Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 12

Ahoana no Andaminana ny Asa Fitoriana Ataonay?

Ahoana no Andaminana ny Asa Fitoriana Ataonay?

Espaina

Bélarus

Hong-Kong

Peroa

Hoy i Jesosy talohan’ny nahafatesany: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Ahoana anefa no hahavitana an’izany fitoriana eran-tany izany? Ho vita izany raha arahina ny modely navelan’i Jesosy.—Lioka 8:1.

Miezaka mankany an-tranon’ny olona izahay. Nampiofanina hitory ny vaovao tsara isan-trano ny Kristianina voalohany. (Matio 10:11-13; Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20) Natoro azy ireo hoe aiza avy no hitoriana. (Matio 10:5, 6; 2 Korintianina 10:13) Voalamina tsara koa ny fitoriana ataonay ankehitriny. Efa voazarazara hoe aiza avy ny fiangonana tsirairay no mitory. Vitanay tsara amin’izay ny manaraka an’ilay didin’i Jesosy “hitory amin’ny olona.”—Asan’ny Apostoly 10:42.

Mitory any amin’izay toerana misy olona izahay. Izany mihitsy no nataon’i Jesosy. Teny amoron-dranomasina na teny am-pantsakana, ohatra, izy no nitory. (Marka 4:1; Jaona 4:5-15) Manahaka azy izahay ka miresaka amin’ny olona momba ny Baiboly, na aiza izany na aiza. Ohatra hoe eny an-dalana na eny an-tsena na eny amin’ny zaridainam-panjakana. Mitory amin’ny alalan’ny telefaonina koa izahay. Mitory amin’ny mpiray tanàna, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary havana izahay isaky ny afaka manao izany. Olona an-tapitrisany àry no mandre ny ‘vaovao tsara momba ny famonjena.’—Salamo 96:2.

Iza no tianao hiresahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra? Lazao aminy fa hanao zavatra hahasoa azy io Fanjakana io. Resaho aminy izany raha vao afaka ianao.

  • Inona ilay “vaovao tsara” tsy maintsy torina?

  • Manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory. Inona no ataon’izy ireo?