Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOROHEVITRA HAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA

Renikely ve Ianao sa Nanambady Indray ny Vadinao?

Renikely ve Ianao sa Nanambady Indray ny Vadinao?

MARGARET, * RENIKELY ANY AOSTRALIA: “Notenenin’ny reniny ny zana-badiko mba tsy hihaino an’izay lazaiko mihitsy, na dia ohatra aza ilay izy ka zavatra tsy dia manao ahoana hoatran’ny hoe ‘Aza hadino ny miborosy nify.’ ” Tsapan’i Margaret fa lasa nanimba ny fifandraisan’izy mivady izany.

Manana olana hafa mihitsy matetika ny fianakaviana misy raikely na renikely. * Mila mifanaraka tsara amin’ny renin’ny zana-badiny, ohatra, ny renikely hoe rehefa inona ilay zaza no hiaraka amin’ny reniny. Mila ifanarahan’izy ireo tsara koa ny resaka fitaizana sy vola fanampiana. Sahirana koa angamba ny namana sy ny havana satria mbola tsy zatra an’ilay fianakaviana vaovao. Misy torohevitra afaka manampy ny fianakaviana toy izany ao amin’ny Baiboly.

1. FIFANDRAISANA AMIN’NY TENA RENIN’ILAY ZAZA

Hoy i Judith, renikely any Namibia: “Nilaza tamin’ny zana-badiko ny renin’izy ireo, indray mandeha, hoe vadin’ny dadan’izy ireo tatỳ aoriana fotsiny aho, ka tsy ho iray tam-po amin’izy ireo izay zaza haterakay.  Nampalahelo ahy izany satria tena tiako hoatran’ny zanaka naterako mihitsy ny zana-badiko.”

Milaza ny manam-pahaizana fa henjana be sady mety hampisara-bazana an’ilay fianakaviana misy raikely na renikely ny fifandraisana amin’ny tena ray na reny. Ny reny sy ny renikely matetika no tena tsy mahay mifandray. Inona àry no vahaolana?

Vahaolana: Mahaiza mandanjalanja. Mety halahelo be ny zanakao raha tsy avelanao hifandray mihitsy izy sy ny reniny. * Hafa mihitsy mantsy ny reny “niteraka” azy. (Ohabolana 23:22, 25) Raha avelanao hidikiditra be loatra amin’ny fiainanareo koa anefa ny vadinao taloha, dia mety hahasorena na hampahatezitra an’ilay vadinao amin’izao izany. Mahaiza àry mandanjalanja. Arovy ny tokantranonao nefa koa miezaha hifanaraka tsara foana, araka izay azo atao, amin’ilay vadinao taloha.

SOSO-KEVITRA HO AN’NY RAY AMAN-DRENY NITERAKA

  • Izay ilain’ny zanakareo resahina rehefa miresaka amin’ny vadinao taloha, fa aza dia miresaka zavatra hafa. Azonao iangaviana, ohatra, izy raha mba azo faritana tsara ny fotoana iantsoany azy ireo amin’ny telefaonina, ary atao mandritra ny andro izany. Tsara kokoa mantsy izany noho ny hoe miantso tampotampoka na alina loatra.

  • Ahoana indray raha tsy ianao no mahazo alalana hitaiza ny zanakao? Afaka mitelefaonina ianao, na manoratra taratasy, na mandefa SMS na e-mail, mba hifandraisana foana amin’izy ireo. (Deoteronomia 6:6, 7) Misy aza mifankahita sy miresaka mivantana amin’ny alalan’ny Internet mihitsy. Mety tsy hampoizinao akory fa hahafantatra kokoa izay ilain’ny zanakao sy ny olana mahazo azy ianao, ka ho afaka hanoro hevitra azy.

SOSO-KEVITRA HO AN’NY RENIKELY

  • “Miaraha ory” amin’ny renin’ilay zaza ka ataovy fantany fa tsy hoe mitady hisolo toerana azy akory ianao. (1 Petera 3:8) Rehefa any aminao ny zanany, dia ampahafantaro an’ilay reniny hoe manao ahoana izy ireo. Izay zavatra tsara foana anefa tantaraina. (Ohabolana 16:24) Mangataha soso-kevitra any aminy ary isaory izy rehefa manoro hevitra anao.

