raha mankatò azy.

AMPAHEREZIN’I JEHOVAH NY NAMANY

4, 5. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana ny vahoakany?

4 Eritrereto ny soa horaisinao raha minamana amin’Andriamanitra ianao. Milaza ny Baiboly fa mitady fomba “hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo” izy. (2 Tantara 16:9) Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana anao? Hoy izy ao amin’ny Salamo 32:8: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”

5 Tena miahy antsika tokoa i Jehovah! Hanoro hevitra anao izy, ary hiaro anao rehefa manaraka an’izay atorony ianao. Tiany ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo anao ianao. (Vakio ny Salamo 55:22.) Raha manompo azy amin’ny fo manontolo àry ianao, dia hatoky hoatran’ilay mpanao salamo hoe: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.” (Salamo 16:8; 63:8) Afaka manampy anao hanana fomba fiaina mampifaly azy tokoa i Jehovah. Misy fahavalony te hisakana anao tsy hanao an’izany anefa.

NY FIAMPANGAN’I SATANA

6. Ahoana no niampangan’i Satana ny olombelona?

6 Efa nianarantsika fa nanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra i Satana Devoly. Nilaza izy fa mpandainga Andriamanitra ary nanao ny tsy rariny, satria tsy namela an’i Adama sy Eva hanapa-kevitra irery ny amin’izay tsara sy ratsy. Rehefa nanota izy mivady ka nanomboka nameno ny tany ny taranany, dia ny olombelona rehetra indray no nampangain’i Satana. Tsy fitiavana, hono, no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. Raha avela hitsapa ny olona, hono, izy dia ho vitany ny hampiala azy rehetra amin’i Jehovah. Tena nino i Satana hoe hahavita an’izany, rehefa jerena ny tantaran’i Joba. Iza io lehilahy io, ary ahoana no niampangan’i Satana azy?

7, 8. a) Inona no nampiavaka an’i Joba tamin’ny olona tamin’ny androny? b) Ahoana no niampangan’i Satana an’i Joba?

7 Efa 3 600 taona lasa izay no niainan’i Joba. Olona tsara izy, satria hoy i Jehovah: ‘Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany. Lehilahy tsy manan-tsiny izy, sady marina sy matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.’ (Joba 1:8) Nampifaly an’Andriamanitra i Joba.

8 Niampanga an’i Joba i Satana hoe tsy fitiavana akory no anompoany an’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Tsy ianao ve no niaro [an’i Joba] sy ny tranony ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.”—Joba 1:10, 11.

9. Inona no nataon’i Jehovah rehefa niampanga an’i Joba i Satana, ary nahoana?

9 Nanizingizina i Satana fa te hahazo tombontsoa fotsiny i Joba matoa nanompo an’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa hivadika amin’Andriamanitra i Joba, raha iharan’ny fitsapana. Inona àry no nataon’i Jehovah? Navelany hitsapa an’i Joba i Satana, mba hahitana ny tena antony anompoan’i Joba azy. Ho fantatra amin’izay raha tia an’Andriamanitra tokoa izy na tsia.

NIHARAM-PITSAPANA I JOBA

10. Inona avy ny fitsapana nihatra tamin’i Joba, nefa inona no nataony?

10 Nanao zavatra maromaro i Satana mba hitsapana an’i Joba. Nisy nangalatra ny bibiny sasany, ary ny sasany nisy namono. Nisy namono koa ny ankamaroan’ny mpanompony. Lasa sahirana ara-bola àry izy. Tsy vitan’izay anefa, fa matin’ny tafio-drivotra koa ny zanany folo. ‘Tsy nanota anefa i Joba, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy’, na teo aza izany loza amin’antambo izany.—Joba 1:22.

11. a) Inona indray no niampangan’i Satana an’i Joba, ary inona no nataon’i Jehovah? b) Inona no nataon’i Joba rehefa narary mafy izy?

11 Tsy nilavo lefona i Satana. Hitany fa mbola zakan’i Joba ilay hoe very fananana sady maty ny zanany sy ny mpanompony. Nieritreritra àry izy fa raha atao marary i Joba dia hiala amin’Andriamanitra. Navelan’i Jehovah hamely an’i Joba tamin’ny aretina nahatsiravina sy nampanaintaina àry i Satana. Mbola tsy nivadika tamin’Andriamanitra ihany anefa i Joba. Hentitra izy nilaza hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—Joba 27:5.

