Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Henoy Tsara ny Vadinao

Henoy Tsara ny Vadinao

OLANA

“Ianao tsy mba mihaino an’ahy!”, hoy ny vadinao. ‘Nihaino àry aho ko!’, hoy ianao anakampo. Hafa anefa ny zavatra henonao fa tsy araka izay nolazain’ny vadinao, dia mifamaly eo indray ianareo.

Azo sorohina ireny olana ireny. Fantaro anefa aloha hoe nahoana no mety ho tsy azonao tsara ny zavatra tena tian’ny vadinao holazaina, na dia efa mba nihaino ihany aza ianao.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Vizana ianao na tsy tena ao ny sainao. Ny ankizy mitabataba, ny tele koa etsy an-daniny mitatatata, sady ianao mbola miasa saina amin’ny asanao. Iny anefa ny vadinao fa miteny aminao hoe hisy vahiny rahariva. Mihatokato-doha fotsiny ianao manaiky azy. Tena nihaino azy ve anefa ianao? Toa tsy azo antoka izany.

Diso fandray ny resany ianao. Indraindray mbola tsy nihaino tsara ny vadinao akory ianao, dia efa mandika vilana an’izay lazainy. Heverinao hoe zavatra hafa mantsy no tena tiany holazaina. Raha ny marina anefa, dia ny sainao no lasa lavitra loatra. Izao, ohatra: Miteny ny vadinao hoe: “Niasa be loatra ianao tamin’ity herinandro ity an!” Mety ho tonga dia raisinao hoe te hanakiana izy, ka hoy ianao: “Sitrapoko angaha izany? Mila miasa mafy aho satria ianao tsy mba mitsitsy!” “Izaho ange tsy manome tsiny anao e!”, hoy izy nampiaka-peo. Hay mba te hilaza fotsiny izy hoe tsara raha miara-miala voly kely ianareo amin’ny faran’ny herinandro.

Maika hitady vahaolana ianao. Hoy i Vero: * “Mba tiako ho fantatry ny vadiko fotsiny izay tsapako indraindray dia resahiko aminy, nefa izy tonga dia maika hitady vahaolana.” Inona no tsy mety eo? Maika hamaha olana ilay vadiny, ka tsy nihaino tsara an’izay nolazain’i Vero.

Na inona na inona mahatonga anao tsy hahazo tsara ny tenin’ny vadinao, dia azonao iezahana izany.

 INONA NO AZONAO ATAO?

Miezaha hifantoka tsara. Misy zava-dehibe tian’ny vadinao horesahina, nefa vonona hihaino azy ve ianao? Tsia angamba, satria mbola misy zavatra hafa eritreretinao izao. Raha izany no izy, dia aza mody mihaino fotsiny. Ajanony kely izay zavatra ataonao raha mety, dia mifantoha amin’ny vadinao. Azo atao koa anefa ny miteny hoe aleo rehefa kelikely miresaka tsara.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 1:19.

Aza tapahina ny teniny. Raha mbola miteny ny vadinao, dia aza tonga dia miresaka na manohitra an’izay lazainy. Mihainoa fotsiny aloha, fa tsy maintsy mbola hiteny ihany ianao avy eo.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 18:13.

Mametraha fanontaniana. Hanampy anao hahazo izay tena tian’ny vadinao holazaina izany. Hoy ihany i Vero: “Mahafinaritra ahy rehefa manontany ahy ny vadiko. Midika izany hoe tena miraharaha an’izay teneniko izy.”

Aza mifantoka fotsiny amin’izay teny lazainy. Diniho koa ny fihetsiny, ny masony, ary ny fomba firesany. Mety hiteny, ohatra, izy hoe: “Tsy mampaninona”, nefa henonao amin’ny feony hoe tena mampaninona azy ilay izy. Na koa hoe: “Ianao angatahana foana vao manampy ahy!”, nefa ny dikany hoe: “Izaho hoatran’ny tsy raharahainao.” Ezaho takarina àry izay ao an-tsainy na dia tsy teneniny mivantana aza. Amin’izay tsy ny teny nolazaina no iadianareo hevitra, fa izay tena tiana holazaina.

Mihainoa foana. Na mahasosotra anao aza ny tenin’ny vadinao, dia aza miala teo na manao be marenina. Ahoana, ohatra, raha manakiana anao izy? Hoy i Rado, izay efa 60 taona mahery nanambadiana: “Henoy tsara foana izy, na izany aza. Marina fa sarotra izany, nefa hahasoa anareo.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 18:15.

Asehoy fa tena mahaliana anao ny fiainany. Tianao ho tsapan’ny vadinao ve hoe tianao izy? Asehoy àry fa tena mihaino azy ianao. Raha liana amin’izay tiany horesahina ianao, dia lasa te hihaino azy fa tsy hoe mody mihaino fotsiny. Mampihatra an’ity Filipianina 2:4 ity ianao amin’izay: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.