Hijery ny anatiny

Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?

Valiny ara-baiboly

 Ahoana no anavahana ny fivavahana marina amin’ny fivavahan-diso? Hoy ny Baiboly: “Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny. Mioty voaloboka na aviavy eny amin’ny tsilo ve ny olona?” (Matio 7:16) Ny voany no mampiavaka ny voaloboka amin’ny voaroy. Hoatr’izany koa ny fivavahana. Ny voany no ahafantarana hoe marina ilay izy sa diso. Ireto àry no mampiavaka ny fivavahana marina:

  1.   Mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly ny fivavahana marina, fa tsy mampianatra hevitr’olombelona. (Jaona 4:24; 17:17) Anisan’izany ny hoe tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona, sy ny hoe ho lasa paradisa ny tany ka ho afaka hiaina mandrakizay ao ny olona. (Salamo 37:29; Isaia 35:5, 6; Salamo 146:4) Tsy matahotra mampiharihary ny fampianaran-diso koa ny fivavahana marina.—Matio 15:9; 23:27, 28.

  2.   Manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra ny fivavahana marina. Ampianariny hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18; Isaia 42:8; Jaona 17:3, 6) Tsy mampianatra ny fivavahana marina hoe tsy takatry ny saina Andriamanitra na hoe tsy miraharaha antsika izy. Ampahafantariny ny olona kosa fa tian’Andriamanitra hifandray aminy isika.—Jakoba 4:8.

  3.   Ampianarin’ny fivavahana marina fa i Jesosy Kristy no nasain’Andriamanitra namonjy antsika. (Asan’ny Apostoly 4:10, 12) Mankatò ny didin’i Jesosy ny mpivavaka ao ary miezaka manahaka azy.—Jaona 13:15; 15:14.

  4.   Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no antenain’ny fivavahana marina hoe hamaha ny olana mahazo ny olombelona. Mazoto mitory momba an’io Fanjakana io ny mpivavaka ao.—Matio 10:7; 24:14.

  5.   Mampirisika ny olona hifankatia ny fivavahana marina. (Jaona 13:35) Mampianatra koa izy io fa tokony hohajaina sy horaisina tsara ny olona rehetra, na inona na inona firazanany, kolontsainy, fiteniny, ary fiaviany. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tia ny olon-drehetra ny mpivavaka ao ka tsy mety mandeha miady.—Mika 4:3; 1 Jaona 3:11, 12.

  6.   Tsy misy mpitondra fivavahana karamaina ao amin’ny fivavahana marina. Tsy misy olona omena anaram-boninahitra miavaka be koa ao.—Matio 23:8-12; 1 Petera 5:2, 3.

  7.   Tsy manao politika mihitsy ny fivavahana marina. (Jaona 17:16; 18:36) Manaja sy mankatò ny fanjakana ao amin’ny tany misy azy anefa ny mpivavaka ao. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara [ny mpitondra fanjakana], fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Marka 12:17; Romanina 13:1, 2.

  8.   Iainana mihitsy ny fivavahana marina, fa tsy fombafomba na fahazarana fotsiny. Mankatò ny toro lalana ao amin’ny Baiboly ny mpivavaka ao, eo amin’ny fiainany manontolo. (Efesianina 5:3-5; 1 Jaona 3:18) Tsy hoe mahatsiaro ho voafehifehy anefa izy ireo amin’izany, fa faly manompo an’ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Timoty 1:11.

  9.   Vitsy ny olona manaraka ny fivavahana marina. (Matio 7:13, 14) Ambanina sy esoina ary enjehina matetika ireo mpivavaka ao, satria manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Matio 5:10-12.

Tsy hoe izay fivavahana mety aminao no atao hoe fivavahana marina

 Mampidi-doza raha hoe izay fivavahana mety aminao ihany no tianao. Efa nilaza ny Baiboly fa ‘hanangona mpampianatra [na mpitondra fivavahana] ho an’ny tenany ny olona, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.’ (2 Timoty 4:3) Mampirisika antsika kosa ny Baiboly mba hanaraka ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika.” Tsy maninona na dia tsy dia tian’ny olona aza ilay fivavahana.—Jakoba 1:27; Jaona 15:18, 19.