Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

E+/taseffski/via Getty Images (Stock photo. Posed by model.)

MIAMBENA FOANA!

Mihabetsaka ny Tanora Voan’ny Aretin-tsaina: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mihabetsaka ny Tanora Voan’ny Aretin-tsaina: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nanao tatitra momba ny fahasalamana ara-tsain’ny tanora amerikanina ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, tamin’ny alatsinainy 13 Febroary 2023. Milaza ilay tatitra fa efa maherin’ny 40 isan-jaton’ny mpianatra eny amin’ny lise no malahelo mandritra ny fotoana ela be ary mieritreritra hoe tsy misy mangirana intsony ny fiainany.

 Izao no nolazain’i Pr. Kathleen Ethier, talen’ilay sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny tanora sy ny mpianatra any an-tsekoly ao amin’io foibe io: “Hitanay hoe niharatsy ny fahasalamana ara-tsain’ny tanora tato anatin’ny folo taona. Niharatsy kokoa noho ny hatramin’izay anefa ny an’ny ankizivavy. Mihabetsaka ny ankizivavy mieritreritra ny hamono tena ary misy aza manandrana manao an’izany mihitsy.”

 Izao no nolazain’ilay tatitra:

  •   Ankizivavy 1 ao anatin’ny 10 na mihoatra an’izany (14 isan-jato) no noterena hanao firaisana. Izao no nolazain’i Pr. Ethier: “Mampatahotra be ny mieritreritra an’izany satria raha mahafantatra ankizivavy folo ianao, dia mety hoe iray amin-dry zareo, fara fahakeliny, no efa nisy nanolana.”

  •   Efa ho ankizivavy 1 ao anatin’ny 3 (30 isan-jato) no tapa-kevitra ny hamono tena.

  •   Efa ho ankizivavy 3 ao anatin’ny 5 (57 isan-jato) no malahelo mandritra ny fotoana ela be ary mieritreritra hoe tsy misy mangirana intsony ny fiainany.

 Mampalahelo be ireo tatitra ireo satria tokony ho fotoana hahafaly sy hahafinaritra ny fahatanorana. Inona no hanampy ny tanora hiatrika ny olana mahazo an-dry zareo? Inona no lazain’ny Baiboly?

Afaka manampy ny tanora ny Baiboly

 Marina ny lazain’ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” izao andro iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5) Misy torohevitra azo ampiharina tsara anefa ao anatin’izy io, ary afaka manampy tanora an-tapitrisany maneran-tany mba ho faly na dia eo aza ny olana atrehin’izy ireo. Diniho ireto lahatsoratra ireto fa ahitana torohevitra avy ao amin’ny Baiboly:

 Raha mieritreritra ny hamono tena ny tanora anankiray

 Raha malahelo na kivy be foana ny tanora anankiray

 Raha misy mampijaly ny tanora anankiray na misy olona ratsy fanahy aminy ao amin’ny Internet

 Raha misy manadala ny tanora anankiray na efa nisy nanolana

Afaka manampy ny ray aman-dreny ny Baiboly

 Misy torohevitra ho an’ny ray aman-dreny koa ao amin’ny Baiboly mba hahavitany manampy ny zanany hiatrika olana eo amin’ny fiainana. Diniho ireto lahatsoratra ireto: