Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Ahoana Raha Misy Mampijaly ny Zanako?

Ahoana Raha Misy Mampijaly ny Zanako?

 Inona no hataonao raha miteny aminao ny zanakao hoe misy ankizy mampijaly azy any am-pianarana? Hasainao manasazy an’ilay ankizy ve ny tompon’andraikitra ao amin’ilay sekoly? Sa hampianarinao hamaly faty ny zanakao? Aza maika hanapa-kevitra fa fantaro aloha hoe tena misy mampijaly tokoa ve ny zanakao sa tsia.

 Tena misy mampijaly tokoa ve ny zanako?

 Inona no atao hoe fampijaliana? Mampijaly anao ny olona iray raha mamono anao na manao teny maharary na zavatra hafa mampalahelo anao. Fanahy iniany ilay izy, ary tsy indray mandeha fotsiny fa imbetsaka. Tsy hoe rehefa misy olona manambany anao àry na mila ady aminao, dia efa hoe mampijaly anao.

 Nahoana izany no mila fantarina? Misy mieritreritra hoe vao manao zavatra mampahatezitra azy fotsiny ny olona iray dia efa hoe mampijaly azy, na dia zavatra tsy dia misy dikany aza no nataon’ilay olona taminy. Jereo àry sao dia adiady kely fotsiny ilay izy, dia tsy voatery hitarina. Tsy hahay handamina olana mihitsy mantsy ny zanakao raha izany no ataonao, nefa izy tsy maintsy hiatrika olana, na izao na rehefa lehibe.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra.”—Mpitoriteny 7:9.

 Tadidio izao: Marina hoe mila manampy ny zanakao ianao. Tsy voatery hanao an’izany anefa ianao indraindray, satria mba mila mianatra miaritra sy mifandray tsara amin’olona koa ny zanakao.—Kolosianina 3:13.

 Ahoana anefa raha miteny ny zanakao hoe ampijalin’ny ankizy foana izy sady manao fanahy iniana ry zareo?

 Inona no tokony hataoko?

  •   Henoy tsara ny zanakao. Anontanio aloha izy hoe 1) inona marina no ataon’ny ankizy aminy, ary 2) inona no mahatonga ny ankizy hanao an’ilay izy. Aza tonga dia taitaitra be fa fantaro daholo aloha ny zava-misy. Eritrereto hoe: ‘Marina daholo ve izany tantarain’ny zanako izany?’ Angamba ianao mila miresaka amin’ny mpampianatra azy koa na miresaka amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.”—Ohabolana 18:13.

  •   Raha tena ampijalin’ny ankizy tokoa ny zanakao, dia hazavao aminy hoe mety tsy hampijaly azy intsony ilay ankizy, raha hainy hoe inona no tokony hataony. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Raha mamaly faty àry izy, dia vao mainka hampijaly azy ny ankizy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva.”—1 Petera 3:9.

  •   Hazavao aminy fa tsy hoe kanosa izy raha tsy mamaly faty, na dia izany aza no eritreretin’ny olona sasany. Vao mainka aza ho hita hoe izy no tena mahery satria tsy mampihontsina azy mihitsy izay ataon’ny ankizy. Azo lazaina hoe efa maharesy izy amin’izay, nefa tsy mila miady.

     Tena tsara mitadidy an’izany ny zanakao, indrindra raha ao amin’ny Internet izy no misy mampijaly. Mety handefa hafatra hampitahorana azy na hanalana baraka azy na hanambaniana azy, ohatra, ilay olona. Vao mainka anefa hampijaly azy ilay olona raha mamaly an’ilay hafatra izy. Mety ho izy indray koa aza no ho voaendrikendrika hoe mpampijaly olona. Aleo àry tsy mamaly an’ilay hafatra raha azo atao. Mety tsy hampijaly ny zanakao intsony ilay olona amin’izay.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.”—Ohabolana 26:20.

  •   Resaho aminy hoe indraindray azony ialana ny olona mampijaly azy na ny toerana misy an-dry zareo. Asaivo mivily lalana, ohatra, izy, fa tsy mandalondalo any, raha efa fantany hoe mety hifanena amin-dry zareo any izy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohabolana 22:3.

Angamba ianao mila miresaka amin’ny mpampianatra azy na miresaka amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy

 ANDRAMO IZAO: Ampio ny zanakao hieritreritra hoe inona avy no azony atao, ary inona no mahatsara sy maharatsy an’ilay izy. Ohatra hoe:

  •  Inona no mety hitranga raha tsy raharahainy fotsiny izay ataon’ilay mpampijaly azy?

  •  Inona no mety hitranga raha sahy miteny an’ilay ankizy izy mba tsy hampijaly azy intsony?

  •  Inona no mety hitranga raha alazany amin’ny tompon’andraikitra ao am-pianarana ilay ankizy?

  •  Ary ahoana raha miezaka manao vazivazy amin’ilay ankizy izy na tsara fanahy aminy? Mety tsy haninona azy intsony ve ilay ankizy?

 Tsy mitovy ny zavatra mahazo ny ankizy tsirairay, na ao amin’ny Internet ilay izy no mitranga na any am-pianarana. Mila miara-mitady vahaolana àry ianao sy ny zanakao, ary izay mety tsara aminy tadiavina. Omeo toky izy hoe ho eo foana ianao hanohana azy mba ho vitany ny hiatrika an’ilay olana.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.