Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

John Moore/Getty Images

Fahasalamana ho An’ny Rehetra: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Fahasalamana ho An’ny Rehetra: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

 “Tsy hamehana ara-pahasalamana maneran-tany intsony izao ilay valanaretina COVID-19. Tsy midika anefa izany hoe tsy ho voan’izy io intsony ny olona eran-tany. ... Azo antoka fa mbola hisy valanaretina indray amin’ny hoavy, dia tokony ho vonona amin’izany isika.”​—Dr. Tedros Adhanom Ghebreyesus, tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, 22 Mey 2023.

 Be dia be amin’izao ny olona mbola mijaly, satria nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalaman’ny vatany sy ny fahasalaman’ny sainy ilay valanaretina. Ho vonona hiatrika ny valanaretina manaraka ve ny fanjakana sy ny mpitsabo ary izay rehetra misahana ny fahasalamana? Vitan’izy ireo koa anefa ve ny mamaha ny olana isan-karazany momba ny fahasalamana amin’izao?

 Milaza ny Baiboly hoe hisy fanjakana iray hamaha ny olana ara-pahasalamana, dia ho salama tsara daholo ny olona. Hoy ny Daniela 2:44: “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra.” “Tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho’”, rehefa mitondra io fanjakana io. (Isaia 33:24) Ho salama tsara sy hatanjaka daholo ny olona amin’izay.​—Joba 33:25.