Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Evolisiona

Evolisiona

Misy milaza fa nivoatra miandalana ny zavamananaina. Ny hafa indray milaza fa natombok’Andriamanitra fotsiny ny famoronana, dia avy eo navelany hitranga ny evolisiona. Inona no lazain’ny Baiboly?

Mety hifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ilay hoe fipoahana tampoka no nampisy an’izao rehetra izao?

Milaza fotsiny ny Baiboly hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Tsy voalaza hoe ahoana no nanaovany an’izany. Na dia nisy aza ilay fipoahana tampoka dia tsy mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Hita ao amin’ny Genesisy 1:1 kosa hoe iza no nahatonga an’ilay izy.

Mpahay siansa maro no mino fa kisendrasendra fotsiny ilay fipoahana tampoka. Nisy zavatra be dia be niparitaka, hono, taorian’izay, ary ireo no nitambatambatra ho azy dia lasa kintana sy planeta. Tsy manohana an’izany hevitra izany ny Baiboly. Milaza kosa izy io hoe Andriamanitra mihitsy no namorona an’izao rehetra izao, na inona na inona fomba nampiasainy.

“Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”Genesisy 1:1.

Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ilay hoe mety hisy fiovana eo amin’ny zavamananaina rehefa mandeha ny fotoana?

Eny. Milaza ny Baiboly fa namorona zavamananaina “araka ny karazany avy” Andriamanitra. (Genesisy 1:11, 12, 21, 24, 25) Marina fa mety hisy fiovana eo amin’ny karazana zavamananaina iray. Mety ho lasa karazany hafa mihitsy ve anefa ilay izy amin’ny farany? Tsia.

Nandinika an’ireo tsikirity tany amin’ireo Nosy Galápagos, ohatra, ny mpikaroka, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Hitan’izy ireo fa ny tsikirity bebe vava no tsy mora maty rehefa niova ny toetrandro, raha noharina tamin’ireo kelikely vava. Fiovana miandalana ho biby hafa ve izany, sa fiovana eo amin’ny karazany iray fotsiny mba hahafahany hiaina mifanaraka amin’ny zava-misy? Ny tsikirity kelikely vava indray no betsaka, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanatsoaka hevitra àry i Jeffrey Schwartz, mpampianatra siansa, hoe mahatonga ny biby hahazaka ny fiovan’ny toetrandro fotsiny ilay fiovana eo aminy, fa “tsy hoe manome karazany hafa tanteraka.”

Mety hifanaraka amin’ny Baiboly ihany ve ny fampianarana momba ny evolisiona?

Hoy ny Baiboly: ‘Namorona ny zava-drehetra Andriamanitra.’ (Apokalypsy 4:11) Rehefa vita ny famoronana vao “nitsahatra” izy. (Genesisy 2:2) Tsy hoe namorona zavamananaina tsotra kely akory izy, dia avy eo nipetra-potsiny nandritra ny an-tapitrisa taona, ary niandry an’ilay izy hivoatra miandalana ho lasa karazana trondro, dia avy eo rajako, ary olona amin’ny farany. * Tsy azo antsoina hoe Mpamorona izy raha izany no nataony. Milaza anefa ny Baiboly fa Andriamanitra no ‘nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.’—Eksodosy 20:11; Apokalypsy 10:6.

“Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.”Apokalypsy 4:11.

Tsara ho fantatra: Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: ‘Ny toetrany tsy hita maso dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’ (Romanina 1:20) Lasa misy dikany ny fiainanao rehefa mahalala an’Andriamanitra ianao. Hamaly soa an’izay tena mitady azy mantsy izy. (Mpitoriteny 12:13; Hebreo 11:6) Raha mila fanazavana fanampiny, dia midira ao amin’ny www.pr418.com/mg na miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.

^ feh. 12 Tsy milaza ny Baiboly hoe noforonina tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny ny tany. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, pejy 24-27. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.pr418.com/mg.