Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tsy Nanadino Ahy i Jehovah”

“Tsy Nanadino Ahy i Jehovah”
  • TERAKA: 1922

  • FIRENENA: ESPAINA

  • FIAINANY TALOHA: MPAMPIANATRA KATESIZY

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka teto Bilbao, atỳ Espaina aho. Antonontonony ny fiainanay. Efatra mirahavavy izahay ary izaho no faharoa. Katolika hiringiriny ny fianakaviako, ary namonjy Lamesa isan’andro izahay. Lasa mpampianatra aho tamin’izaho 23 taona. Izany foana no asako nandritra ny 40 taona, ary tena tiako ilay izy. Faly erỳ aho nampianatra momba ny Fivavahana Katolika, ankoatra ny taranja hafa. Nampianatra katesizy an’ireo ankizivavy hatao kominio voalohany aho rehefa takariva.

Maty ny vadiko rehefa nivady 12 taona izahay, ka izaho irery no nitaiza ny zanakay efa-bavy. Vao 33 taona aho tamin’izay. Nitady fampiononana tany amin’ny fivavahako aho, nefa tsy afaka tao an-tsaiko ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Nahoana ny olona no mbola maty nefa efa novonjen’i Kristy? Nahoana no angatahantsika ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, raha ho any an-danitra ny tsara fanahy? Ary raha hotsarain’Andriamanitra isika rehefa maty, nahoana isika no tsy maintsy miala avy any an-danitra, na ny afofandiovana, na ny afobe, mba handray ny didim-pitsarana farany?’

Nisy pretra nanontaniako an’ireo, ary namaly ny iray hoe: “Tsy haiko, fa anontanio ny eveka. Nahoana ianao no manontany an’izany? Tsy efa mino an’Andriamanitra moa ianao? Ataovy ampy anao izay!” Tsy ampy ahy anefa izany. Nanatrika ny fotoam-pivavahan’ny Zezoita sy ny Pentekotista ary ny sekta hafa aho, fa mbola tsy nahazo valiny nahafa-po.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nanasa ahy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpianatro iray fito taona, tamin’izaho 60 taona mahery. Tiako ny zavatra hitako sy reko tany. Tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona intsony anefa aho satria be atao. Nisy mpivady Vavolombelona tonga tao amiko, roa taona taorian’izay. Juan sy Maite no anaran’izy ireo. Niverimberina tao amiko izy ireo nandritra ny telo volana mba hamaly izay fanontaniana napetrako. Nianatra Baiboly aho tamin’ny farany.

 Tsy andriko ny fotoana hianarana. Nofakafakaiko tsara ny zava-drehetra, ary nampiasa Baiboly karazany telo aho mba hanaporofoana fa nampianatra ny marina ny Vavolombelona. Tsy ela dia takatro fa diso ny zavatra nampianarina ahy nandritra ny taona maro. Tena tsy nitovy ny zavatra ninoako taloha sy izay nianarako tao amin’ny Baiboly, ka nikorontana ny saiko. Toy ny hoe nanongotra hazo iray efa lalim-paka aho tamin’izay.

Tsapako hoe nahita harena sarobidy aho

Narary mafy ilay vadiko faharoa ary maty. Nisotro ronono aho tamin’izay, ary niala kely teto Bilbao. Nifindra koa i Juan sy Maite. Tsy nitohy intsony ny fianarako Baiboly. Tsapako anefa hoe nahita harena sarobidy aho, ary tsy hadinoko mihitsy izany.

Niverina teto Bilbao i Juan sy Maite, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’izaho 82 taona. Nitsidika ahy izy ireo, ary faly aho nihaona taminy. Takatro fa tsy nanadino ahy i Jehovah, ka nianatra indray aho. Nanam-paharetana i Juan sy Maite, satria matetika no fanontaniana nitovy foana no napetrako tamin’izy ireo. Tiako ho re foana mantsy ireo fanazavana ara-baiboly mba hahatonga ahy tsy hiraiki-po intsony amin’ny zavatra ninoako taloha. Te ho ampy fahaizana koa aho mba hitoriako amin’ny namako sy ny havako.

Ela ny ela ka natao batisa aho, tamin’izaho 87 taona, ary izany no fotoana nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainako. Nisy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay. Nanao lahateny ho anay hatao batisa ny anti-panahy iray. Nirotsaka ny ranomasoko, satria toy ny hoe i Jehovah mihitsy no niresaka tamiko. Vavolombelona maro no tonga niarahaba ahy taorian’ny batisako, nefa mbola tsy nahita ahy akory ny ankamaroany talohan’io.

NY SOA NORAISIKO:

Efa fantatro foana fa i Jesosy Kristy no “lalana.” (Jaona 14:6) Ny fianarako Baiboly anefa no nahalalako an’i Jehovah, ilay itarihan’i Jesosy antsika. Toy ny Raiko sy Namako izao no fiheverako an’i Jehovah rehefa mivavaka aminy aho. Nanova ny fiainako koa ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. * Voavakiko tao anatin’ny indray alina izy io, tamin’ny vao azoko. Nanohina ny foko ny nahita fa be famindram-po i Jehovah.

Rehefa misaintsaina ny fotoana lava be nitadiavako ny fahamarinana aho, dia tsaroako ny tenin’i Jesosy hoe: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.” (Matio 7:7) Hitako ihany ny valin’ireo fanontaniako, ary faly aho mizara izany amin’ny hafa.

Efa 90 taona aho izao, nefa vao zazavao amin’ny fahamarinana. Tena tiako ny fivoriana tsirairay, satria sady andraisako fahalalana sarobidy no ahafahako mifandray amin’ireo ranadahy sy rahavavy. Mbola te hiverina ho mpampianatra indray aho ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Apokalypsy 21:3, 4) Tsy andriko ny fotoana hihaonako indray amin’ireo olona tiako efa nodimandry, sy hampianarana azy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:15) Tiako hohazavaina amin’izy ireo mantsy fa nanome ahy harena sarobidy i Jehovah, tamin’izaho efa antitra.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.