Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2

Manetry Tena

Manetry Tena

AHOANA IZANY?

Manaja ny hafa ny olona manetry tena. Tsy manambony tena izy, ary tsy manantena hoe hohajaina be. Mitady izay hahasoa ny hafa kosa izy, ary vonona hiana-javatra avy amin’izy ireo.

Misy mieritreritra hoe kanosa ny olona manetry tena. Be herim-po anefa izy ireo, matoa mahavita miaiky ny fahadisoany sy manaiky hoe voafetra ny zavatra vitany.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

  • Hifandray tsara amin’ny hafa izy. “Mora mahazo namana ny olona manetry tena” sady “mora mifandray amin’ny hafa”, araka ny boky Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy).

  • Hanampy azy izany rehefa any aoriana. Hanampy azy, ohatra, io toetra io rehefa hitady asa izy. Hoy ny Pr. Leonard Sax: “Ho sarotra amin’ny tanora iray ny hahita asa, raha manambony tena izy sady tsy miaiky hoe voafetra ny zavatra vitany. Mety ho voaray kosa izy, raha miezaka hahafantatra tsara an’izay takin’ny mpampiasa.” *

AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?

Ampio izy mba tsy hanambony tena.

TORO LALANA: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.”—Galatianina 6:3.

  • Aza fitahina izy. Te handrisika ny zanany ny ray aman-dreny sasany, dia miteny aminy hoe “ho tanteraka daholo ny nofinofinao” na hoe “ho vitanao daholo izany.” Tsy hoatr’izany mihitsy anefa ny fiainana. Hahomby kokoa ny zanakao raha manana tanjona azo tratrarina sady miezaka mafy hanatratra an’ilay izy.

  • Mitandrema rehefa midera azy. Tsy mampirisika ny zanakao hanetry tena ianao, raha milaza aminy fotsiny hoe “hafa mihitsy” izy. Teneno aminy kosa hoe inona tamin’ny zavatra nataony no nahafaly anao.

  • Fero ny zavatra ataony sy ny fotoana laniny amin’ny tranonkala fifaneraserana. Matetika ny olona no mampidera ny talentany sy ny zava-bitany rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana. Tsy izany mihitsy anefa no atao hoe manetry tena.

  • Ampirisiho izy hiala tsiny haingana. Ampio izy hahita ny tsy mety nataony ary hiaiky ny fahadisoany.

Ampio izy hahay hankasitraka.

TORO LALANA: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”—Kolosianina 3:15.

  • Mankasitraka ny zavaboary. Tokony hianatra hankasitraka ny zavaboary ny ankizy. Tokony ho azony koa hoe tsy ho velona isika raha tsy misy azy ireny. Anisan’izany ny rano sy ny rivotra ary ny sakafo. Ampiasao ireo ohatra ireo mba hanampiana azy ho tia sy hankasitraka ny zavaboary.

  • Mankasitraka ny olona. Hazavao amin’ny zanakao hoe samy manana ny mampiavaka azy ny olona tsirairay. Tsy tokony hialona àry izy, raha misy mahay kokoa na mahavita zavatra tsara kokoa noho izy. Tokony hiana-javatra avy amin’izy ireny kosa izy.

  • Misaotra amin’ny fo. Ampio izy mba tsy hanao tsianjery fotsiny an’ilay hoe “misaotra”, fa mba tena ho vokatry ny fony ilay izy. Hahavita hanetry tena izy raha mahay mankasitraka.

Ampianaro izy hoe mahasoa ny manampy ny hafa.

TORO LALANA: “Aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany. Ary aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:3, 4.

  • Asaivo manao raharaha izy. Inona no hitranga raha tsy ampanaovinao raharaha ny zanakao? Mety hieritreritra izy hoe ny zavatra ataony no zava-dehibe fa tsy ny raharaha ao an-trano. Ny raharaha anefa no zava-dehibe kokoa noho ny kilalao. Hazavao aminy fa manampy ny hafa izy rehefa manao raharaha. Ho faly sy hanaja azy koa ny hafa amin’izay.

  • Ataovy tsapany fa zavatra tsara ny hoe manampy ny hafa. Hahatonga ny zanakao ho matotra izany. Ampio àry izy hijery hoe iza no mila fanampiana, ary inona no azony atao. Derao izy sady ampio rehefa miezaka manampy ny hafa.

^ feh. 8 Nalaina tao amin’ilay boky hoe Tsy Mahay Mitaiza Intsony ny Ray Aman-dreny (anglisy).