  • Aza dia mampiseho be loatra ny fitiavanao an’ilay zaza rehefa eo ny reniny. Hoy i Beverly, renikely any Etazonia: “Te hiantso ahy hoe Neny ny zana-badiko. Nifanaraka izahay hoe afaka manao an’izany ry zareo rehefa ato an-tranonay, fa tsy manao an’izany kosa rehefa miaraka amin’i Jane, maman-dry zareo, na ny fianakaviany. Lasa nifandray tsara kokoa izahay sy Jane taorian’izay. Niara-nikarakara ny ankizy mihitsy aza izahay rehefa nisy fampisehoana tantara sy fitsangantsanganana tany am-pianaran-dry zareo.”

Tsy hampoizinao akory fa mety ho afaka hanoro hevitra ny zanakao ihany ianao

SOSO-KEVITRA HANAMPY NY RAY AMAN-DRENY ROA TONTA HIFANDRAY TSARA

    Hifandray tsara foana ianareo raha mifanaja sy samy mahalala fomba

  • Aza manaratsy an’izay ray aman-dreny tsy eo. Mora mantsy ny manao an’izany, nefa mety hampikorontan-tsaina an’ilay zaza izany raha henony. Sady tsy hainao koa raha hisy hitatitra any amin’ilay nofosainao ny zavatra nolazainao. (Mpitoriteny 10:20) Raha mitantara aminao ilay zaza hoe nanaratsy anao ny reniny na ny renikeliny, dia izay tsapan’ilay zaza ifantohana. Afaka milaza, ohatra, ianao hoe: “Izany ve no  henonao? Mampalahelo izany! Tezitra tamiko ange ny mamanao e! Dia ny olona indraindray rehefa tezitra dia miteny zavatra tsy tokony hotenenina.”

  • Ezaho ampitovina ny fitaizana sy ny fitsipika ampiharinareo ray aman-dreny roa tonta. Raha tsy mety izany, dia hazavao amin’ilay zaza hoe nahoana no tsy mitovy ilay izy. Aza manambany an’ilay reny na renikely anefa rehefa manao izany. Ity misy ohatra:

    Renikely: Mba ahantòny azafady io servieta mando io ry Tsinjo a!

    Tsinjo: Avelanay amin’ny tany ireny rehefa any amin’ny neninay dia izy ihany no manantona azy.

    Renikely (tezitra be): Ampianariny ho kamo velona fotsiny ianareo.

    Tsy tokony ho izao ve no tsara kokoa hamaliana an’izany?

    Renikely (tony): Ay! Fa atỳ a! Samy manantona ny azy isika.

  • Raha hanao fandaharam-potoana iarahanareo mianakavy ianareo, dia aza amin’ny fotoana tokony hiarahan’ilay ankizy amin’ny reniny no manao an’izany. (Matio 7:12) Raha tsy azo ovana anefa ilay fandaharam-potoana, dia mierà aloha amin’ilay reniny izay vao miresaka an’ilay izy amin’ny ankizy.

ANDRAMO IZAO: Na renikely ianao na reny niteraka, dia izao atao rehefa tafahaona ianareo:

  1. Jereo tsara eo amin’ny masony izy ary mitsikia. Aza misento na mangarika na manao fihetsika hafahafa mampiseho hoe tsy miraharaha azy ianao.

  2. Arahabao tsara izy. Tonony mihitsy aza ny anarany raha azo atao izany.

  3. Ampandraiso anjara amin’ny resaka izy raha maromaro ianareo no tafaraka.

2. FIFANDRAISANA AMIN’NY ZANA-BADY EFA LEHIBE

Milaza ny boky Ady Amin’ny Zana-bady (anglisy) fa nisy vehivavy iray nitaraina hoe miandany amin’ny zanany foana matetika ny vadiny, sady tsy mety manaiky hoe ratsy fanahy aminy izy ireo. Hoy izy: “Vao mainka tezitra be mihitsy aho.” Inona àry no azonao atao mba tsy hanakorontana ny tokantranonao ny fifandraisana amin’ny zana-bady efa lehibe?

Vahaolana: Mahaiza miara-miory. Hoy ny 1 Korintianina 10:24: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” Ezaho fantarina hoe inona no tsapan’ny zana-badinao efa lehibe. Mety hatahotra, ohatra, izy ireo sao tsy ho tian’ny rainy na ny reniny intsony. Na mety hieritreritra izy ireo hoe raha mifandray tsara amin’ny renikeliny izy dia toy ny hoe mamadika an’ilay reniny. Mety hatahotra koa ny ray aman-dreny sao heverin’ilay zanany fa manilikilika azy izy raha mibedy azy.