Namaly soa an’i Joba i Jehovah satria tsy nivadika izy

12. Ahoana no nanaporofoan’i Joba fa diso ny fiampangan’ny Devoly?

12 Tsy fantatr’i Joba hoe avy tamin’i Satana ny olana nahazo azy. Nieritreritra izy fa mety ho avy tamin’Andriamanitra izany, satria tsy fantany tamin’ny an-tsipiriany hoe nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra i Satana. (Joba 6:4; 16:11-14) Mbola tsy nivadika tamin’i Jehovah ihany anefa izy. Voaporofo àry fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe fitiavan-tena fotsiny no nanompoan’i Joba an’Andriamanitra.

13. Inona ny vokany rehefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Joba?

13 Tena afaka namaly tsara ny fiampangan’i Satana i Jehovah satria tsy nivadika i Joba. Naman’i Jehovah tokoa i Joba, ary nomeny valisoa be dia be.—Joba 42:12-17.

MIAMPANGA ANAO KOA I SATANA

14, 15. Nahoana isika no milaza fa ny olona rehetra no ampangain’i Satana, fa tsy i Joba irery?

14 Tsy i Joba irery no nampangain’i Satana hoe hivadika amin’Andriamanitra, fa ianao koa. Manaporofo an’izany ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Ohabolana 27:11 hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” Taona maro taorian’ny nahafatesan’i Joba no nanoratana an’ireo teny ireo. Hita amin’izany fa mbola manaratsy an’Andriamanitra sy miampanga ny mpanompony foana i Satana. Afaka manaporofo anefa isika hoe diso ny fiampangany, raha mampifaly an’i Jehovah ny fomba fiainantsika. Mety hisy fiovana tsy maintsy hataonao amin’izany. Tsy mba tianao ve anefa raha ianao koa mba anisan’ny manaporofo hoe diso ny tenin’i Satana?

15 Nilaza i Satana hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Hita amin’ilay teniny hoe “olona” fa tsy i Joba irery no nampangainy, fa ny olona rehetra mihitsy. Tena tsy azo hamaivanina izany. Nilaza mantsy i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra koa ianao. Tiany tsy hankatò an’Andriamanitra ianao, ary tsy hanao ny tsara intsony rehefa misy zava-tsarotra. Ahoana no anaovany an’izany?

16. a) Inona avy ny tetika ampiasain’i Satana mba hampialana ny olona amin’Andriamanitra? b) Ahoana no mety hampiasan’ny Devoly an’ireo tetika ireo, mba hamelezana anao?

16 Efa hitantsika fa mampiasa tetika samihafa i Satana, mba hampialana ny olona amin’Andriamanitra. Voalohany, manafika toy “ny liona mierona, mitady olona harapaka” izy. (1 Petera 5:8) Ahoana no ataony amin’izany? Ampirisihiny, ohatra, ny namanao na ny havanao mba hisakana anao tsy hianatra Baiboly intsony, sy tsy hampihatra an’izay ianaranao. * (Jaona 15:19, 20) Faharoa, “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava” i Satana. (2 Korintianina 11:14) Mampiasa hafetsena izy mba hamitahana anao sy hahatonga anao hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra. Mety hataony koa izay hahakivy anao, ka hieritreretanao hoe tsy ho vitanao mihitsy ny hampifaly an’Andriamanitra. (Ohabolana 24:10) Na toy “ny liona mierona” anefa i Satana na “toy ny anjelin’ny mazava”, dia tsy miova ilay fiampangany hoe: Tsy hanompo an’Andriamanitra intsony ianao, rehefa tratran’ny fitsapana na fakam-panahy. Inona no azonao atao mba hahatonga anao tsy hivadika toa an’i Joba, ka hanaporofo fa diso izany?

ANKATOAVY NY DIDIN’I JEHOVAH

17. Inona no tena antony ankatoavantsika ny didin’i Jehovah?

17 Rehefa manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra ianao, dia manaporofo hoe diso ilay fiampangan’i Satana. Ahoana no anaovana an’izany? Hoy ny Baiboly: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Deoteronomia 6:5) Lasa te hanao izay takin’Andriamanitra ianao, rehefa tia azy kokoa. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” Raha tia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao, dia ho hitanao fa ‘tsy mavesatra ny didiny.’—1 Jaona 5:3.

