Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Miezaha mba Tsy Hifamaly

Miezaha mba Tsy Hifamaly

OLANA

Tsy mahay mifampiresaka milamina ve ianareo mivady, ka atahorana hifamaly foana isaky ny mba miresaka?

Matokia fa azo ovana izany. Tokony ho fantatrareo anefa aloha hoe inona no mampifamaly be anareo.

ANTONY

Tsy mifankahazo hevitra.

Hoy i Raozy: * “Tsy tafavoaka tsara indraindray ny zavatra tiako hambara, rehefa miresaka amin’ny vadiko aho. Misy fotoana indray aho mihevitra hoe efa noresahiko taminy ny zavatra iray, fa hay eritreritro fotsiny ilay izy. Tena efa nisy izany!”

Tsy mitovy hevitra.

Tsy hitovy hevitra ianareo mivady indraindray, na mifanentana toy inona aza. Nahoana? Tsy misy olona mitovy tanteraka. Mety hanatsara na hampikorontana ny tokantrano izany. Ilay faharoa no mitranga matetika.

Miady lava ny ray aman-dreny.

Hoy i Rondro: “Niady lava i Dada sy Neny, ary tsy nifanaja rehefa niresaka. Izay nataon’i Neny tamin’i Dada koa no nataoko tamin’ny vadiko rehefa nanambady aho. Tsy mba nahay nanaja izany aho.”

Ny tena fototry ny olana.

Tsy tena ilay zavatra mampifamaly no fototry ny olana matetika. Mety hilaza, ohatra, ny iray hoe: “Tara foana ianao.” Mety tsy ho ilay fahatarana loatra anefa no tena mampalahelo azy, fa ilay izy tsy noraharahaina.

Mety hisy vokany amin’ny fahasalamanao ny fifamaliana matetika, na inona na inona antony. Mety hampisaraka anareo mivady koa izany. Inona àry no azo atao?

INONA NO AZONAO ATAO?

Tsy hifamaly matetika ianareo mivady, raha fantatrareo hoe inona no tena mahatonga an’ilay olana. Rehefa mba tsy mifamaly ianareo dia andramo izao soso-kevitra izao:

1. Samia maka taratasy, ary soraty ao ny antony nampifamaly anareo vao haingana. Mety hanoratra toy izao ilay lehilahy: “Niaraka tamin’ny namanao indray andro maninjitra ianao, nefa tsy niantso ahy mihitsy.” Ilay vehivavy indray mety hanoratra hoe: “Tezitra be ianao satria niaraka tamin’ny namako aho.”

2. Diniho tsara izao: Tena lehibe ve ilay olana? Azo odian-tsy hita ve ilay izy? Tsara indraindray ny miaiky hoe tsy mitovy hevitra ianareo. Reseo amin’ny fitiavana ilay olana.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 17:9.

Raha hitanareo hoe tsy olana lehibe ilay izy, dia samia miala tsiny sy manadino izany.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:13, 14.

Raha olana lehibe amin’ny vadinao na aminareo roa kosa ilay izy, dia ataovy indray ny dingana manaraka.

3. Soraty izay tsapanao nandritra an’ilay fifamaliana, ary asaivo manoratra koa izy. Mety ho toy izao ny an’ilay lehilahy: “Hitako hoe naleonao niaraka tamin’ny namanao toy izay niaraka tamiko.” Ilay vehivavy indray mety hanoratra hoe: “Ataonao hoatran’ny ankizy aho. Ny ankizy no tsy maintsy milaza amin’ny rainy izay toerana misy azy.”

4. Ampifamadiho ny taratasinareo avy eo, ary samia mamaky izany. Inona no tena nampanahy ny vadinao? Resaho hoe inona no nety ho azonareo natao mba handaminana an’ilay olana nefa tsy voatery nifamaly.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 29:11.

5. Resaho hoe inona no nianaranareo avy tamin’ilay soso-kevitra teo. Mety hanampy anareo hamaha na hisoroka olana ve izany amin’ny hoavy?

^ feh. 7 Novana ireo anarana.