Hijery ny anatiny

Mampisara-bazana Fianakaviana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mampisara-bazana Fianakaviana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Miezaka mifandray tsara amin’ny mpianakavinay izahay Vavolombelon’i Jehovah, sady manampy ny hafa hanao hoatr’izany koa. Ekenay hoe Andriamanitra no namorona ny fianakaviana. (Genesisy 2:21-24; Efesianina 3:14, 15) Nanampy olona maro eran-tany mba hanana tokantrano sambatra sy maharitra ny toro lalana nomeny ao amin’ny Baiboly.

Manampy ny fianakaviana hifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah

 Miezaka mafy izahay mba hanaraka ny torohevitry ny Baiboly, satria manampy anay ho vady sy ray aman-dreny mahafinaritra kokoa izany. (Ohabolana 31:10-31; Efesianina 5:22–6:4; 1 Timoty 5:8) Na ny mpianakavy tsy mitovy fivavahana aza mandray soa amin’ny torohevitra omen’ny Baiboly. (1 Petera 3:1, 2) Mariho ny tenin’ireto olona tsy Vavolombelona ireto, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny:

  •   “Niady be foana izahay nandritra ny enin-taona voalohany taorian’ny mariazinay. Lasa be fitiavana sy nanam-paharetana kokoa anefa i Ivete rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanavotra ny tokantranonay ny fiovana nataony.”​—Clauir, avy any Brezila.

  •   “Nanohitra be aho rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Chansa vadiko. Nieritreritra mantsy aho hoe mampisara-bazana fianakaviana ry zareo. Lasa tsapako anefa hoe ny Baiboly no tena nanampy ny tokantranonay.”​—Agness, avy any Zambia.

 Rehefa mitory izahay, dia resahinay amin’ny olona hoe nahoana ny torohevitry ny Baiboly no afaka manampy azy...

Mampisy olana ao an-tokantrano ve ny hoe miova fivavahana ny iray amin’ny mpivady?

 Ekena fa mampisy olana izany indraindray. Tamin’ny 1998, ohatra, dia nilaza ny Sofres, fikambanana iray mpanao fikarohana, fa mpivady 1 tao anatin’ny 20 no nanana olana lehibe rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny iray tamin’izy mivady.

 Efa nilaza mialoha i Jesosy fa mety hanana olana ara-pianakaviana izay mampihatra ny zavatra nampianariny. (Matio 10:32-36) Nilaza ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant fa “nampangaina ho mampizarazara fianakaviana ny Fivavahana Kristianina”, tamin’ny andron’ny Fanjakana Romanina. a Mbola ampangaina hoatr’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany amin’izao andro izao. Midika ve izany fa ilay mpianakavy Vavolombelona no rangory fototry ny afo?

Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

 Rehefa nampangaina ho mampisara-bazana fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tao amin’ny didim-pitsarana navoakany, fa ny mpianakavy tsy Vavolombelona matetika no mahatonga ny disadisa. Tsy mety manaiky, hono, mantsy izy ireny hoe “manana zo hampihatra ny zavatra inoany ilay havany.” Nilaza koa io Fitsarana io hoe: “Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tratran’izany fa ny mpivady rehetra tsy mitovy fivavahana koa.” b Na misy manohitra aza anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia miezaka foana izy ireo mampihatra an’ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”​—Romanina 12:17, 18.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mino hoe tokony ho mpiara-mivavaka aminy ihany no ho vadiny?

 Milaza ny Baiboly fa tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ny Kristianina, izany hoe hanambady olona mitovy zavatra inoana aminy. (1 Korintianina 7:39) Mampihatra an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, satria sady mifanaraka amin’ny Baiboly izany no mahasoa. Nilaza, ohatra, ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazety Journal of Marriage and Family, tamin’ny 2010, fa mifankatia kokoa ny mpivady “rehefa mitovy ny fivavahany sy ny zavatra fanaony ary ny zavatra inoany.” c

 Tsy mampirisika ny Vavolombelona namanay hisaraka amin’ny vadiny tsy Vavolombelona anefa izahay. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy.” (1 Korintianina 7:12, 13) Mankatò an’io didy io àry ny Vavolombelon’i Jehovah.

a Jereo ilay boky hoe Kaisara sy Kristy (anglisy), pejy 647.

b Jereo ny didim-pitsarana navoaka tamin’ilay raharaha Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy ny Hafa Miady Amin’i Rosia, pejy 26-27, fehintsoratra 111.

c Jereo ny Gazety Journal of Marriage and Family, Boky Faha-72, Laharana Faha-4, (Aogositra 2010), pejy 963.