Hijery ny anatiny

Ahoana no Andaminana ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Ahoana no Andaminana ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Anti-panahy vitsivitsy no miandraikitra ny fiangonana tsirairay. Fiangonana 20 eo ho eo no atambatra dia antsoina hoe faritra. Mitsidika tsy tapaka an’ireny fiangonana ireny ny anti-panahy mpitety faritany, antsoina hoe mpiandraikitra ny faritra.

 Manana Filan-kevi-pitantanana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izy io no manome tari-dalana sy toromarika avy ao amin’ny Baiboly. Vavolombelona efa ela daholo no ao anatin’izy io, ary any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Warwick, any Etazonia izy ireo no miasa.​—Asan’ny Apostoly 15:23-29; 1 Timoty 3:1-7.