Hijery ny anatiny

Azo Atao ve ny Manapitra ny Ain’ny Marary Efa Tsy Avotra Intsony?

Azo Atao ve ny Manapitra ny Ain’ny Marary Efa Tsy Avotra Intsony?

Valiny ara-baiboly

 Tsy tena miresaka mivantana ny Baiboly hoe azo atao sa tsia ny manapitra ny ain’ny marary efa miala aina. a Izay resahiny momba ny aina sy ny fahafatesana anefa no mety hanampy antsika hahay handanjalanja. Tsy mety mihitsy aloha ny mamono olona. Tsy miteny koa anefa ny Baiboly hoe tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba hitazonana ny ain’ny olona iray efa miala aina.

 Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no Mpamorona antsika ka izy no “loharanon’aina.” (Salamo 36:9; Asan’ny Apostoly 17:28) Tena sarobidy ny aina aminy. Tena tsy tian’Andriamanitra mihitsy àry ny manapitra ain’olona iray sy ny mamono tena. (Eksodosy 20:13; 1 Jaona 3:15) Milaza koa ny Baiboly fa tokony hitandrina tsara isika mba hiarovana ny aintsika sy ny ain’ny olon-kafa. (Deoteronomia 22:8) Tian’Andriamanitra hihevitra ny aina ho sarobidy àry isika.

Ahoana raha marary mafy efa tsy avotra intsony ilay olona?

 Tsy eken’ny Baiboly mihitsy ny hoe manapitra ain’olona anankiray, na dia efa tsy avotra intsony aza izy. Manaporofo an’izany ny zava-nitranga tamin’i Saoly mpanjakan’ny Israely. Tany an’ady izy tamin’izay ka naratra be efa ho faty. Te ho faty haingana izy dia ny mpitondra fiadiany no nasainy nanapitra ny ainy. (1 Samoela 31:3, 4) Tsy nanaiky ilay mpitondra fiadiany. Nisy lehilahy hafa iray anefa nandainga dia nilaza tamin’i Davida hoe izy, hono, no nanapitra ny ain’i Saoly, satria izay no nangatahin’i Saoly. I Davida kosa nilaza fa mpamono olona ilay lehilahy, satria fantatr’i Davida fa tsy tian’Andriamanitra ny mamono olona.—2 Samoela 1:6-16.

Tsy maintsy mitady ny hevitra rehetra hanalavana ny fiainana ve isika?

 Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy mitady ny hevitra rehetra mba hanalavana ny fiainan’ny olona anankiray isika, raha efa hita hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy. Manampy antsika hahay handanjalanja kosa ny Baiboly. Fahavalo lehibe mantsy ny fahafatesana, ary maty isika satria mpanota. (Romanina 5:12; 1 Korintianina 15:26) Marina fa tsy te ho faty isika kanefa tsy tokony hatahotra be loatra ny ho faty koa, satria mampanantena Andriamanitra fa hanangana ny maty izy. (Jaona 6:39, 40) Manaja ny aina ny olona iray, raha miezaka mitady an’izay fitsaboana faran’izay tsara misy any aminy. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy mampiasa an’izay fanafody rehetra misy izy mba hanalavana ny fiainany, nefa izy efa miala aina.

Tsy hahazo famelan-keloka intsony ve izay mamono tena?

 Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy hahazo famelan-keloka intsony izay mamono tena. Marina fa fahotana lehibe ny hoe mamono olona. b Fantatr’Andriamanitra tsara koa anefa hoe indraindray misy antony mahatonga ny olona sasany hamono tena. Mety hoe marary saina izy na mitebiteby be loatra dia mamono tena, na mety ho noho ny toetra nolovany tamin’ny ray aman-dreniny no mahatonga azy hamono tena. (Salamo 103:13, 14) Mampahery ny olona kivy Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. Milaza koa ny Baiboly fa hisy “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Midika izany fa mbola mety hatsangana amin’ny maty ny olona nanao fahadisoana lehibe, toy ny hoe namono tena.

a Milaza ny diksionera iray fa izy io dia ‘fampitsaharana ny fanaintainan’ny olona marary mafy tsy mety ho sitrana intsony ka hafainganina ny fialany aina.’ (Diksionera Vitasoa [Français-Malgache]) Mety ho te hamono tena ilay olona ka ny dokotera no asainy hanampy azy hanapitra ny ainy.

b Misy tantaran’olona namono tena ihany ao amin’ny Baiboly. Olona tsy nankatò an’Andriamanitra daholo ry zareo.—2 Samoela 17:23; 1 Mpanjaka 16:18; Matio 27:3-5.