Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hampiasa JW Library: iOS

Hampiasa JW Library: iOS

Tonga soa eto amin’ny JW Library. Natao hamakiana sy hianarana Baiboly ity programa ity. Milahatra erỳ ambany ireo fizarana lehibe azonao jerena ao. Tsindrio fotsiny izay tianao hojerena.

 Baiboly

Afaka mamaky sy mandika Baiboly ianao ao amin’ilay hoe Baiboly. Tsindrio ny anaran’ny boky, avy eo ny toko tianao hovakina. Rehefa mamaky ianao, dia hahita fanamarihana ambany pejy, fanondroana andininy hafa, ary ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly hafa mifanitsy amin’izay vakinao, eo amin’ilay tsanganana hoe Fianarana.

Raha te hamaky andinin-teny hafa ianao, dia tsindrio indray ilay hoe Baiboly.

 Zavatra misy

Misy lahatsoratra, raki-peo, ary video isan-karazany ao amin’ilay hoe Zavatra Misy. Tsindrio ny boky, avy eo ny lahatsoratra tianao hovakina. Azonao jerena ireo andinin-teny hitanao, rehefa mamaky ianao. Tsindrio ilay andinin-teny, dia hiseho eo amin’ny tsanganana Fianarana ilay izy. Tsindrio ilay andinin-teny eo amin’io tsanganana Fianarana io, dia hiseho ao amin’ny Baiboly ilay izy.

Raha te hijery zavatra hafa ianao, dia tsindrio ny hoe Zavatra Misy.

 Teny vakina

Tsindrio izy io dia ho hitanao ny andinin-teny ho an’ny andro.

 Fivoriana

Tsindrio ny hoe Fivoriana, dia ho hitanao ny boky sy gazety ianarana mandritra ny herinandro any am-pivoriana.

 Internet

Tsindrio izy io dia hisokatra avy hatrany ireo tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Fanavaozana farany

Ataovy azo antoka fa ilay programa JW Library farany no anananao. Amin’izay dia ho azonao koa ireo zavatra niova farany amin’ilay programa.

Tsara raha ilay iOS nivoaka farany no ampiasain’ny fitaovanao. Jereo ity rohy ity mba hahitanao fanazavana fanampiny: https://support.apple.com/en-us/HT204204.

Azonao atao koa anefa hoe ilay fitaovanao ihany no tonga dia maka an’ilay programa misy fanavaozana farany. Hamarino raha efa nataonao hoatran’izany ny firafitry ny fitaovanao. Jereo koa ity rohy ity mba hahitanao fanazavana momba an’izany: https://support.apple.com/en-us/HT202180.