Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony Hataonao?

Inona no Tokony Hataonao?

“Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 65:2) Afaka miresaka aminy isika na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana. Henony na dia ny vavaka ao am-pontsika aza. Tian’i Jehovah raha miantso azy hoe ‘Ray’ isika. Izy rahateo no Ray tsara indrindra. (Matio 6:9) Tia antsika izy dia atorony antsika izay tokony hatao mba hohenoiny ny vavaka ataontsika.

MIVAVAHA AMIN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRA AMIN’NY ANARAN’I JESOSY

“Na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.”​—Jaona 16:23.

Tian’i Jehovah hivavaka aminy isika, araka io tenin’i Jesosy io. Tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ny vavaka, fa tsy amin’ny alalan’ny olo-masina, na anjely, na ny razana, na sary. Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy isika, dia ho hita hoe manaiky ny toerana tanan’i Jesosy isika. Hoy mantsy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”​—Jaona 14:6.

IZAY AO AM-PONAO NO RESAHO

“Aoka ianareo hamboraka aminy ny ao am-ponareo.”​Salamo 62:8.

Tokony ho hoatran’ny hoe miresaka amin’ny ray be fitiavana isika rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Tokony hanaja azy sy hamboraka aminy izay ao am-pontsika isika, fa tsy hanao vavaka tsianjery na hamaky an’izany avy ao anaty bokim-bavaka.

ATAOVY MIFANARAKA AMIN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NY VAVAKA ATAONAO

“Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”​—1 Jaona 5:14.

Resahin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly hoe inona no hataony ho antsika ary inona no tiany hataontsika ho azy. Eken’Andriamanitra ny vavaka ataontsika raha ataontsika “mifanaraka amin’ny sitrapony.” Mila mianatra Baiboly isika mba hahavitana an’izany. Ho fantatsika tsara mantsy izy amin’izay. Hampifaly azy koa ny vavaka ataontsika.

INONA NO AZONTSIKA RESAHINA AMIN’NY VAVAKA?

Izay ilaintsika. Azontsika angatahina aminy izay ilaintsika isan’andro. Ohatra hoe sakafo, fitafiana, ary trano hipetrahana. Azo atao ny mangataka hery hiatrehana fitsapana na fahendrena mba hahaizana manapa-kevitra. Afaka mangataka finoana, famelan-keloka, ary fanampiana koa isika.​—Lioka 11:3, 4, 13; Jakoba 1:5, 17.

Momba ny hafa. Faly ny ray aman-dreny be fitiavana rehefa mifankatia ny zanany. Zanak’i Jehovah koa isika, ka tiany hifankatia sy hifanampy. Mety tsara àry ny mivavaka ho an’ny vady, zanaka, fianakaviana, ary namana. Nanoratra i Jakoba mpianatra hoe: “Mifampivavaha.”​—Jakoba 5:16.

Fisaorana. Hoy ny Baiboly momba an’ilay Mpamorona antsika. “Nanao soa [izy] ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’ny Apostoly 14:17) Lasa te hisaotra an’Andriamanitra isika, rehefa misaintsaina an’izay rehetra nataony ho antsika. Tokony ho hita amin’ny fomba fiainantsika koa hoe mankasitraka azy isika.​—Kolosianina 3:15.

MAHARETA ARY MIVAVAHA FOANA

Tsy tonga dia mivaly ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika indraindray, dia lasa malahelo isika. Midika ve izany hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra? Tsia. Asehon’ireto fitantarana ireto hoe mila manohy mivavaka fotsiny isika.

Hoy i Steve, ilay voaresaka tany aloha: “Efa taona maro aho izay no namoy fo raha tsy teo ny vavaka.” Fa inona no nampiova azy? Nanomboka nianatra Baiboly izy, dia nianarany hoe nila nivavaka izy ary nila nanao an’izany foana. Hoy koa izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, dia nisaotra azy satria nomeny namana aho mba hanampy ahy. Sambatra aho izao, ary mbola tsy nahatsapa hoatr’izany mihitsy aho.”

Ary ahoana ny amin’i Jenny, ilay nieritreritra hoe tsy misy dikany izy, dia tsy hihaino ny vavaka ataony Andriamanitra? Hoy izy: “Rehefa ilay kivy be iny aho, dia miangavy an’Andriamanitra mba hanampy ahy hahatakatra hoe maninona aho no mahatsapa hoatr’izany.” Inona no vokany? Izao no nolazainy: “Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra aho, dia lasa azoko hoe hoatran’ny ahoana no fahitany ahy. Nanameloka ahy ny foko, nefa izy tsy nanao an’izany tamiko. Nanampy ahy tsy hamoy fo ny vavaka.” Hoy koa izy: “Rehefa nivavaka aho dia lasa tsapako hoe tena misy i Jehovah, be fitiavana izy, Raiko, ary Namako. Ho eo foana izy ary vonona hanampy ahy rehefa miezaka manao izay takiny aho.”

Hitan’i Isabel hoe mankafy fiainana i Gerard zanany na dia sembana aza. Tsapany hoe tena valim-bavaka mihitsy izy

Eritrereto koa ny nanjo an’i Isabel. Nilaza taminy ny dokotera tamin’izy bevohoka hoe ho sembana ny zanany. Kivy be izy. Nampirisika azy hanala zaza aza ny olona sasany. Nitaraina izy hoe: “Hoatran’ireny ho fatin’ny alahelo ireny aho.” Dia inona no nataony? Hoy izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra foana aho mba hanampy ahy.” Teraka lahikely izy tatỳ aoriana, ary Gerard no nataony anarany. Sembana ilay zaza. Tsapan’i Isabel ve hoe namaly ny vavaka nataony Andriamanitra? Ie. Izao no nolazainy: “Efa 14 taona izao ilay zanako, ary mankafy fiainana izy na dia sembana aza. Rehefa mahita an’izany aho dia tsapako hoe io zanako io no fitahiana lehibe indrindra nomen’i Jehovah Andriamanitra ahy. Tena valim-bavaka mihitsy izy.”

Mampahatsiahy antsika an’izay nolazain’ny mpanao salamo ireo teny ireo. Hoy izy: “Handre ny fitalahoan’ny mpandefitra ianao Jehovah ô, ary hampiomana ny fony. Hanongilan-tsofina hihaino ianao.” (Salamo 10:17) Tsy mandrisika anao hivavaka foana ve izany?

Misy vavaka be dia be nataon’i Jesosy ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ilay antsoina hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Inona no ianarantsika avy amin’izy io?