Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Hiatrehanao ny Olana Mahazo Anao?

Ahoana no Hiatrehanao ny Olana Mahazo Anao?

MBA nanana tanjona erỳ ianao tamin’ny mbola tanora, ohatra hoe hanambady, ho matihanina amin-javatra iray, na hanana asa tsara. Tsy hoe misononòka foana anefa ny fiainana. Mety hisy ny olana tsy ampoizina. Izany no nanjo an’i Anja sy Delina ary Gregory.

  • Mipetraka any Alemaina i Anja. Voan’ny kansera izy tamin’izy 21 taona, ary tsy afaka mivoaka ny trano intsony.

  • I Delina indray any Etazonia. Voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra izy. Mbola izy koa anefa no mikarakara ny zokiny telo lahy, izay samy sembana.

  • Any Kanada kosa i Gregory no mipetraka, ary mikorontan-tsaina lava izy.

Mafy ny mahazo an’i Anja sy Delina ary Gregory, kanefa vitan’izy ireo ny miatrika an’izany. Ahoana no nataony?

Hoy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Ny tiany holazaina dia hoe ny sainao ihany no mitondra an’io. Mora milavo lefona ianao raha kivy be. Raha mijery lafy tsaran-javatra kosa ianao, dia hanao izay azonao atao mba hiatrehana ny fiainana indray.

Andeha hojerentsika ny fomba nampiharan’i Anja sy Delina ary Gregory an’izany.