Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HIATREHANAO NY OLANA MAHAZO ANAO?

Ho Vitanao ny Hiatrika ny Olana Mahazo Anao

Ho Vitanao ny Hiatrika ny Olana Mahazo Anao

TSY misy afa-bela amin’ny zava-manahirana aloha amin’izao. Ho vitanao anefa ny hiatrika ny olana mahazo anao raha manaiky ianao hoe tsy azo ovana ilay izy, ary miezaka miaina mifanaraka amin’ilay izy ianao na dia voafetra ihany aza ny azonao atao. Efa tsara raha manao izay azonao atao ianao mba hiatrehana ny olana mahazo anao. Mahafinaritra koa raha mihatsara ilay toe-javatra. Matokia anefa fa mbola ho avy ny fiainana tonga lafatra.

Mampanantena ny Baiboly fa tena ho afaka hankafy fiainana ny olona, amin’ny hoavy. Tsy hisy intsony amin’izay ny zavatra mampahory, ny rotoroton’ny fiainana, ary ny olana ara-pihetseham-po. (Isaia 65:21, 22) Io ilay antsoin’ny Baiboly hoe “tena fiainana.”—1 Timoty 6:19.

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko, ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.” —Isaia 65:21, 22.