Hijery ny anatiny

Inona ny Anjely?

Inona ny Anjely?

Valiny ara-baiboly

 Mahery sady mahay lavitra noho ny olombelona ny anjely. (2 Petera 2:11) Mipetraka any an-danitra izy ireo, izany hoe any amin’ny faritra tsy hita maso. (1 Mpanjaka 8:27; Jaona 6:38) Antsoina koa hoe fanahy àry ny anjely.—1 Mpanjaka 22:21; Salamo 104:4.

Ahoana no nampisy ny anjely?

 Noforonin’Andriamanitra ny anjely, ary nampiasa an’i Jesosy izy rehefa namorona azy ireo. Resahin’ny Baiboly fa i Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, ka “izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita”, anisan’izany ny anjely. (Kolosianina 1:13-17) Tsy manambady ny anjely, ary tsy miteraka. (Marka 12:25) Noforonina tsirairay kosa ireny “zanak’Andriamanitra” ireny.—Joba 1:6.

 Efa taloha ela be ny anjely no noforonina, tamin’ny mbola tsy nisy ny tany. “Nihoby” ireo anjely, tamin’Andriamanitra namorona ny tany.—Joba 38:4-7.

Firy ny isan’ny anjely?

 Tsy resahin’ny Baiboly ny isan’izy ireo, fa lazainy fotsiny hoe be dia be izy ireo. Nahita anjely an-jatony tapitrisa, ohatra, ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana iray.—Apokalypsy 5:11.

Samy manana ny anarany sy ny toetrany ve ny anjely tsirairay?

 Eny. Misy anaran’ny anjely roa ao amin’ny Baiboly, dia i Mikaela sy Gabriela. (Daniela 12:1; Lioka 1:26) a Niteny ny anjely hafa hoe manana anarana izy ireo, nefa tsy nolazainy ilay izy.—Genesisy 32:29; Mpitsara 13:17, 18.

 Samy manana ny toetrany ny anjely. Afaka mifampiresaka izy ireo. (1 Korintianina 13:1) Afaka misaina sy mieritreritra izy ireo, ary afaka manao teny fiderana an’Andriamanitra. (Lioka 2:13, 14) Afaka misafidy koa izy ireo hoe hanao ny tsara sa hanao ratsy. Nisy, ohatra, nanota ka nanaraka an’i Satana Devoly dia nikomy tamin’Andriamanitra.—Matio 25:41; 2 Petera 2:4.

Samy manana ny toerana tanany ve ny anjely?

 Eny. I Mikaela arkanjely no mahery indrindra sy ambony indrindra amin’ny anjely. (Joda 9; Apokalypsy 12:7) Anjely manana toerana ambony koa ny serafima, ary mijoro eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah izy ireo. (Isaia 6:2, 6) Anjely hafa koa ny kerobima, ary manana toerana ambony sy andraikitra manokana. Nisy kerobima, ohatra, niambina ny fidirana nankao amin’ny zaridainan’i Edena, rehefa voaroaka tao i Adama sy Eva.—Genesisy 3:23, 24.

Manampy ny olona ve ny anjely?

 Eny. Ampiasain’Andriamanitra ireo anjely tsy mivadika, mba hanampy ny olona ankehitriny.

Manana anjely mpiambina ve ny olona tsirairay?

 Manampy ny mpanompon’Andriamanitra ny anjely, kanefa tsy midika akory izany hoe misy anjely iray asain’Andriamanitra hiambina ny Kristianina iray. b (Matio 18:10) Tsy miaro ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny zava-tsarotra na fakam-panahy rehetra ny anjely. Resahin’ny Baiboly kosa fa matetika Andriamanitra no ‘manisy lalan-kivoahana’, izany hoe manome fahendrena sy hery mba hiaretana an’ilay zava-tsarotra.—1 Korintianina 10:12, 13; Jakoba 1:2-5.

Hevi-diso momba ny anjely

 Hevi-diso: Tsara daholo ny anjely rehetra.

 Ny tena marina: Resahin’ny Baiboly fa misy ireo “fanahy ratsy” sy “anjely nanota.” (Efesianina 6:12; 2 Petera 2:4) Demonia ireo anjely ratsy ireo, dia anjely nanaraka an’i Satana ka nikomy tamin’Andriamanitra.

 Hevi-diso: Tsy mety maty ny anjely.

 Ny tena marina: Ho ringana ny anjely ratsy rehetra, anisan’izany i Satana Devoly.—Joda 6.

 Hevi-diso: Lasa anjely ny olona rehefa maty.

 Ny tena marina: Zavaboary noforonin’Andriamanitra mivantana ny anjely, fa tsy olona natsangana tamin’ny maty. (Kolosianina 1:16) Ny olona atsangana ho any an-danitra kosa no ataon’Andriamanitra tsy mety maty intsony. (1 Korintianina 15:53, 54) Ho lasa ambony noho ny anjely ireny olona ireny.—1 Korintianina 6:3.

 Hevi-diso: Natao hanompo ny olombelona ny anjely.

 Ny tena marina: Ny baikon’Andriamanitra, fa tsy ny baikontsika, no arahin’ny anjely. (Salamo 103:20, 21) Na i Jesosy aza nilaza fa raha hangataka fanampiana izy, dia amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny anjely mivantana akory.—Matio 26:53.

 Hevi-diso: Afaka mivavaka amin’ny anjely isika mba hangataka fanampiana.

 Ny tena marina: Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka. (Apokalypsy 19:10) Andriamanitra ihany no tokony hivavahantsika, ary tokony hataontsika amin’ny anaran’i Jesosy izany.—Jaona 14:6.

a Misy Baiboly mampiasa ny anarana hoe “Losifera” ao amin’ny Isaia 14:12. Lazain’ny olona sasany hoe anaran’ilay anjely lasa Satana Devoly, hono, ny hoe “Losifera.” Midika hoe “ilay mamirapiratra” anefa ny teny hebreo nampiasaina eo. Asehon’ny andinin-teny manodidina koa fa tsy i Satana no tiana horesahina eo, fa ireo mpanjakan’i Babylona, izay nanambony tena ka haetrin’Andriamanitra. (Isaia 14:4, 13-20) Teny fanesoana an’ireo mpanjakan’i Babylona niongana ny hoe “ilay mamirapiratra.”

b Misy milaza hoe hita avy amin’ilay fitantarana momba ny nanafahana an’i Petera avy tao am-ponja fa nanana anjely mpiambina azy izy. (Asan’ny Apostoly 12:6-16) Niresaka momba ny “anjelin’i Petera” mantsy ny mpianatra tamin’izay. Anjely nisolo tena an’i Petera anefa no tao an-tsain’ireo mpianatra, fa tsy i Petera. Na izany aza, dia diso hevitra izy ireo satria i Petera mihitsy no tonga tao amin-dry zareo.