Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampianaro Hankatò ny Zanakao

Ampianaro Hankatò ny Zanakao

OLANA

Miady foana ianao sy ny zanakao efa-taona hoe ny sitrapon’iza no harahina, ary hoatran’ny izy foana no mandresy.

  • Rehefa asainao manao zavatra tsy tiany izy, dia mody fanina.

  • Rehefa tsy avelanao manao ny zavatra tiany izy, dia mila vaniny.

Lasa ny sainao hoe: ‘Zavatra mandalo ihany ve izao? Mety mbola hiova ve izy?’

Afaka manampy ny zanakao hankatò ianao. Hojerentsika anefa aloha ny antony mety hahatonga azy ho mafy loha.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Tsy maintsy nikarakara ny zanakao ianao tamin’izy vao teraka, ary nataonao daholo izay tiany. Raha vao nikonetaka izy dia iny ianao fa nihazakazaka nanome izay nilainy. Ara-dalàna raha nanao izany ianao. Mila ny fikarakaran’ny ray aman-dreniny foana mantsy ny zazakely.

Efa amam-bolana maro ilay zaza no nozarina an’izany, ka tsy mahagaga raha mieritreritra izy hoe izy no sefo fa ny ray aman-dreniny no mpiasa manatanteraka ny baikony. Rehefa roa taona eo ho eo anefa izy, dia tonga saina hoe very ilay “fahefana” kely nananany. Tsy manaraka ny baikony intsony ny ray aman-dreniny, fa izy no asaina manaraka ny baikon’izy ireo. Mafy be ho an’ny ankizy izany, ka mila vaniny ny sasany. Misy indray mitsapa ny fahefan’ny ray aman-dreniny ka tsy mety mankatò.

Amin’izay fotoana izay ny ray aman-dreny no mila mandray ny andraikiny. Tokony hasehony fa manana fahefana izy, ka ataony mazava tsara hoe inona no tiany hataon’ilay zanany. Ahoana anefa raha tsy mety mankatò ilay ankizy?

INONA NO AZONAO ATAO?

Asehoy hoe manana fahefana ianao. Tsy hanaiky ny fahefanao ny zanakao raha tsy asehonao hoe manana an’izany ianao. Mila mahay mandanjalanja anefa ianao. Tato ho ato, dia nanao izay tsy hitiavan’ny olona an’ilay teny hoe “fahefana” ireo milaza azy ho manam-pahaizana. Misy aza milaza fa tsy tokony hanana fahefana ny ray aman-dreny. Raha avela hanaram-po anefa ny ankizy, dia tsy hahita ny lalan-kizorany sady hanao izay tiany. Tsy hahay handray andraikitra mihitsy izy rehefa lehibe.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 29:15.

Fehezo izy. Milaza ny diksionera iray fa ny hoe fifehezana dia “fampiofanana olona iray hankatò sy hifehy tena. Matetika no misy fitsipika apetraka amin’ilay izy, ary misy sazy koa ho an’izay tsy mankatò.” Mazava ho azy fa tsy tokony ho tafahoatra ny fifehezana ny ankizy, nefa koa tsy tokony ho goragora. Tsy hiova akory mantsy izy raha izany no ataonao.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 23:13.

Ataovy mazava ny teninao. Tsy miteny mivantana ny ray aman-dreny sasany rehefa te hampanao zavatra an-janany. (Ohatra hoe: “Tsara izao raha mba voampirinao io trano io.”) Mety hieritreritra izy ireo hoe mahalala fomba raha manao an’izany. Lasa toy ny hoe tsy manana fahefana anefa izy ireo, fa ilay zanaka indray no manapa-kevitra raha hanao an’ilay zavatra ampanaovina azy na tsia. Asehoy àry fa manana fahefana ianao ka ataovy mazava ny teninao.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 14:9.

Aoka ianao ho hentitra. Raha efa niteny ianao hoe tsia, dia tano hatramin’ny farany izany, ary ataovy azo antoka hoe mitovy hevitra ianareo mivady. Ampiharo ny sazy efa noeritreretinao hatao amin’ny zanakao raha tsy mankatò izy. Aza mora milefitra na mandany andro manazava ny antony nandraisanao fanapahan-kevitra iray. Tsy ho sahirana ianao sy ny zanakao, raha ampiharinao ilay hoe “rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Jakoba 5:12.

Aoka ianao ho be fitiavana. Tsy tokony havelanao hanao izay tiany ny zanakao, nefa tsy mety koa raha manao didy jadona ianao. I Jehovah mantsy no namorona ny fianakaviana, ary tiany raha be fitiavana ianao rehefa manampy ny zanakao ho lasa olon-dehibe matotra. Raha miezaka hifehy ny zanakao ianao rehefa manao an’izany, dia hankatò anao foana izy sady hahatsapa hoe tianao.