Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Nisy mpanoratra Baiboly maromaro nasain’Andriamanitra nanoratra tsipiriany momba an’ilay ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoatran’ny ahoana io Mpitondra io?

  • Nofidin’Andriamanitra. “Izaho efa nametraka ny mpanjakako. ... Ireo firenena ... homeko ho lovanao, ary ny vazan-tany efatra ... homeko ho fanananao.”​—Salamo 2:6, 8.

  • Mpandova ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka. “Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika ... Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana, eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io.”​—Isaia 9:6, 7.

  • Teraka tao Betlehema. “Ary ianao, ry Betlehema ... avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra ... ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny fahefany.”​—Mika 5:2, 4.

  • Nolavin’ny olona sy novonoina ho faty. “Natao tsinontsinona izy, ary nohamavoinay. Notrobarana noho ny helokay ... izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoanay.”​—Isaia 53:3, 5.

  • Natsangana tamin’ny maty ary nomem-boninahitra. “Tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana aho. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika. ... Fahafinaretana no eo ankavananao, mandrakizay.”​—Salamo 16:10, 11.

I Jesosy Kristy no Mpanjaka Tsara Indrindra

Olona iray ihany hatramin’izay no nahafeno an’ireo fepetra ireo. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Izao mihitsy aza no nolazain’ny anjely iray tamin’i Maria renin’i Jesosy: “Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. ... Ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”​—Lioka 1:31-33.

Tsy lasa mpitondra teto an-tany mihitsy i Jesosy. Avy any an-danitra kosa io Mpanjaka io no hitondra ny olombelona. Nahoana izy no Mpitondra tsara indrindra? Diniho ny zavatra nataony tamin’izy tetỳ an-tany.

  • Niahy ny olona i Jesosy. Nanampy ny karazan’olona rehetra izy, na lahy na vavy, na antitra na tanora, na nanan-karena na nahantra. (Matio 9:36; Marka 10:16) Nisy boka nitalaho taminy, ohatra, indray mandeha hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Nangoraka azy i Jesosy ka nanasitrana azy.​—Marka 1:40-42.

  • Natorony antsika izay tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Nampirisika koa izy hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ Nampianatra koa izy fa tsy izay ataontsika ihany no hitan’Andriamanitra, fa fantany koa ny eritreritsika sy izay any am-pontsika any. Mila fehezintsika àry izay any am-pontsika lalina any, raha te hampifaly an’Andriamanitra isika. (Matio 5:28; 6:24; 7:12) Natorony koa hoe tena ho sambatra isika raha miezaka hahafantatra an’izay tian’Andriamanitra hataontsika, ary manao an’ilay izy.​—Lioka 11:28.

  • Nampianariny ho tia ny hafa isika. Tena nanohina ny fon’ny olona ny zavatra nataon’i Jesosy sy nolazainy. Milaza ny Matio 7:28, 29 hoe: “Nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany. Nampianatra azy toy ny manana fahefana mantsy izy.” Nampianatra azy ireo koa i Jesosy hoe: “Tiavo ... ny fahavalonareo.” Nivavaka ho an’ireo tompon’andraikitra tamin’ny famonoana azy mihitsy aza izy. Nilaza izy hoe: “Ray ô, mamelà azy ireo, fa tsy fantany izay ataony.”​—Matio 5:44; Lioka 23:34.

I Jesosy àry no Mpitondra tsara indrindra ho an’ny olombelona. Tia manampy olona izy sady tsara fanahy. Rahoviana anefa izy no hanomboka hitondra?