Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 15

Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?

Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?

Failandy

Mampianatra

Manao ny asan’ny mpiandry

Mitory

Tsy misy mpitondra fivavahana karamaina ao aminay. Toy ny tamin’ny fiangonana kristianina fahiny, dia misy mpiandraikitra mahay tendrena ‘mba hiandry ny fiangonana.’ (Asan’ny Apostoly 20:28) Anti-panahy no iantsoana azy ireo, ary mifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo. Miandraikitra ny fiangonana sy manao ny asan’ny mpiandry ry zareo. “Tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo” no anaovany an’izany, ary “tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana.” (1 Petera 5:1-3) Inona avy àry ny andraikiny?

Mikarakara sy miaro anay izy ireo. Manome tari-dalana sy manampy ny fiangonana hifandray tsara amin’i Jehovah ny anti-panahy. Fantatr’izy ireo fa andraikitra lehibe nankinin’Andriamanitra taminy izany. Tsy manjakazaka àry izy ireo fa manampy anay ho faly sy mitady izay hahasoa anay foana. (2 Korintianina 1:24) Toy ny mpiandry ondry miasa mafy mba hikarakarana ny ondriny, dia miezaka be koa ny anti-panahy mba hahafantatra tsara ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana.—Ohabolana 27:23.

Mampianatra anay hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Ny anti-panahy no mitarika ny fivoriana ataon’ny fiangonana isan-kerinandro, mba hahatonga anay hanana finoana matanjaka. (Asan’ny Apostoly 15:32) Be zotom-po koa izy ireo sady mitarika ny asa fitoriana. Miara-mitory aminay izy ary mampiofana anay hitory sy hampianatra.

Mampahery anay izy ireo. Miresaka aminay ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-tranonay ny anti-panahy, mba hanampy sy hampahery anay amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Amin’izay mifandray tsara amin’i Jehovah foana izahay.—Jakoba 5:14, 15.

Tsy maintsy miasa sy mikarakara ny fianakaviany koa anefa ny ankamaroan’ny anti-panahy, ary mitaky fotoana izany. Tena miasa mafy izy ireo ka tokony hohajaina.—1 Tesalonianina 5:12, 13.

  • Inona ny andraikitry ny anti-panahy?

  • Inona no ataony mba hampaherezana antsika?