Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Handika sy Hampiasa Ireo Zavatra Misy: iOS

Handika sy Hampiasa Ireo Zavatra Misy: iOS

An-jatony ireo boky, bokikely, taratasy mivalona ary video ao amin’ny JW Library. Azonao vakina sy jerena izy ireny avy eo, na dia tsy misy Internet aza.

Araho ireto toromarika ireto mba hahafahanao handika sy hampiasa an’ireo zavatra misy:

 Handika zavatra misy

Afaka mandika izay zavatra rehetra ilainao ianao. Azonao vakina sy ianarana izy ireny avy eo, na dia tsy misy Internet aza.

  • Tsindrio ilay hoe Zavatra Misy dia hiseho ny lisitr’ireo zavatra misy rehetra ao.

  • Tsindrio ilay hoe Fiteny, mba hahitanao ny lisitry ny fiteny rehetra misy zavatra azo adika. Fidio izay fiteny tianao hampiasaina. Izay fiteny ampiasainao matetika no miseho voalohany eo amin’ilay lisitra. Azonao soratana fotsiny koa ny anaran’ilay fiteny tianao hotadiavina.

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahanao mahita ireo zavatra misy ao amin’ny JW Library.

Ilay fizarana hoe Karazany dia manasokajy ireo zavatra misy amin’ilay fiteny arakaraka ny karazany, ohatra hoe Boky, Taratasy Mivalona, na Video. Rehefa manindry karazany iray ianao, dia mbola hisy azonao isafidianana, ohatra hoe Ny Tilikambo Fiambenana sokajina arakaraka ny taona, na Video araka ny sokajiny avy. Azonao tsindriana ilay hoe Karazany Rehetra raha te hiverina amin’ny lisitra voalohany ianao.

Ilay hoe Zava-baovao indray dia ahitanao an’ireo zavatra nivoaka farany amin’ilay fiteny fidinao.

Misy sarina rahona kely izay zavatra mbola tsy nadikanao. Tsindrio izay zavatra tianao hadika. Tsy miseho intsony ilay sarina rahona kely rehefa tafiditra ao amin’ny fitaovanao ilay zavatra nadikanao. Tsindrio indray ilay zavatra voadika raha tianao hovakina.

Hitanao ao amin’ilay hoe Zavatra Azo ireo zavatra nadikanao amin’ireo fiteny nofidinao. Azonao ovaovana hoe Lohateny, Fijery Matetika, Tsy Fijery Matetika, na Mavesatra Kokoa ny fisehon’ilay lisitra.

 Hanafoana zavatra misy

Azonao foanana izay zavatra nadikanao nefa tsy ilainao intsony, na koa mitana toerana be ao amin’ny fitaovanao.

Tsindrio ilay hoe Zavatra Misy, avy eo ny karazany iray (ohatra hoe Boky) mba hahitanao ny lisitra ao anatiny. Tsindrio ilay hoe Hifidy, avy eo fidio izay tianao hofoanana. Azonao atao koa anefa ny manindry elaela an’ilay zavatra tianao hofoanana. Tsindrio ilay sary kely eo amin’ny farany ambony ankavia. Hiseho avy eo ilay hoe Hanafoana. Rehefa tsindrianao izy io dia ho voafafa ilay zavatra nofidinao.

Raha mila toerana malalaka kokoa ianao ao amin’ny fitaovanao, dia esory ny zavatra sasany tsy dia ampiasainao na mavesatra be. Tsindrio ilay hoe Zavatra Misy, avy eo ilay hoe Zavatra Azo. Fidio ilay hoe Tsy Fijery Matetika na ilay hoe Mavesatra Kokoa. Esory avy eo izay zavatra tsy ilainao intsony.

 Handika ireo zavatra nohavaozina

Mety hisy fanavaozana indraindray ny zavatra efa nadikanao.

Misy sarina filesy kely mihodinkodina izay zavatra misy fanavaozana. Rehefa tsindrianao ilay zavatra dia misy hafatra mipoitra hoe nohavaozina ilay izy. Tsindrio ilay hoe Haka, raha tianao hohavaozina ilay izy. Tsindrio kosa ilay hoe Tsy Izao, raha mbola tsy hanavao ianao fa hanohy hamaky an’izay efa nadikanao.

Tsindrio ilay hoe Zavatra Misy mba hahitanao raha misy fanavaozana ny zavatra efa nadikanao. Mipoitra ilay hoe Misy Fanavaozana, raha misy izany. Tsindrio izy io, dia ho hitanao ny lisitr’ireo zavatra nohavaozina. Tsindrio izay zavatra tianao hohavaozina, na tsindrio ilay hoe Hanavao Azy Rehetra raha tianao hohavaozina daholo izay hitanao eo amin’io lisitra io.

Tao amin’ilay JW Library 1.4 nivoaka tamin’ny Febroary 2015 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.