Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Asa

Asa

Boky efa tranainy be ny Baiboly, nefa tsy mety lany andro ny toro lalana ao anatiny. Mbola mahasoa antsika hatramin’izao ny zavatra resahiny momba ny asa.

Ahoana no tokony hiheverana ny asa?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Ny asanao no tokony hataonao vaindohan-draharaha raha tsy te ho very asa ianao. Izany no mahatonga ny olona sasany ho variana loatra amin’ny asany, ka lasa an-tsirambina ny fianakaviany sy ny fahasalamany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mampirisika antsika hahay handanjalanja ny Baiboly. Resahiny hoe tsara ny mazoto miasa ary ratsy ny kamo miasa. (Ohabolana 6:6-11; 13:4) Tsy mampirisika antsika ho adalan’asa anefa izy io. Resahiny kosa hoe tsara ny maka fotoana hakana aina. Hoy ny Mpitoriteny 4:6: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Tsy tokony ho variana loatra amin’ny asa àry isika, sao lasa an-tsirambina ny fianakaviantsika sy ny fahasalamantsika. Tsy handray soa isika raha mamono tena amin’ny asa.

“Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.”Mpitoriteny 2:24.

Tsara daholo ve rehefa asa?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Tsara ny asa rehefa be karama. Izany no mahatonga ny olona sasany hametsifetsy ny hafa na hanao zavatra tsy ara-dalàna, satria te hahazo vola be.

Ahoana indray ny an’ny hafa? Ataony daholo izay asa hitany, rehefa ahafahany manatanteraka ny nofinofiny. Misy indray izay asa tiany ihany no ataony. Lazainy fa manorisory ny asany rehefa tsy mampientanentana, na tsy ilay asa tena ankafiziny. Haratsiratsiny àry ilay izy ary ataony alasafay. Mandà mihitsy aza ny olona sasany rehefa tolorana asa heveriny fa ambany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Melohin’ny Baiboly ny asa misy fitaka na fanambakana. (Levitikosy 19:11, 13; Romanina 13:10) Mahasoa ny hafa kosa ny asa tsara, ary mahatonga an’ilay mpiasa ‘hanana feon’ny fieritreretana madio’ foana.—1 Petera 3:16.

Resahin’ny Baiboly koa fa tsy natao hahazoana fahafaham-po fotsiny ny asa, fa natao hivelomana sy hamelomana ankohonana koa. Marina aloha hoe tokony hankafy ny asantsika isika, kanefa tsy ny asa mihitsy no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.

“Tena be atao ny dadanay. Vavolombelon’i Jehovah izahay, dia manana andraikitra be izy eo anivon’ny fiangonana, ankoatra ny asa fivelomana. Tsy variana loatra amin’ny asa anefa izy. Vitainy izay asa tokony hovitaina, nefa mbola manokana fotoana ho an’ahy sy ho an’ny zokiko vavy ary ho an’i Neny izy. Be atao izy, nefa koa mahay mandanjalanja.”—Alannah.

Mampirisika antsika hahay handanjalanja ny Baiboly, na dia mety hampanahy ihany aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Izao no voalaza ao: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Tsy midika akory izany hoe tokony hihafy be isika. Ny tiany holazaina kosa dia hoe izay zavatra takatry ny volantsika ihany no tokony hovidintsika, nefa mila ferana koa ny isany.—Lioka 12:15.

INONA ÀRY NO TOKONY HATAONAO?

Mazotoa miasa. Ataovy izay hahaizanao tsara an’ilay izy. Na hoatran’ny hoe asa ambany aza ny asanao na tsy ilay asa nonofinofisinao, dia miezaha mba ho havanana amin’ilay izy. Ho afa-po ianao raha mazoto miasa, ary ho afa-po kokoa raha miezaka hahay azy tsara.

Miezaha koa anefa mba hahay handanjalanja. Tsara ny maka aina na miala voly tsindraindray. Mahafinaritra ny manao an’izany, indrindra raha ilay avy niasa be iny. Lasa mahatsiaro ho misy vidiny ianao rehefa mba mahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana. Hanaja anao koa ny hafa, anisan’izany ny fianakavianao.—2 Tesalonianina 3:12

“Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ ... Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.”Matio 6:31, 32.