Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hanova ny Endrik’izay Vakina : iOS

Hanova ny Endrik’izay Vakina : iOS

Maro be ireo zavatra natao ao amin’ny JW Library. Manamora ny famakianao ireo zavatra ao anatiny izy ireny. Hitanao eo amin’ny farany ambony ankavanana izy ireny, rehefa mamaky toko na lahatsoratra ianao.

Azonao tsindriana ilay teboka telo eo amin’ny farany ambony ankavanana, dia hiseho ilay hoe Fanampiny.

Araho ireto toromarika ireto raha te hanova ny endrik’izay vakinao ianao:

 Hanova fiteny

Azonao ovana ny fiteny rehefa mamaky toko na lahatsoratra iray ianao.

  • Tsindrio ilay hoe Fiteny mba hahitanao ny fiteny rehetra misy amin’ilay zavatra vakinao. Izay fiteny ampiasainao matetika no miseho voalohany eo amin’ilay lisitra. Azonao soratana fotsiny koa ny anaran’ilay fiteny tianao hotadiavina.

  • Misy sarina rahona kely izay fiteny mbola tsy nadikanao. Tsindrio ilay fiteny raha tianao ny handika an’ilay zavatra. Tsy miseho intsony ilay sarina rahona kely, rehefa tafiditra ao amin’ny fitaovanao ilay zavatra nadikanao. Tsindrio indray ilay fiteny raha tianao hovakina ilay izy.

 Hanova ny firafitry ny soratra

Azonao ovana araka izay mety aminao ny haben’ny soratra.

Tsindrio ilay hoe Firafitry ny Soratra. Azonao akisakisaka ilay izy, dia ho lasa kely na lehibe ny soratra. Hitovy amin’izay haben’ny soratra fidinao eo ny haben’ny soratra amin’ny zavatra rehetra vakinao ao amin’ny JW Library.

 Hijery endrika sary na soratra

Mety ho hita amin’ny endrika sary na soratra ny lahatsoratra sasany. Tsindrio ilay teboka telo eo amin’ny farany ambony ankavanana, raha tianao ny hifidy ny iray amin’ireo endrika ireo.

  • Endrika sary: Raha endrika sary no fidinao, dia hiseho hoatran’ny zavatra vita pirinty ilay pejy jerenao. Io endrika io no tian’ny olona sasany, rehefa mijery fihirana, ohatra, satria hita eo koa ny naoty amin’ilay hira.

  • Endrika soratra: Raha mifidy endrika soratra kosa ianao, dia hahita andinin-teny misy rohy. Tsindrio ilay rohy, dia hiseho ilay andinin-teny araka ny haben’ny soratra nofidinao.

 Sokafy amin’ny...

Ho afaka hijery an’izay vakinao ao amin’ny JW Library any amin’ny programa hafa ianao, rehefa tsindrianao ilay hoe Sokafy Amin’ny...

Tsindrio ny hoe Sokafy Amin’ny..., dia hiseho ny lisitr’ireo programa hafa azonao ampiasaina. Azonao tsindriana, ohatra, ilay hoe Sokafy Amin’ny Fitehirizam-boky, dia hisokatra ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet ilay pejy vakinao.

 Handamina an’ireo Baiboly

Tsindrio ny andinin-teny ao amin’izay vakinao, dia hiseho ireo andinin-teny. Tsindrio ilay hoe Handamina, eo ambanin’ireo andinin-teny, mba hifidianana an’izay Baiboly efa nadikanao ka tianao hampidirina ao anatin’ilay lisitra.

Tsindrio ny hoe Hanampy na Hanala, raha te hanampy na hanala Baiboly ianao. Akisaho miakatra na midina ireo Baiboly, raha tianao halahatra araka izay tianao.

Jereo ilay hoe “Handika sy Hampiasa Baiboly: iOS”, raha mila fanampiana momba ny fampidirana Baiboly hafa ao amin’ny JW Library ianao.

Tao amin’ilay JW Library 1.4 nivoaka tamin’ny Febroary 2015 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.