Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

Misy Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro. Samy manana ny fiaviany izy ireo. Nahoana izy ireo no lasa Vavolombelon’i Jehovah sy miray saina?

Inona no Sitrapon’Andriamanitra?

Tian’Andriamanitra hanao ny sitrapony ny olona eran-tany. Fa inona no sitrapony, ary iza ankehitriny no mampianatra ny olona momba izany?

LESONA 1

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Firy ny Vavolombelon’i Jehovah fantatrao? Nahoana izy ireo no mitovy amin’ny olon-drehetra ihany?

LESONA 2

Nahoana Izahay no Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana no novana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaranay? Misy antony telo resahina ato.

LESONA 3

Ahoana no Nahalalana Indray ny Tena Marina?

Nahoana izahay no matoky fa marina ny zavatra ampianarinay avy ao amin’ny Baiboly?

LESONA 4

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Raha te hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ianao, dia inona no tokony hataonao isan’andro?

LESONA 5

Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?

Miara-mivory izahay mba hianatra ny Soratra Masina sy hifampahery. Tongava manatrika ny fivorianay fa horaisinay tsara ianao!

LESONA 6

Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hiara-mivory ny Kristianina. Inona no soa ho azonao raha mivory ianao?

LESONA 7

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Azo antoka fa ho gaga ianao raha manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tena tsara ny zavatra hianaranao any.

LESONA 8

Nahoana Izahay no Miezaka Miakanjo Tsara Rehefa Mivory?

Nahoana isika no mila miezaka miakanjo tsara rehefa mivory? Inona ny andinin-teny tokony hotadidintsika rehefa hifidy akanjo sy taovolo?

LESONA 9

Inona no Atao Rehefa Manomana Fivoriana?

Inona ny soa horaisinao raha zatra manomana ianao, alohan’ny hivory?

LESONA 10

Inona no Atao hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Ho hitanao ato fa hifankatia kokoa ny fianakavianao sady hifandray tsara amin’Andriamanitra, raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ianareo.

LESONA 11

Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Manao fivoriambe intelo isan-taona izahay. Inona ny soa ho azonao raha manatrika azy ireny ianao?

LESONA 12

Ahoana no Andaminana ny Asa Fitoriana Ataonay?

Manahaka an’i Jesosy izahay Vavolombelon’​i Jehovah rehefa mitory. Ahoana no ataonay?

LESONA 13

Inona no Atao hoe Mpisava Lalana?

Mitory adiny 30 na 50 na maherin’izany isam-bolana ny sasany amin’​ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana?

LESONA 14

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Inona ny sekoly natao hampiofanana ny olona manokana fotoana be dia be mba hitoriana?

LESONA 15

Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?

Mifandray tsara amin’Andriamanitra ny anti-panahy. Miandraikitra ny fiangonana sy manao ny asan’ny mpiandry izy ireo. Inona no ataony mba hampaherezana antsika?

LESONA 16

Inona ny Andraikitry ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana?

Inona avy no ataon’ny mpanampy amin’ny fanompoana, mba hikarakarana tsara ny fiangonana?

LESONA 17

Inona no Ataon’ny Mpiandraikitra ny Faritra?

Nahoana ny mpiandraikitra ny faritra no mitsidika fiangonana? Inona no azonao atao mba handray soa ianao rehefa mitsidika izy?

LESONA 18

Ahoana no Ataonay Rehefa Iharam-boina ny Mpiray Finoana Aminay?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mahavita manampy avy hatrany rehefa misy loza?

LESONA 19

Iza ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?

Iza ilay mpanompo asain’i Jesosy manome sakafo ara-panahy ny mpianany, ary ahoana no anaovany izany?

LESONA 20

Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema no filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany. Ary amin’izao andro izao?

LESONA 21

Inona no Atao hoe Betela?

Iza no manompo ao amin’ny Betela, ary ahoana no ikarakarana azy ireo? Inona no tena tanjon’ireo manompo ao?

LESONA 22

Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?

Tongava mitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa hanatanjaka ny finoanao izany.

LESONA 23

Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?

Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 750 eo ho eo izahay. Nahoana?

LESONA 24

Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?

Inona no tsy itovizan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa?

LESONA 25

Nahoana Izahay no Manao Efitrano Fanjakana?

Nahoana ny trano ivavahanay Vavolombelon’i Jehovah no antsoina hoe Efitrano Fanjakana? Avy aiza ny vola anamboarana azy ireny?

LESONA 26

Inona no Azonao Atao mba Hikojakojana Efitrano?

Efitrano Fanjakana madio sy voakojakoja tsara no mendrika anompoana an’Andriamanitra. Inona avy àry ny fandaharana atao mba hadio foana izy io?

LESONA 27

Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?

Manana olana ve ianao ka tianao ho fantatra raha afaka manampy anao ny Baiboly? Ampiasao àry ny fitehirizam-boky any amin’ny Efitrano Fanjakana.

LESONA 28

Inona avy no ao Amin’ny Tranonkalanay ao Amin’ny Internet?

Hita ao amin’ny jw.org ny zavatra inoanay sy ataonay Vavolombelon’i Jehovah, ary izay tena lazain’ny Baiboly.

Hanao ny Sitrapon’i Jehovah ve Ianao?

Tena tia anao i Jehovah Andriamanitra. Ahoana àry no hampisehoanao fa tianao koa izy ary te hanao ny sitrapony foana ianao?