Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Areti-mifindra?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Areti-mifindra?

Valiny ara-baiboly

 Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy areti-mandringana (anisan’izany ny areti-mifindra) amin’ny andro farany. (Lioka 21:11) Tsy hoe sazy avy amin’Andriamanitra akory ireny areti-mifindra ireny. Efa tsy ho ela intsony aza Andriamanitra dia hampiasa ny Fanjakany mba hanafoanana ny aretina rehetra, anisan’izany ny areti-mifindra.

 Efa nilaza mialoha ve ny Baiboly hoe hisy ny areti-mifindra?

 Tsy miresaka mivantana momba ny areti-mifindra anankiray na aretina hafa ny Baiboly, ohatra hoe ny COVID-19, SIDA, na ny gripa espaniola. Efa nilaza mialoha kosa anefa izy io fa hisy ny “areti-mandringana” sy ny “aretina mahafaty.” (Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8) Anisan’ny famantarana ny “andro farany”, na koa ilay antsoina hoe “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy ireny.—2 Timoty 3:1; Matio 24:3.

 Efa nanasazy olona tamin’ny aretina ve Andriamanitra?

 Resahina ao amin’ny Baiboly hoe nisy fotoana Andriamanitra nanasazy olona tamin’ny aretina. Nataony lasa boka, ohatra, ny olona sasany. (Nomery 12:1-16; 2 Mpanjaka 5:20-27; 2 Tantara 26:16-21) Tamin’ireo zava-nitranga ireo anefa, dia tsy hoe ny olon-drehetra no nosazin’Andriamanitra tamin’ilay aretina, fa izay olona tsy nety nankatò azy ihany.

 Sazy avy amin’Andriamanitra ve ny areti-mifindra misy amin’izao?

 Tsia. Misy mieritreritra hoe te hanasazy ny olona amin’izao andro izao Andriamanitra, dia mandefa areti-mifindra na aretina hafa. Tsy marina anefa izany, rehefa jerena ny Baiboly. Fa nahoana?

 Voalohany, samy efa narary daholo na ny mpanompon’Andriamanitra sasany taloha na ny amin’izao. I Timoty, lehilahy tsy nivadika tamin’Andriamanitra, ohatra, izao ‘tsy salama matetika.’ (1 Timoty 5:23) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe tsy tian’Andriamanitra izy matoa tsy salama. Hoatr’izany koa amin’izao. Misy mpanompon’Andriamanitra sasany tsy mivadika, nefa marary na tratran’ny areti-mifindra. Sendra any amin’ny toerana misy areti-mifindra, ohatra, ry zareo, dia tratran’ilay izy.—Mpitoriteny 9:11.

 Ankoatra izay, dia milaza koa ny Baiboly hoe tsy mbola tonga ny fotoana hanasazian’Andriamanitra ny ratsy fanahy. “Andro famonjena” kosa izao iainantsika izao. Mbola manasa ny olona rehetra hanatona azy mantsy Andriamanitra, amin’izay izy ireo ho voavonjy. (2 Korintianina 6:2) Manao an’izany, ohatra, izy, amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, na ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.”—Matio 24:14.

 Tsy hisy intsony ve ny areti-mifindra, indray andro any?

 Eny. Milaza ny Baiboly fa tsy hisy olona harary intsony amin’ny hoavy. Rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra, dia hositranin’Andriamanitra daholo ny aretina rehetra. (Isaia 33:24; 35:5, 6) Hofoanany koa ny zavatra mampijaly sy mampanaintaina ary ny fahafatesana. (Apokalypsy 21:4) Hatsangany koa ny maty, dia ho salama tsara sady ho lavorary izy ireo.—Salamo 37:29; Asan’ny Apostoly 24:15.

 Ny andinin-teny miresaka momba ny aretina ao amin’ny Baiboly

 Matio 4:23: “Nandeha nanerana an’i Galilia manontolo [i Jesosy], ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka.”

 Ny tiany holazaina: Santionany amin’ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela, ho an’ny olombelona rehetra, ny fahagagana nataon’i Jesosy.

 Lioka 21:11: “Hisy areti-mandringana.”

 Ny tiany holazaina: Anisan’ny famantarana ny andro farany ny areti-mandringana.

 Apokalypsy 6:8: “Iny nisy soavaly hatsatra. Nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana. Dia nomena fahefana ... ireo mba hamono amin’ny ... aretina mahafaty.”

 Ny tiany holazaina: Hita amin’ny faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy fa tanteraka amin’izao androntsika izao ilay hoe hisy areti-mandringana.