18, 19. a) Inona ny sasany amin’ny didin’i Jehovah? (Jereo ny efajoro hoe “ Aza Manao Izay Halan’i Jehovah”.) b) Ahoana no ahalalantsika fa tsy mitaky zavatra be loatra amintsika Andriamanitra?

18 Inona avy ny didin’i Jehovah? Mahita ny sasany amin’izany isika eo amin’ilay efajoro hoe “ Aza Manao Izay Halan’i Jehovah”, eo amin’ny pejy 122. Misy zavatra maromaro raran’ny Baiboly tanisaina ao. Hoatran’ny tsy dia ratsy loatra angamba ny sasany aminy, raha topazana maso fotsiny. Rehefa tena saintsaininao anefa ireo andinin-teny ao, dia hiaiky ianao hoe feno fahendrena ny lalàn’i Jehovah. Mety ho sarotra be aminao koa ny hiova. Mahafinaritra sady mahasambatra anefa ny manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Matokia fa ho vitanao izany. Nahoana?

19 Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah. (Vakio ny Deoteronomia 30:11-14.) Mahafantatra tsara antsika mihoatra noho ny tenantsika izy, ka hainy hoe hatraiza ny mety ho vitantsika. (Salamo 103:14) Afaka manome hery koa izy mba hahafahantsika hankatò azy. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’ (1 Korintianina 10:13) Afaka manome anao “hery fanampiny” mihitsy aza i Jehovah, mba hanampiana anao hiaritra. (2 Korintianina 4:7) Nahavita niaritra fitsapana maro i Paoly. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

MIEZAHA HANANA TOETRA TIAN’ANDRIAMANITRA

20. Inona avy ny toetra tokony hiezahanao hananana, ary nahoana?

20 Tsy ampy ny hoe tsy manao an’izay halan’i Jehovah. Mila tia an’izay tiany koa isika, raha tena te hampifaly azy. (Romanina 12:9) Tsy mba tianao ve ny miaraka amin’ny olona mitovy hevitra aminao, sy liana amin’ny zavatra mahaliana anao, ary manaja an’izay zava-dehibe aminao? Hoatr’izany koa i Jehovah. Mianara àry ho tia ny zavatra tiany. Ao amin’ny Salamo 15 ny sasany amin’izany. Lazainy ao ny toetran’ny olona eken’Andriamanitra ho namany. (Vakio ny Salamo 15:1-5.) Manana an’ireto toetra ireto ny naman’i Jehovah: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” Ireo no antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny fanahy.”—Galatianina 5:22, 23.

21. Inona no hanampy anao hanana toetra tian’Andriamanitra?

21 Hanana toetra tian’Andriamanitra ianao, raha mamaky sy mianatra Baiboly tsy tapaka. Hifanaraka amin’ny fisainan’i Jehovah ny toe-tsainao, raha mianatra an’izay takiny ianao. (Isaia 30:20, 21) Arakaraka ny hitiavanao azy no vao mainka hahatonga anao ho te hampifaly azy.

22. Inona no hoporofoinao, raha mampifaly an’Andriamanitra ny fomba fiainanao?

22 Mila miezaka mafy ianao raha te hanova ny fomba fiainanao. Milaza ny Baiboly fa mila manaisotra ny toetranao taloha sy mitafy toetra vaovao ianao. (Kolosianina 3:9, 10) Milaza anefa ny mpanao salamo fa “ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana” ny didin’i Jehovah. (Salamo 19:11) Hahatsapa an’izany koa ianao, raha mampifaly an’Andriamanitra ny fomba fiainanao. Hoporofoinao amin’izany fa diso ny fiampangan’i Satana, sady hampifaly ny fon’i Jehovah ianao.

^ feh. 16 Tsy midika izany hoe fehezin’i Satana mivantana ny olona manohitra anao. I Satana anefa no andriamanitr’ity tontolo ity, ka eo ambany fahefany izao tontolo izao manontolo. (2 Korintianina 4:4; 1 Jaona 5:19) Efa manampo àry isika hoe hisy hanohitra, satria tsy tian’ny olona izany hoe manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra izany.