Aza teren-ko masaka hoatran’ny voalobo-jaza ny fifandraisanao sy ny zana-badinao, fa avelao handeha ho azy. Tsy mety mantsy raha terenao ho tia anao izy. (Tononkiran’i Solomona 8:4) Aza manantena be àry hoe vetivety dia ho lasa mpinamana be ianareo.

Aza avoaka daholo izay ao am-ponao sy izay ao an-tsainao, na dia anaovany ratsy aza ianao. (Ohabolana 29:11) Sarotra ny mifehy ny vava, ka mivavaha hoatran’i Davida, mpanjakan’ny Israely, hoe: “Ambeno ny vavako, Jehovah ô! Ary asio mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotro.”—Salamo 141:3.

Mety ho ao amin’ny trano nahalehibe ny zana-badinao hatramin’izay ihany ianareo no hipetraka. Aza manovaova zavatra be ao àry, indrindra fa ny ao amin’ny efitranony. Mety ho efa miraiki-po be amin’ilay trano mantsy izy. Azo atao koa anefa ny mifindra trano.

 ANDRAMO IZAO: Raha tsy mahalala fomba mihitsy sady tsy manaja anao ny zana-badinao efa lehibe ka tsy mety miova, dia resaho amin’ny vadinao ny fihetseham-ponao. Henoy tsara izay lazainy. Aza terena hanafay ny zanany izy. Miezaha kosa mba ho samy hahatakatra ny fihetseham-pon’ny andaniny sy ny ankilany. Raha vao ‘mifanara-tsaina’ ianareo, dia afaka miara-miasa mba hanatsara ny zava-misy.—2 Korintianina 13:11.

Aza miangatra fa asehoy hoe tia ny ankizy rehetra ao an-trano ianao

3. FIFANDRAISANA AMIN’NY HAVANA SY NAMANA

Hoy i Marion, renikely any Kanada: “Manome fanomezana ho an’ny zanako foana ny ray aman-dreniko, fa tsy mba manome ho an’ny zana-badiko. Matetika izahay no manonitra an’izany ka mividy zavatra ho azy ireo. Indraindray anefa izahay tsy manam-bola.”

Vahaolana: Izay hahasoa an’ilay fianakavianao vaovao foana aloha imasoana. Lazao amin’ny havanao sy ny namanao hoe manana adidy amin’ny fianakavianao vaovao ianao. (1 Timoty 5:8) Marina fa tsy afaka hanantena ianao hoe tonga dia ho tia be an’ilay fianakavianao vaovao ny havanareo sy ny namanareo rehetra. Azonao iangaviana anefa izy ireo mba hahalala fomba sy tsy hiangatra. Hazavao hoe halahelo be mihitsy ny ankizy raha ailikilika sy tsy raharahaina.

Avelao hifandray amin’ny zanakao ny dadabe sy bebeny avy amin’ilay vadinao voalohany. Hoy i Susan, reny any Angletera: “Nanambady indray aho herintaona sy tapany taorian’ny nahafatesan’ny vadiko. Tsy nety zatra an’ilay vadiko ny ray aman-drenin’ilay vadiko taloha. Nihatsara anefa izany rehefa nasainay nifanerasera taminay kokoa ry zareo. Nasainay nitelefaonina azy ireo koa ny zafikeliny, ary isaoranay ry zareo rehefa manampy anay.”

ANDRAMO IZAO: Fantaro hoe iza avy ny havanareo na namanareo tena sarotra ifandraisana indrindra. Resaho amin’ny vadinao avy eo hoe ahoana no hanatsarana ny fifandraisanareo.

Raha fianakaviana misy raikely na renikely ny anareo, dia mety hampikorontana ny tokantranonareo ny fifandraisana amin’ny hafa. Raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly anefa ianareo, dia handray soa. Hoy ny Ohabolana 24:3: “Fahendrena no ilaina mba hanorenana ny trano, ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy.”

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 4 Ny reny sy ny renikely no tena resahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Mihatra amin’ny ray sy ny raikely koa anefa ny zavatra resahina ato. Misy torohevitra hafa koa ao amin’ilay matoan-dahatsoratra hoe “Afaka ny ho Sambatra ny Fianakaviana Misy Raikely na Renikely” ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2012, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 8 Raha mandrahona na mahery setra ilay vadinao taloha, dia tsara angamba raha feranao kokoa ny fifandraisanareo aminy mba hiarovana ny fianakavianao.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no azoko atao mba hifandray kokoa izaho sy ny renin’ny zana-badiko?

  • Inona no azonay atao mba tsy hanimba ny fifandraisanay mianakavy ny havanay sy ny namanay, na dia tsy fanahy inian’izy ireo aza izany?