Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Te ho Lasa Mompera Aho”

“Te ho Lasa Mompera Aho”
  • TERAKA: 1957

  • FIRENENA: MEKSIKA

  • FIAINANY TALOHA: NIANATRA TANY AMIN’NY SEMINERA; NAHERY SETRA

NY FIAINAKO TALOHA:

Tany amin’ny tanàna kely atao hoe Texcoco aho no teraka. Mbola lalan-tany feno vovoka ny ankamaroan’ny lalana tamin’izany. Matetika ny olona avy eny amin’ireo tanàna teny akaikinay no nandalo teny, nitondra ampondra feno entana hamidy tany an-tanàn-dehibe. Sivy mianadahy izahay ary izaho no fahafito. Nahantra kely izahay ary mpanao kiraro ny dadanay. Vao fito taona aho dia efa maty izy, ka i Neny irery no nifofotra namelona anay.

Saika ny havanay rehetra no nahay nitendry zavamaneno. Mpitendry lokanga ny dadabenay sady mpibaiko orkesitra mpanao hiram-pivavahana. Mpihira tamin’ny tantara an-tsehatra sady mpitendry piano ny dadatoanay. Mpihira tany am-piangonana koa i Neny. Katolika hiringiriny izahay. Mpiserivy lamesa aho ary ny ho lasa misionera katolika no mba faniriako. Tena tia nijery filma karate koa anefa aho, ka arakaraka ny nijereko an’izany no nahatonga ahy hahery setra.

Nianatra tany amin’ny sekolim-pinoana tany Puebla aho. Mitovy amin’ny seminera na sekoly fiofanana ho mompera izy io. Te ho lasa mompera mantsy aho tamin’izany. Diso fanantenana tamin’ny Fivavahana Katolika anefa aho rehefa hifaramparana ny fianarako. Nisy masera tanora iray izay mantsy nanadaladala sy nitaona ahy foana hanao firaisana taminy. Vitako ihany ny nanohitra azy, nefa lasa te hanambady aho vokatr’izany. Hitako tamin’ny fomba fiainan’ny mompera sasany koa fa nihatsaravelatsihy fotsiny izy ireo. Tsy te ho lasa mompera intsony àry aho.

Mpiserivy lamesa aho ary ny ho lasa misionera katolika no mba faniriako. Tena tia nijery filma karate koa anefa aho, ka lasa nahery setra

 Lasa nianatra tany amin’ny Sekolim-panjakana Fianarana Mozika tany Mexico aho. Rehefa nahazo diplaoma aho dia nanambady, ary niteraka efatra mianadahy izahay taorian’izay. Nihira tany am-piangonana aho rehefa Lamesa, mba hamelomako ny vady aman-janako.

Vao niandoha dia efa nikorontana ny tokantranonay. Samy nahery setra izahay mivady satria samy saro-piaro loatra. Nifanao vava be fotsiny aloha izahay tamin’ny voalohany, dia nifamono mihitsy avy eo. Nisara-toerana izahay, 13 taona tatỳ aoriana, ary nisaraka mihitsy tamin’ny farany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho talohan’ny nisarahanay mivady. Nitsidika anay ry zareo ary nanasa anay hianatra Baiboly. Nieritreritra aho fa efa tena nahafantatra momba ny fivavahana, ka nataoko izay hanaporofoana hoe diso ry zareo. Nametraka fanontaniana sarotra be aho ary nanantena hoe tsy hahita havaly ry zareo. Gaga be anefa aho fa voavaliny tsara avy tao amin’ny Baiboly foana izay nanontaniako. Lasa tsapako fa hay kely ihany ny zavatra fantatro. Nasiaka be tamin’ireo mpitory anefa ny vadiko, moa izaho koa be atao be ka tsy nitohy intsony ny resakay.

Niara-nipetraka tamin’ny vehivavy iray atao hoe Elvira aho, dimy taona tatỳ aoriana. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray aho. Tsy nanakana azy ireo i Elvira ka afaka nianatra Baiboly tsy tapaka aho. Aman-taonany anefa aho vao nahavita niova.

Takatro fa be dia be mihitsy ny zavatra nila novako raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo aho. Tsy maintsy niala tamin’ny asako aho, izany hoe tsy nihira tamin’ny Lamesa intsony. (Apokalypsy 18:4) Tsy maintsy nitady asa hafa àry aho mba hamelomako ny fianakaviako. Nila nisoratra ara-dalàna koa izahay sy Elvira.

Anisan’ny tena sarotra indrindra tamiko ny nanova ny toetrako. Mora tezitra be mantsy aho sady nahery setra. Tena nanampy ahy anefa ny Salamo 11:5, izay milaza fa halan’i Jehovah ny herisetra. Hoatr’izany koa ny 1 Petera 3:7. Voalaza ao fa tokony hanome voninahitra ny vadiko aho raha tiako hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko. Nisaintsaina an’ireo andininy ireo aho sady nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy ahy, ka vitako ny nifehy tena tsikelikely.

Nianarako tao amin’ny Baiboly fa tokony hanome voninahitra ny vadiko aho raha tiako hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko

NY SOA NORAISIKO:

Sambatra izao ny fianakaviako! Miezaka mifandray tsara indray amin’ireo zanako lahy tamin’ilay vadiko voalohany aho. Miezaka manampy ny ankohonako amin’izao koa aho mba hanam-pinoana matanjaka foana izy ireo.

Te ho lasa mompera aho tamin’izaho mbola kely, sady te hanampy olona. Izao vao tsapako hoe tena misy dikany ny fiainako. Mampianatra mozika aho mba hamelomako ny fianakaviako. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanam-paharetana tamiko izy, ka navelany hiova aho mba ho lasa tsara toetra kokoa!