Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Azonao Tadiavina Izay Andinin-teny na Boky Nojerenao Faramparany: Android

Azonao Tadiavina Izay Andinin-teny na Boky Nojerenao Faramparany: Android

Manao lisitra an’izay lahatsoratra na toko ao amin’ny Baiboly novakinao ny JW Library. Manampy anao, ohatra, izany mba hahita an’izay andinin-teny avy novakinao.

Araho ireto toromarika ireto:

 Hiverina amin’ireo nojerena

Tsindrio ilay hoe Historique mba hahitanao ny lisitr’ireo andinin-teny na lahatsoratra novakinao. Tsindrio izay andinin-teny na lahatsoratra eo amin’ilay lisitra dia ho hitanao ilay izy.

 Hamafa an’ireo nojerena

Tsindrio ilay hoe Historique raha tianao hosokafana ny lisitr’ireo nojerenao faramparany. Tsindrio ny hoe Tout effacer raha tianao hofafana daholo ny ao anatin’ilay lisitra.

Tao amin’ilay JW Library 1.2 nivoaka tamin’ny Mey 2014 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny Android 2.3 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Mampiasà JW Library: Android”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.