Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ny Ankizy sy ny Telefaonina—Fizarana 2: Ampio ny Zanakao Mba Hahay Hisaina Tsara Rehefa Mampiasa Telefaonina Raitra

Ny Ankizy sy ny Telefaonina—Fizarana 2: Ampio ny Zanakao Mba Hahay Hisaina Tsara Rehefa Mampiasa Telefaonina Raitra

 Mety hahasoa ny telefaonina raitra (Smartphone), nefa mety hampidi-doza koa, arakaraka ny fomba ampiasantsika azy ihany. Ahoana àry no azonao anampiana ny zanakao mba hisaina tsara rehefa mampiasa an’io fitaovana io? Adiny firy isan’andro, ohatra, izy no tokony havelanao hampiasa azy io? a

 Tsara ho fantatra

  •   Mety hahita loza ny olona mampiasa telefaonina raitra. Araka ny efa hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Ny ankizy sy ny Telefaonina—Fizarana 1: Tokony Havelako Hanana Telefaonina Raitra ve ny Zanako?”, dia betsaka ny zavatra azon’ny olona jerena ao amin’ny Internet. Hitany ao daholo na zavatra tsara na zavatra ratsy.

     “Mora manadino isika hoe rehefa mampiasa telefaonina raitra ny zanatsika, dia mety hahita loza amin’ny olon-dratsy isan-karazany na ny hevi-diso samihafa aelin’ny olona.”—Brenda.

  •   Mila tari-dalana ny ankizy. Mbola kely ny ankizy amin’izao dia efa mahay mampiasa teknolojia, fa ny ankamaroan’ny olon-dehibe indray vao haingana daholo vao nanomboka nampiasa azy io. Tsy midika anefa izany hoe tsy mahay na inona na inona amin’ny resaka teknolojia mihitsy ny olon-dehibe, dia ny ankizy ihany no tena mahay hoe ahoana no ataony rehefa mampiasa telefaonina raitra, dia isaky ny inona izy no hampiasa azy io.

     Marina fa mety hoe kinga be noho ianao ny zanakao rehefa mikirakira telefaonina. Tsy midika anefa izany hoe hahay hisaina tsara izy rehefa hampiasa an’ilay izy. Na dia ireny ankizy faran’izay havanana amin’ny resaka teknolojia ireny aza, dia tsy maintsy mila ny fanampian’ny ray aman-dreniny foana rehefa hanapa-kevitra hoe inona no mety sy ny tsy mety, rehefa mampiasa telefaonina raitra.

     “Raha omenao telefaonina raitra ny zanakao nefa tsy atoronao tsara azy akory ny fomba fampiasana an’ilay izy, dia hoatran’ny hoe omenao lakilen’ny aotomobilina izy, dia asainao mitondra an’ilay izy. Teneninao fotsiny izy avy eo hoe: ‘Mitandrema tsara a!’ nefa tsy nampianarinao nitondra aotomobilina akory.”—Seth.

 Inona no azonao atao?

  •   Fantaro hoe inona avy no azo atao amin’ilay telefaonina ampiasain’ny zanakao. Fantaro tsara daholo ny mombamomba an’ilay telefaonina sy ny programa rehetra ao anatiny, amin’izay ianao ho afaka hanampy ny zanakao hahay hanapa-kevitra tsara rehefa mampiasa an’ilay izy. Ohatra hoe:

     Misy programa azon’ny ray aman-dreny ampiasaina ve ao amin’ilay izy, mba hahafahany mametra ny fotoana lanin’ny zanany amin’ny telefaonina, sy hamantarana hoe inona avy ny tranonkala jeren’ny zanany?

     Misy programa natao hanakanana zava-dratsy tsy hipoitra ao amin’ireny telefaonina raitra ireny. Fantatrao ve anefa hoe tsy voatery ho voasakan’ilay programa daholo ireny zava-dratsy ireny, dia mety hahita an’ilay izy ihany ny zanakao?

     Raha fantatrao tsara ny mombamomba an’ilay telefaonin’ny zanakao sy ny programa rehetra ao amin’ilay izy, dia tsy ho sarotra aminao ny hanampy ny zanakao hitandrina tsara rehefa mampiasa an’ilay izy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona manam-pahalalana dia mitombo hery.”—Ohabolana 24:5.

  •   Mametraha fitsipika. Teneno amin’ny zanakao hoe inona avy no azony atao sy tsy azony atao rehefa mampiasa telefaonina izy. Ohatra hoe:

     Avelanao hampiasa telefaonina ve izy rehefa miara-misakafo ianareo ao an-trano, na rehefa mandeha mitsidika fianakaviana na namana?

     Tokony havela hoentiny any amin’ny efitranony ve ny telefaoniny rehefa alina?

     Inona avy ny programa azony atao ao amin’ny telefaoniny?

     Adiny firy isan’andro no tokony ho laniny ampiasana telefaonina?

     Azonao ferana ve hoe adiny firy isan’andro ny zanakao no mahazo mampiasa telefaonina?

     Ataovy fantatry ny zanakao tsara daholo ny fitsipika apetrakao, ka rehefa tsy manaraka an’ilay izy, dia azonao sazina.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aza misalasala manafay zanaka.”—Ohabolana 23:13.

  •   Araho maso ny zavatra ao anatin’ny telefaonin’ny zanakao. Fantaro ny tenimiafin’ny zanakao, dia jereo hoe inona avy no ao anatin’ny telefaoniny, ohatra hoe ny SMS, ny sary, ny programa ampiasainy, ary ny tranonkala jereny.

     “Teneninay ny zanakay vavy hoe hojerenay tsindraindray ny zavatra ao anatin’ny telefaoniny, sady ho tampotampoka fa tsy misy fampiomanana. Raha vao hitanay hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fomba ampiasany ny telefaoniny, dia tonga dia feranay ny hampiasany an’ilay izy.”—Lorraine.

     Manan-jo hahafantatra ny fomba ampiasan’ny zanany telefaonina ny ray aman-dreny.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Ny zaza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.’—Ohabolana 20:11.

  •   Ampianaro hanana toetra tsara ny zanakao. Ampio ny zanakao mba ho tia manao ny tsara. Nahoana izany no tena ilaina? Satria raha misy zavatra tena tian’ny ankizy afenina amin’ny ray aman-dreniny, dia hahita fomba hanaovana an’izany foana izy, na inona na inona ataon’ny ray aman-dreny. b

     Ampio hanana toetra tsara àry ny zanakao, anisan’izany ny hoe manao ny marina, mahay mifehy tena, ary mahay mandray andraikitra amin’ny zavatra ataony. Raha manana toetra tsara ny ankizy dia ho hainy tsara ny handanjalanja sy hitandrina rehefa mampiasa telefaonina.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona matotra ... manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

a Ireny telefaonina azo ampiasana Internet ireny no tiana hotenenina amin’ilay hoe “telefaonina raitra” ato amin’ity lahatsoratra ity. Tena hoatran’ny ordinatera kely mihitsy izy ireny.

b Misy tanora mampiasa karazana programa hafakely mba hanafenana ny zavatra sasany ao amin’ny telefaoniny amin’ny ray aman-dreniny. Programa tsy mampaninona no miseho eo rehefa mijery ianao, ohatra hoe programa fanaovana kajy, nefa zavatra hafa mihitsy no ao anatiny.