Hijery ny anatiny

Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’​ny Hoavy?

Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’​ny Hoavy?

Moa ve ny fiainantsika...

  • ho toy izao foana?

  • hiharatsy?

  • hihatsara?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’—Apokalypsy 21:3, 4, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Asa tsara sy mahafa-po.—Isaia 65:21-23.

Tsy hisy aretina na fijaliana intsony.—Isaia 25:8; 33:24.

Ho sambatra sy hiaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana.—Salamo 37:11, 29.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony roa:

  • Mahavita manatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. I Jehovah Andriamanitra irery no antsoina hoe “ilay Mahery Indrindra”, ao amin’ny Baiboly, satria manana hery tsy hita fetra izy. (Apokalypsy 15:3) Tena vitany àry ny manatanteraka an’ilay fampanantenany hoe hovany ho tsara kokoa ny fiainantsika. Hoy ny Baiboly: “Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—Matio 19:26.

  • Maniry hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. ‘Maniry mafy’ hamelona indray an’ireo olona efa maty, ohatra, i Jehovah.—Joba 14:14, 15.

    Lazain’ny Baiboly koa fa nanasitrana ny marary i Jesosy Zanak’Andriamanitra. Nahoana? Satria naniry hanao izany izy. (Marka 1:40, 41) Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy izy ka naniry hanampy an’izay nila fanampiana.—Jaona 5:19.

    Matokia àry fa maniry hanampy antsika hanana hoavy sambatra i Jehovah sy Jesosy!—Salamo 72:12-14; 145:16; 2 Petera 3:9.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Inona no hataon’Andriamanitra mba hanatsarana ny fiainantsika?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny MATIO 6:9, 10 sy DANIELA 2:44.