Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampianaro Hanetry Tena ny Zanakao

Ampianaro Hanetry Tena ny Zanakao

OLANA

  • Manambony tena be ny zanakao nefa vao folo taona!

  • Tiany hanindrahindra azy ny olon-drehetra.

Lasa saina ianao hoe: ‘Fa maninona àry ity zaza ity no manao hoatr’izany? Tiako izy raha mba matoky tena, fa tsy hieritreritra hoe tsara kokoa noho ny hafa!’

Azo ampianarina hanetry tena ve ny ankizy, nefa tsy hahatsiaro ho tsy misy vidiny?

TSARA HO FANTATRAO

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nampirisihina ny ray aman-dreny mba hanaraka ny sitrapon-janany, handokadoka azy, ary tsy hanasazy na hanafay azy. Amin’izay, hono, lasa matoky tena ny ankizy rehefa mihalehibe. Inona anefa no vokany? Hoy ny boky Taranaka Tia Tena (anglisy): “Tsy ankizy sambatra sy mahay miatrika ny fiainana no hitantsika, fa ankizy be dia be mirehareha sy manambony tena.”

Maro amin’ny ankizy nodokadokafana no lasa tsy mahay izay tokony hatao rehefa diso fanantenana izy, na manao zavatra tsy mety, na misy manakiana. Nampianarina hanao izay tiany foana izy, ka lasa sarotra aminy ny manana tena namana rehefa lehibe. Lasa manahy be loatra sy kivy be àry ny ankamaroany.

Ho tsapan’ny zanakao hoe tena misy vidiny izy raha derainao noho ny zava-bitany, fa tsy hoe dokadokafanao foana. Tsy hoe mila matoky tena fotsiny izy fa mila miana-javatra koa, mampihatra izay ianarany, ary manatsara ny fahaizany. (Ohabolana 22:29) Mila mieritreritra izay ilain’ny hafa koa izy. (1 Korintianina 10:24) Mila manetry tena anefa izy vao hahavita an’ireo.

INONA NO AZONAO ATAO?

Derao izy rehefa tena mendrika an’izany. Raha nahazo naoty tsara, ohatra, ny zanakao vavy, dia derao izy. Ary raha ratsy ny naotiny? Aza maika hanome tsiny an’ilay mpampianatra azy. Tsy hanampy ny zanakao hanetry tena mantsy izany. Ampio kosa izy mba hanao tsaratsara kokoa amin’ny manaraka. Rehefa hitanao hoe nahavita zavatra tsara izy vao derao.

Ahitsio izy rehefa ilaina. Tsy hoe hokianinao foana anefa izy isaky ny diso. (Kolosianina 3:21) Tokony hahitsinao kosa izy raha nanao fahadisoana lehibe na manana toe-tsaina ratsy, sao ho lasa raiki-tampisaka ao aminy izany.

Aoka hatao hoe dedadedaka ny zanakao lahy isaky ny mahavita zavatra. Raha tsy voahitsy izy, dia mety hirehareha foana ka hihatakatahan’ny olona. Hazavao aminy àry fa ho menatra sy ho afa-baraka izy raha mirehareha. (Ohabolana 27:2) Hazavao aminy koa fa tsy hampideradera fahaizana amin’ny hafa ny olona iray, raha tsy mihevi-tena ho zavatra loatra. Ahitsio amim-pitiavana izy. Hanampy azy hanetry tena izany, nefa tsy hahatonga azy hieritreritra hoe tsy misy ilana azy izy.—Toro lalana: Matio 23:12.

Ampio hiatrika ny fiainana ny zanakao. Raha arahinao foana ny sitrapon’ny zanakao, dia mety hieritreritra izy hoe tokony ho azony daholo izay angatahiny. Mety hangataka zavatra lafo be, ohatra, izy. Hazavao aminy àry hoe nahoana no tsy mety ny mividy zavatra tsy takatry ny vola. Ary ahoana raha tsy nandeha nitsangantsangana na nanao vakansy indray ianareo? Hazavao aminy hoe mety ho diso fanantenana isika indraindray. Azonao resahina koa izay nataonao tamin’ny ianao diso fanantenana. Avelao hiatrika olana izy indraindray. Hanampy azy izany rehefa lasa olon-dehibe izy.—Toro lalana: Ohabolana 29:21.

Ampirisiho izy mba halala-tanana. Asehoy azy fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Amin’ny fomba ahoana? Manaova lisitra miaraka aminy ary soraty ao ny anaran’ny olona mila alaina na aterina, ampiana hiantsena, na manan-javatra simba mila amboarina. Ento miaraka aminao izy rehefa manampy ny sasany amin’izy ireny ianao. Ho hitany amin’izay hoe faly sy afa-po ianao rehefa mikarakara izay ilain’ny hafa. Tena hanampy azy hanetry tena ny modely omenao.—Toro lalana: Lioka 6:38.