Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Izaho Mihitsy no Tian’izy Ireo Hahita ny Marina”

“Izaho Mihitsy no Tian’izy Ireo Hahita ny Marina”
  • TERAKA: 1982
  • FIRENENA: REPOBLIKA DOMINIKANINA
  • FIAINANY TALOHA: MORMON

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Saint-Domingue, any amin’ny Repoblika Dominikanina, aho. Efatra mianadahy izahay ary izaho no faralahy. Avara-pianarana i Dada sy Neny ka tiany raha olona tsara toetra no nifaneraseranay. Nihaona tamina tovolahy misionera mormons ry zareo, efa-taona talohan’ny nahaterahako. Nahafinaritra an-dry Dada ry zareo satria nahalala fomba sady nadio sy nilamina ny paoziny. Tapa-kevitra àry ry Dada fa hivavaka any amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany na Fiangonan’ny Môrmôna. Ny fianakavianay no anisan’ny lasa Mormons voalohany tany aminay.

Tiako be ny zavatra fanaonay tany am-piangonana, rehefa nihalehibe aho. Ny miaraka amin’ny fianakaviana sy ny manaraka fitsipika momba ny fitondran-tena no tena zava-dehibe tamin’ny Mormons ka nanaja an’izany koa aho. Nirehareha erỳ aho fa hoe Mormon, ary te ho lasa misionera.

Nifindra tany Etazonia izahay tamin’izaho 18 taona. Tian’i Dada sy Neny hianatra any amin’ny oniversite tsara kokoa mantsy aho. Tonga namangy anay tany Floride, any Etazonia, ny dadatoa sy nenitoanay herintaona taorian’izay. Vavolombelon’i Jehovah ry zareo, ary nasainy hanatrika fivoriambe niaraka taminy izahay. Gaga be aho tany fa nanaraka tsara tao amin’ny Baiboliny daholo ny olona rehefa nisy andininy novakina, ary nandray naoty. Nangataka stylo sy taratasy koa àry aho ka nanao toa an-dry zareo.

Fantatr’i Dadatoa sy Nenitoa fa te ho lasa misionera aho. Nilaza tamiko àry ry zareo taorian’ilay fivoriambe fa afaka manampy ahy hahafantatra kokoa ny Baiboly. Hitako hoe hevitra tsara izany. Ny Bokin’i Môrmôna mantsy no fampiasanay kokoa noho ny Baiboly.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Tamin’ny telefaonina izaho sy Dadatoa sy Nenitoa no niresadresaka Baiboly. Nampirisihin’izy ireo foana aho mba hampitaha ny zavatra  inoako tamin’izay lazain’ny Baiboly. Izaho mihitsy no tian’izy ireo hahita ny marina voalaza ao.

Be dia be ny zavatra inoan’ny Mormons nekeko, nefa tsy azoko antoka hoe mifanaraka amin’ny Baiboly. Nandefasan’i Nenitoa Mifohaza! 8 Novambra 1995 aho. Gazety navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary misy lahatsoratra momba ny zavatra inoan’ny Mormons ao. Gaga be aho fa hay be dia be ny fampianaran’ny Mormons mbola tsy fantatro. Nikaroka tao amin’ny Internet tao amin’ny tranonkala ofisialin-dry zareo àry aho, ka hitako hoe tsy mandainga ilay Mifohaza! Nitsidika ny tranombakoky ny Mormons any Utah, any Etazonia, koa aho ary vao mainka nanamarina izay voalazan’ilay gazety ny zavatra hitako.

Nino foana aho hatramin’izay fa tsy mifanohitra ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa tena nandinika ny Baiboly anefa aho, dia nahita fa misy zavatra ampianarin’ny Mormons tsy mifanaraka amin’izay voalaza ao. Milaza, ohatra, ny Baiboly ao amin’ny Ezekiela 18:4 fa mety maty ny fanahy. Hoy anefa ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny Almà 42:9: “Tsy mety maty na oviana na oviana ny fanahy.”

Tsy ny fampianaran’ny Mormons ihany anefa no nanahiran-tsaina ahy, fa ry zareo nanindrahindra firenena koa. Ampianarina azy ireo, ohatra, fa tany Jackson, any Missouri, Etazonia, no nisy ny zaridainan’i Edena. Milaza koa ny mpitondra fivavahana fa ny fitondram-panjakana amerikanina no hampiasain’Andriamanitra hitondra ny tany manontolo.

Nieritreritra àry aho hoe: ‘Raha izany tokoa no hitranga, dia ahoana ny amin’ny firenena niaviako sy ny firenena hafa?’ Nitelefaonina ahy, indray hariva, ny ankizilahy iray mormon niofana ho misionera, ka noresahiko taminy izany. Nanontaniako tsara izy raha vonona hiady amin’ny Mormons hafa firenena aminy, raha toa ka miady ny firenen-dry zareo. Gaga be aho fa nilaza izy hoe vonona! Nandalina kokoa ny fampianaran’ny Mormons aho ary nanontanintany mpitondra fivavahana mormons. Nilaza izy ireo hoe mistery, hono, ny valin’ny fanontaniako, fa ho voavaly ihany indray andro any.

Tsy nahafa-po ahy ny valin-tenin-dry zareo. Nieritreritra tsara ny momba ahy àry aho ary nodinihiko ny tena antony nitiavako an’ilay hoe hanao misionera. Tonga saina aho tamin’izay hoe hay aho te hanao asa fanasoavana sy te hohajain’ny olona fotsiny. Fa raha ny momba an’Andriamanitra, dia zara raha misy fantatro ny aminy. Efa imbetsaka aho taloha no namaky Baiboly, nefa tsy tena nihevitra azy io ho sarobidy. Tsy fantatro akory aza izay kasain’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona.

NY SOA NORAISIKO:

Nahafantatra zavatra be dia be aho rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro, ohatra, ny anaran’Andriamanitra sy izay hataon’i Jesosy mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Haiko koa hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Lasa zatra mampiasa Baiboly aho izao ary tiako ny miresaka amin’ny hafa izay nianarako. Efa fantatro hatramin’izay fa misy Andriamanitra, fa izao aho vao afaka miresaka aminy toy ny namako akaiky indrindra. Natao batisa aho tamin’ny 12 Jolay 2004 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Lasa mpitory manontolo andro aho enim-bolana taorian’izay.

Niasa tao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn any New York aho, nandritra ny dimy taona. Tena faly aho satria nanampy tamin’ny famokarana Baiboly sy boky manazava Baiboly, izay mitondra soa ho an’ny olona an-tapitrisany eran-tany. Faly koa aho fa mbola afaka manampy olona maro hianatra momba an’Andriamanitra.