Hijery ny anatiny

Lazao hoe Tianao Izy Ireo

Lazao hoe Tianao Izy Ireo

 Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria i Ong-Li, ary nampianariny Baiboly ny vehivavy iray atao hoe Zlatka. Tsy nianatra Baiboly kosa ny vadin’i Zlatka. Hoy i Ong-Li: “Rehefa nianatra momba ny fianakaviana izahay, dia nasongadiko hoe zava-dehibe ny milaza amin’ny vady aman-janaka hoe tianao ry zareo. Nalahelo i Zlatka sady niteny hoe mbola tsy nilaza tamin’ny vadiny na tamin’ny zanany vavy sivy taona mihitsy, hono, izy hoe tiany ry zareo.”

 Hoy i Zlatka: “Vonona hanao an’izay azoko atao ho azy ireo aho fa tsy vitako fotsiny ny miteny hoe tiako ry zareo.” Hoy koa izy: “Mbola tsy niteny tamiko mihitsy i Neny hoe tiany aho, dia mbola tsy niteny tamin’i Neny mihitsy koa i Bebenay hoe tiany izy.” Nasehon’i Ong-Li an’i Zlatka avy tao amin’ny Baiboly hoe niteny tamin’i Jesosy i Jehovah fa tia azy. (Matio 3:17) Nampirisihiny hivavaka momba an’izany i Zlatka dia hiezaka hiteny amin’ny vadiny sy amin’ny zanany hoe tiany izy ireo.

 Hoy i Ong-Li: “Faly erỳ i Zlatka nilaza tamiko, roa andro taorian’izay, hoe nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hampiany. Rehefa nody, hono, ny vadiny dia noteneniny taminy hoe tamin’izy nianatra Baiboly dia hitany fa tena tokony hanaja sy ho tia ny vadiny ny vehivavy. Noteneniny ilay vadiny avy eo hoe tena tiany be izy! Rehefa tafody koa ny zanany dia nofihininy sady noteneniny hoe tiany izy! Hoy i Zlatka tamiko: ‘Maivamaivana erỳ aho. Nokoboniko tato anatiko tato foana ny fihetseham-poko hatramin’izay, nefa nampian’i Jehovah aho, dia vitako ny nampiseho tamin’ny vady aman-janako hoe tiako ry zareo.’”

Manasa olona hianatra Baiboly i Ong-Li

 Hoy koa i Ong-Li: “Nihaona tamin’ny vadin’i Zlatka aho, herinandro tatỳ aoriana, dia hoy izy tamiko: ‘Be dia be ny olona niteny tamiko hoe tsy tokony hampianarinao Baiboly i Zlatka. Hitako anefa hoe tena manampy anay mianakavy ilay izy mianatra Baiboly. Lasa mifankatia sy faly kokoa izao izahay mivady.’”