Hijery ny anatiny

Oviana i Jesosy no Teraka?

Oviana i Jesosy no Teraka?

Valiny ara-baiboly

 Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly ny andro nahaterahan’i Jesosy Kristy. Izao no lazain’ireto boky ireto:

  •   “Tsy fantatra mihitsy ny andro nahaterahan’i Kristy.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao, anglisy.

  •   “Tsy fantatra ny daty marina nahaterahan’i Kristy.”—Rakipahalalana Momba ny Fivavahana Kristianina Tany Am-boalohany, anglisy.

 Tsy lazain’ny Baiboly ny daty nahaterahan’i Jesosy. Ny zava-nitranga taloha kelin’ny nahaterahany sy tamin’izy teraka kosa no voaresaka ao. Maro no nandinika an’izany ka lasa resy lahatra fa tsy tamin’ny 25 Desambra i Jesosy no teraka.

Tsy teraka andro ririnina a

  1.   Fanisam-bahoaka. Taloha kelin’ny nahaterahan’i Jesosy, dia “namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina” i Aogosto Kaisara. Amin’izay mantsy fantatra izay tokony handoa hetra sy izay azo antsoina hanao miaramila. Nankany amin’ny “tanàna niaviany avy” àry ny olona rehetra, ka angamba nila nanao dia nandritra ny herinandro na mahery. (Lioka 2:1-3) Efa tsy nahafaly ny olona ilay didy, na oviana na oviana izy ireo no nasaina nisoratra anarana. Tsy vao mainka ho tezitra ve izy ireo raha tamin’ny ririnina be i Aogosto no nanery azy ireo hanao dia lavitra? Tsy tamin’ny ririnina mihitsy àry i Jesosy no teraka.

  2.   Ondry tany an-tsaha. ‘Nisy mpiandry ondry niambina ny andian’ondriny tany an-tsaha’, tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy. (Lioka 2:8) Milaza ny boky Ny Fiainana Tamin’ny Andron’i Jesosy (frantsay) fa tany ivelany foana ny ondry “ny herinandro talohan’ny Paska [tamin’ny faramparan’ny Martsa]” ka hatramin’ny tapatapaky ny Novambra. Hoy koa io boky io: ‘Tao am-bala ny ondry tamin’ny ririnina. Izany fotsiny dia efa porofo fa tsy mety ho marina ny datin’ny Krismasy. Milaza mantsy ny Filazantsara fa tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’izay.”

Teraka tamin’ny fararano b

 Azo tombantombanana ny daty nahaterahan’i Jesosy, raha avy eo amin’ny daty nahafatesany isika no manisa miverina. Tamin’ny Paska, 14 Nisana (Martsa-Aprily) taona 33, izy no maty. (Jaona 19:14-16) Telopolo taona teo ho eo i Jesosy tamin’izy nanomboka ny fanompoany tetỳ an-tany, ary naharitra telo taona sy tapany izany. (Lioka 3:23) Tamin’ny fararano, izany hoe tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra, taona 2 T.K. (Talohan’i Kristy) àry izy no teraka.

Nahoana no natao 25 Desambra ny Krismasy?

 Raha tsy misy porofo àry hoe tamin’ny 25 Desambra i Jesosy Kristy no teraka, nahoana no ankalazaina amin’io ny Krismasy? Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa ny mpitondra fivavahana no nifidy an’io daty io mba ‘hifanitsy tamin’ny fankalazan’ny Romanina mpanompo sampy ny “fipoiran’ny masoandro tsy mety resy.”’ Tamin’io ny Romanina no nankalaza ny fiverenan’ny masoandro amin’ny ririnina. Milaza Ny Rakipahalalana Amerikanina fa misy manam-pahaizana mihevitra hoe natao tamin’io daty io ny Krismasy, “mba hisy vidiny kokoa amin’ny mpanompo sampy lasa Kristianina ny Fivavahana Kristianina.”

a Eo anelanelan’ny Desambra sy Febroary ny ririnina any amin’ny faritra nahaterahan’i Jesosy.

b Eo anelanelan’ny Septambra sy Novambra ny fararano any amin’ny faritra nahaterahan’i Jesosy.