Apokalypsy 16:1-21

  • Vilia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra (1-21)

    • Nararaka teny amin’ny tany (2), ranomasina (3), renirano sy loharano (4-7), masoandro (8, 9), seza fiandrianan’ilay bibidia (10, 11), Eofrata (12-16), ary rivotra (17-21)

    • Adin’Andriamanitra amin’ny Aramagedona (14, 16)

16  Ary naheno feo mafy avy tao amin’ny toerana masina+ aho, niteny tamin’ireo anjely fito hoe: “Mandehana araraho eny ambonin’ny tany ny ao anatin’ny vilia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra.”+  Nandeha àry ny voalohany, dia nandraraka ny tao am-biliany teny ambonin’ny tany.+ Dia nisy fery nampanaintaina sady nanonitra be+ nampijalijaly an’izay olona nanana ny mariky ny bibidia+ sy nivavaka tamin’ny sariny.+  Dia iny koa ny faharoa fa nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny ranomasina.+ Dia lasa ra hoatran’ny ran’olona+ maty ny ranomasina, ka maty daholo ny zavamananaina rehetra, dia izay zavatra tao amin’ny ranomasina.+  Ny fahatelo indray nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny renirano sy ny loharano,+ dia lasa ra ireo.+  Dia henoko ilay anjelin’ny rano niteny hoe: “Manao ny rariny ianao, ry Ilay ankehitriny sy taloha,+ Ilay tsy mivadika,+ satria namoaka an’ireny didim-pitsarana ireny.+  Nandatsaka ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany mantsy izy ireo,+ ka nomenao ra hosotroiny.+ Mendrika an’izany izy ireo.”+  Ary henoko ny alitara niteny hoe: “Eny, Jehovah* Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra,+ azo atokisana sy ara-drariny* ny didim-pitsaranao.”*+  Nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny masoandro avy eo ny fahefatra,+ dia navela handoro ny olona tamin’ny afo ny masoandro.  Dia main’ny hafanam-be ny olona. Nanevateva ny anaran’ilay Andriamanitra manana fahefana amin’ireny loza ireny anefa izy ireo, fa tsy nibebaka na nanome voninahitra azy. 10  Ny fahadimy indray nandraraka ny tao am-biliany teo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia, ka lasa maizina+ ny fanjakan’ilay bibidia. Dia nanomboka nanaiki-dela ny olona satria nanaintaina. 11  Nanevateva an’ilay Andriamanitry ny lanitra anefa izy ireo satria nanaintaina sy nisy fery. Ary tsy mba nibebaka tamin’izay nataony izy ireo. 12  Ary ny fahenina kosa nandraraka ny tao am-biliany teo amin’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe, dia ritra+ ny ranony. Nanao an’izany izy mba hanomanana ny lalan’ny mpanjaka+ avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.* 13  Ary hitako fa nisy fanambarana* maloto telo hoatran’ny sahona, nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay dragona+ sy ny vavan’ilay bibidia ary ny vavan’ilay mpaminany sandoka. 14  Raha ny marina, dia avy amin’ny demonia ireo fanambarana ireo, izay manao famantarana+ sady mivoaka ho any amin’ny mpanjakan’ny tany manontolo, mba hanangonana an’ireny ho amin’ilay adin’ny+ andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.+ 15  “Ho avy toy ny mpangalatra aho.+ Sambatra izay miambina foana+ ka mbola eny aminy ihany ny akanjony ivelany. Amin’izay izy tsy handeha mitanjaka ka ho hitan’ny olona ny fitanjahany.”+ 16  Ary nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona* ireny mpanjaka ireny.+ 17  Ny fahafito indray nandraraka ny tao am-biliany teny amin’ny rivotra, dia nisy feo mafy nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina,+ avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: “Vita!” 18  Avy eo dia nisy tselatra sy feo ary kotroka. Ary nisy horohoron-tany mafy be mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’izay nisian’ny olona teto an-tany.+ Tena faran’izay mahery sady mafy be ilay horohoron-tany. 19  Dia nizara telo ilay tanàna lehibe,+ ary rava ny tanànan’ny firenena rehetra. Ary notsarovan’Andriamanitra i Babylona Lehibe,+ mba homeny an’ilay kaopy misy ny divainy, izany hoe ny fahatezerany mafy.+ 20  Nandositra koa ny nosy rehetra, ary nanjavona ny tendrombohitra.+ 21  Avy eo dia nisy havandra vaventy avy any an-danitra nilatsaka tamin’ny olona,+ ka iray talenta* teo ho eo ny lanjan’ny havandra tsirairay. Dia nanevateva an’Andriamanitra ny olona noho ny loza nentin’ny havandra,+ satria lehibe loatra ilay loza.

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Na: “marina.”
Na: “fitsaranao.”
Na: “avy any atsinanana.”
Na: “fanambarana avy amin’ny fanahy.” Abt: “fanahy.”
Grika: Har Magedôn, avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Tendrombohitr’i Megido.”
1 talenta grika = 20,4 kg. Jereo F.F. B14.